2019
Ny hatsaram-pon’ Andriamanitra mivantana
Mey 2019


Ny hatsaram-pon’ Andriamanitra mivantana

Na dia miandry ny Tompo amim-paharetana aza isika dia misy ireo fitahiana sasany izay tonga amintsika eo no eo.

Taona maro lasa izay dia nanatona ahy ny zanakay lahy vao dimy taona ka nilaza hoe: “Dada a, misy zavatra iray haiko. Haiko fa ny tsy ela intsony aminao dia tena ela be amiko.”

Rehefa milaza zavatra toy izao ny Tompo na ireo mpanompony: “Tsy firy ny andro lasa” na: “Tsy lavitra loatra ny fotoana,” dia mety hidika ara-bakiteny ho fiainana iray manontolo izany na lava kokoa noho izany.1 Ny fotoany, ary matetika ny fiheviny, dia tsy mitovy amin’ny antsika. Ny faharetana no fanalahidy. Raha tsy misy izany dia tsy afaka hikolokolo na haneho finoana an’ Andriamanitra momba ny fiainana sy ny famonjena isika. Kanefa ny hafatra entiko anio dia hoe: na dia miandry ny Tompo amim-paharetana aza isika dia misy ireo fitahiana sasany izay tonga amintsika eo no eo.

Rehefa nosamborin’ny Lamanita i Almà sy ny vahoakany dia nivavaka mba ho vonjena izy ireo. Tsy novonjena avy hatrany izy ireo, saingy rehefa niandry tamim-paharetana ny fanafahana azy ireo izy ireo dia nampiseho ny hatsaram-pony tamin’ny fanomezana fitahiana sasany teo no eo ny Tompo. Nataony ho malefaka teo no eo ny fon’ireo Lamanita ka tsy namono izy ireo. Nampatanjahany ihany koa ny vahoakan’i Almà ary nohamaivaniny ny enta-mavesatr’izy ireo.2 Rehefa navotana izy ireo ny farany dia nandeha nankany Zarahemlà, toerana nitantaran’izy ireo ny zavatra niainany tamin’ny mpihaino tolagaga. Dia tolagaga tokoa ny olona tao Zarahemlà, ary “nony nieritreritra ny hatsaram-pon’ Andriamanitra mivantana izy sy ny heriny tamin’ny nanafahany an’i Almà sy ny rahalahiny teo an-tanan’ny Lamanita sy tamin’ny famatorana, dia nanandratra ny feony izy sy nanolotra fisaorana an’ Andriamanitra.”3

Ny hatsaram-pon’ Andriamanitra mivantana dia tonga amin’ireo rehetra izay miantso Azy amin-kitsim-po sy tanjona fenon’ny fo tokoa. Tafiditra amin’izany ireo izay mitomany mafy ao anatin’ny famoizam-po, rehefa toa lavitry ny fanafahana ary toa lavareny ny fijaliana, mainka aza nampitomboina izany.

Torak’izany koa ny tamin’ilay mpaminany tanora iray izay nijaly teo an-tokonam-baravaran’ny fonja iray talohan’ny niantsoany nony farany hoe: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao? … Mandra-pahoviana no hihazonanao ny tananao … ? Eny, Tompo ô, mandra-pahoviana … ?”4 Ho setrin’izany dia tsy nanavotra an’i Joseph teo no ho eo ny Tompo, saingy nanambara fiadanana avy hatrany Izy.5

Nanome fanantenana mivantana ho amin’ny fanafahana izay ho avy ihany koa Andriamanitra.6 Na inona mitranga, na aiza ny toerana, dia misy fanantenana mitsiky mamiratra manoloana antsika mandrakariva ao amin’i Kristy sy amin’ny alalan’i Kristy.7 Eo anoloantsika eo no eo.

Ankoatra izany dia nampanantena Izy hoe: “Tsy mba hiala aminao ny famindram-poko8

Ambonin’izany rehetra izany dia eo no eo ny fitiavan’ Andriamanitra. Miara-mijoro ho vavolombelona amin’i Paoly aho fa tsy misy na inona na inona “hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy”9 Na ireo fahotantsika aza, na dia mety hampisaraka antsika amin’ny Fanahiny mandritra ny fotoana iray izany, dia tsy afaka hampisaraka antsika amin’ny fitiavany masina tsy tapaka sy mivantana amin’ny maha-Ray Azy.

Ireto dia fomba sasany ny amin’ny hoe “mitahy an[tsika] avy hatrany Izy.”10Mba hanazavana ireo fitsipika ireo, dia zaraiko aminareo ny zavatra niainan’olona roa izay vavolombelon’ny hatsaram-pon’ Andriamanitra mivantana ny fiainan’izy ireo.

Hatramin’ny naha-zatovo azy dia nanana olana tamin’ny fampiasana zava-mahadomelina i Emilie. Ny fanandrakandramana dia nitarika tamin’ny fahazarana, ary ny fahazarana dia lasa fiankinan-doha namatotra azy nandritra ny taona maro taty aoriana, na dia teo aza ireo fotoana naha-salama tsindraindray. Nanafina mafy ny olany i Emilie, indrindra taorian’ny nanambadiany sy nananany zanaka.

Ny fiantombohan’ny fanafahana azy dia toa tsy nitovy amin’ny fanafahana mihitsy. Nanatanteraka fizaham-pahasalamana mahazatra i Emilie indray mandeha, ary poa toy izay dia nentin’ny fiara fitaterana marary nankany amin’ny hopitaly izy. Nanomboka nihorohoro izy rehefa nieritreritra hoe ho tafasaraka amin’ny zanany sy ny vadiny ary ny tokantranony.

Tamin’izay alina izay, irery tao anatin’ny efitrano nangatsiaka sy maizina, dia niankohoka teo amin’ny fandriany i Emilie ka nitoloko. Nihena tsikelikely ny fahafahany nieritreritra tsara, ka nihevitra mihitsy izy fa ho faty tamin’io alina io raha nanenika azy ny fitaintainana sy tahotra ary ny haizina nampihorohoro. Irery.

Tao anatin’izany fahakiviana izany no toa nahitan’i Emilie tanjaka hidina ny fandriany ka handohalika. Nitolo-batana tanteraka tamin’ny Tompo i Emilie, tsy nisy fanambonian-tena na dia kely aza, tsy toy ireo vavaka nataony teo aloha, ka nitalaho mafy izy hoe: “Andriamanitra malala ô, mila Anao aho. Ampio aho. Tsy te ho irery aho. Ampio aho ho tafita ity alina ity.”

Teo no eo, tahaka ny nataony tamin’i Petera fahiny, dia naninjitra ny tanany niaraka tamin’izay Jesoa, dia nandray ny fanahiny teo am-pilentehana.11 Tonga tamin’i Emilie ny fitoniana, herim-po, fahatokiana, ary fitiavana mampitolagaga. Tsy nangatsiaka intsony ilay efitrano, fantany fa tsy irery izy. Ary izany no fotoana voalohany, hatramin’izy 14 taona, nahafantaran’i Emilie fa hilamina ny zavatra rehetra. Rehefa “nifoha ho an’ Andriamanitra”12 i Emilie dia natory am-piadanana. Ary hitantsika noho izany fa “raha mibebaka ianareo ary tsy manamafy ny fonareo, dia eo no eo no hahatanteraka aminareo ny drafitra lehiben’ny famonjena.”13

Fianakaviana any amin’ny tempoly

Naharitra ela ny fahasitranana sy fanafahana an’i Emilie tanteraka. Amam-bolana ny fitsaboana, fiofanana, ary fanampiana ara-kevitra, ka nanohana sy niantsoroka azy ny hatsaram-pon’ Andriamanitra nandritra izany. Ary nijanona niaraka taminy izany hatsaram-po izany rehefa niditra ny tempoly niaraka tamin’ny vady aman-janany izy mba hofehezina mandrakizay. Tahaka ireo olona tao Zarahemlà dia feno fankasitrahana i Emilie ankehitriny rehefa mandinika ny hatsaram-pon’ Andriamanitra mivantana sy ny heriny tamin’ny nanafahany azy tamin’ny famatorana.

Izao indray dia avy amin’ny fiainan’ny mpino maherifo hafa iray. Tamin’ny 27 desambra 2013 dia noraisin’i Alicia Schroeder tamim-pifaliana i Sean sy Sharla Chilcote namana malalany, izay tonga tsy nampoizina teo an-tokonam-baravarany. I Sean, izay sady evekan’i Alicia dia nanolotra azy ny findainy ka niteny hoe: “Alicia, tianay ianao. Mila mandray ity antso ity ianao.”

I Mario vadin’i Alicia no niantso. Tany amin’ny toerana lavitra niaraka tamin’ny zanak’izy ireo sasany izy nandeha nanao snowmobile, dia nomanina efa ela nandrasana. Nisy loza nahatsiravina nitranga. Naratra mafy i Mario, ary maty i Kaleb, zanakalahin’izy ireo vao 10 taona. Rehefa nolazain’i Mario tamin’i Alicia tao anatin’ny ranomaso ny nahafatesan’i Kaleb, dia nanenika azy ny fahatairana sy fahoriana izay vitsy amintsika no hahafantatra izany. Nampitolefika azy izany. Raha nalemin’ny alahelo tsy hay lazaina i Alicia dia sady tsy afaka niteny no tsy afaka nihetsika izy.

Nandroso haingana ny Eveka sy Rahavavy Chilcote, nampitsangana azy sy namihina azy. Niara-nitomany sy niara-ory elaela teo izy ireo. Dia nanolo-kevitra ny hanome tsodrano ho an’i Alicia ny Eveka Chilcote.

Ny zava-nitranga manaraka dia tsy takatra raha tsy misy ny fahatakarana momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny hatsaram-pon’ Andriamanitra mivantana. Napetraky ny Eveka Chilcote moramora teo ambony lohan’i Alicia ny tanany, ary tamin’ny feo nangovitra no nanombohany niteny. Zavatra roa no ren’i Alicia toy ireny hoe Andriamanitra mihitsy no niteny. Voalohany, nandre ny anarany izy, Alicia Susan Schroeder. Dia henony ny Eveka niantso ny fahefan’ Andriamanitra Tsitoha. Tamin’io fotoana io, rehefa voatonona fotsiny ny anarany sy ny herin’ Andriamanitra, dia nanenika an’i Alicia ny fitoniana, fitiavana, fiadanana tsy hay faritana, ary tsy hay hoe ahoana, fahasambarana. Ary tsy niala taminy intsony izany.

Mazava ho azy izao fa mbola misaona sy malahelo an’i Kaleb i Alicia sy i Mario ary ny fianakavian’izy ireo. Tena sarotra izany! Isaky ny miresaka aminy aho dia vonton-dranomaso ny mason’i Alicia rehefa milaza amiko momba ny fitiavany sy ny alahelony ny zanakalahy keliny izy. Ary mbola mando hatrany ny masony rehefa miresaka ny fomba nanohanan’ilay Mpanafaka Lehibe azy nandritra ny sombiny tsirairay tamin’ny fisedrany, nanomboka tamin’ny hatsaram-pony mivantana nandritra ny fahakiviany lalina indrindra ary mbola mitohy hatrany izao amin’ny alalan’ny fanantenana mamirapiratra ny fihaonana mamy izay “tsy firy ny andro ho lasa.”

Tsapako fa indraindray ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana dia miteraka korontana sy fisafotofotoana izay maha-sarotra ny fandraisana, na fahafantarana, na fihazonana ilay karazana fanampiana tonga tamin’i Emilie sy i Alicia. Efa nianjady tamiko ny fotoana toy izany. Mijoro ho vavolombelona aho fa, mandritra ny fotoana toy izany, ny fiarovana tsotra ho antsika dia ny fisehoana malefaka kanefa mahery vaikan’ny hatsaram-pon’ Andriamanitra mivantana. Tsarovy fa ny Isiraely fahiny, nony farany, dia navotan’ “io Andriamanitra io ihany izay efa nitsimbina azy ireo”14 isan’andro isan’andro.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no ilay Mpanafaka Lehibe, ary mampanantena aho, amin’ny anarany, fa rehefa mitodika Aminy amin-kitsim-po sy tanjona fenon’ny fo ianareo, dia hanafaka anareo amin’izay rehetra mandrahona ny hampihena na handrava ny fiainanareo na ny fifalianareo Izy. Mety hila fotoana lava kokoa noho izay irinareo izany fanafahana izany, angamba mandritra ny androm-piainana manontolo na lava kokoa noho izany. Noho izany, mba hanomezana fankaherezana sy herim-po ary fanantenana ho anareo, mba hanohanana sy hampatanjahana anareo mandra-pahatongan’izany fanafahana farany izany, dia ambarako sy hijoroako ho vavolombelona aminareo ny momba ny hatsaram-pon’ Andriamanitra mivantana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.