Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy
Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia tsy hoe tsy misy fetra fotsiny amin’ny velarany, fa mahafaoka ny isam-batan’olona.
Amin’izao vanim-potoana ao anatin’ny taona izao dia mifaly manokana isika ary mieritreritra lalina momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Izany tokoa no fotopampianarana farany avo sy mampivelatra ny saina ary fotopampianarana mampientam-po indrindra izay nisy teto amin’ity tontolo ity hatrizay. Izany no manome fanantenana sy tanjona eo amin’ny fiainantsika.
Inona izany no atao hoe Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Amin’ny lafiny iray, izany dia tranga maromaro masina nifanesy izay nanomboka tao an-jaridainan’i Getsemane, nitohy teny amin’ny hazo fijaliana ary nifarana tamin’izay tena manan-danja indrindra dia ny Fitsanganan’ny Mpamonjy avy tao amin’ny fasana. Izany dia natosiky ny fitiavana izay tsy takatry ny saina ho antsika tsirairay avy. Izany dia nila olona iray izay tsy nanam-pahotana, izay nanana hery tsy manam-petra tamin’ireo singa, na dia ny fahafatesana aza, izay nanana ny fahafahana tsy misy fetra ny hiaritra ny vokatry ny fahotantsika sy ny aretintsika rehetra, ary izay raha ny marina dia nidina tambanin’izany rehetra izany.1 Izany no nanirahana an’i Jesoa Kristy. Izany no Sorompanavotany.
Inona ary no tanjon’izany? Izany dia ny hanome fahafahana antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra, hitovy bebe kokoa Aminy, ary hanana fifaliana feno. Izany dia tontosa tamin’ny alalan’ny fandresena sakana miisa efatra:
-
Fahafatesan’ny vatana
-
Fahafatesana ara-panahy vokatry ny nataon’i Adama sy vokatry ny fahotantsika
-
Ny fahoriantsika sy ny rofintsika
-
Ny fahalementsika sy ny tsy fahalavorariantsika
Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manatanteraka izany kanefa tsy handika ny lalàn’ny fahamarinana?
Alaivo sary an-tsaina kely ny lehilahy iray izay nieritreritra lalina ny fahafinaretana azo avy amin’ny fitsambikinana tsy misy elon’aina, izay nandray fanapahan-kevitra maika ka nitsambikina tampoka avy teny amina fiaramanidina kely. Rehefa avy nanao izany dia tonga saina haingana ny amin’ny maha-fahadalana ny zavatra nataony izy. Te-hidina an-tany soa aman-tsara izy saingy misy sakana iray, dia ny lalàn’ny hery misintona. Nahetsiny haingana tamin’ny fomba mahatalanjona ireo tanany, nanantena hanidina saingy tsy nisy vokany. Namboariny ny fihetsiky ny vatany mba hitsingevana na hisosa mba hampiadankadana ny filatsahana, saingy ny lalàn’ny hery misintona dia tsy mihena na mamindra fo. Niezaka nifandahatra tamin’ity lalàn’ny natiora fototra ity izy: “Hadisoina izao. Tsy hanao izao intsony aho.” Saingy niantefa tamin’ny sofina marenina ny fitalahoany. Ny lalàn’ny hery misintona dia tsy mahay mamindra fo, ary tsy manavakavaka izany. Soa ihany, na dia izany, fa nahatsapa zavatra tao an-damosiny ilay lehilahy. Ilay namany tao anatin’ny fiaramanidina, rehefa nahatsapa ilay fotoan’ny hadalana, dia nametraka elon’aina tao talohan’ny fitsambikinana. Hitany ilay tady kely ary dia nosintoniny. Nitsingevaheva nidina ny tany soa aman-tsara izy sady afa-tahotra. Mety hanontany isika hoe “Voahitsakitsaka ve ny lalàn’ny hery misintona, sa ve ilay elon’aina no niasa tao anatin’io lalàna io mba hanolorana fidinana an-tany tsy misy loza?”
Rehefa manota isika dia tahaka ilay lehilahy adaladala izay nitsambikina avy eny ambony fiaramanidina. Na inona na inona ataontsika samirery, dia ny fianjerana ihany no miandry antsika. Isika dia eo ambanin’ny lalàn’ny fahamarinana, toa ny lalàn’ny hery misintona, izay mitaky zavatra lehibe tokoa ary tsy mamela. Tsy azo avotana isika raha tsy noho ny Mpamonjy nanome antsika, tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, sy tamim-pamindram-po, karazana elon’aina ara-panahy. Raha toa isika ka manam-pinoana an’i Jesoa Kristy sy mibebaka (izany hoe isika dia manao ny anjarantsika ary misintona ilay tady kely), dia halefa ho antsika amin’izay ny hery feno fiarovan’ny Mpamonjy, ary afaka ny hanao ny fidinana an-tany ara-panahy tsy arahin-doza isika.
Izany anefa dia tsy azo atao raha tsy noho ny fandresen’ny Mpamonjy ireo sakana efatra izay afaka manakana ny fivoarantsika ara-panahy.
1. Fahafatesana. Nandresy ny fahafatesana Izy tamin’ny alalan’ny Fitsanganany tamin’ny maty feno voninahitra. Nampianatra ny Apôstôly Paoly hoe: “Tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”2
2. Fahotana. Nandresy ny fahotana sy ny hadisoana ho an’ireo rehetra izay mibebaka ny Mpamonjy. Tena lalina sy mivelatra ny herim-panadiovany hany ka nampanantena i Isaia hoe: “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala.”3
Nisy fotoana aho tafahaona tamina Olomasina tsara, izay nanana olana tamin’ny famelana ny tenany, izay tsy tamim-pananan-tsiny saingy tamim-pahadisoana, dia nametraka fetra amin’ny herim-panavotan’ny Mpamonjy. Novain’izy ireo tsy nahy ny Sorompanavotana tsy manam-petra ho lasa manam-petra, ary toa tsy miantraika amin’ny fahotany na ny fahalemen’izy ireo manokana. Saingy Sorompanavotana tsy misy fetra izy io noho izy mandrakotra sy mamaritra ny fahotana sy ny fahalemena rehetra, ary koa ny herisetra na fanaintainana rehetra izay nataon’ny hafa.
Nanao izao fanamarihana feno fankaherezana manaraka izao i Truman G. Madsen:
“Raha misy aminareo efa voafitaka ka mihevitra fa resy lahatra fa efa lasa lavitra loatra ianareo … fa ianareo dia efa nandray an’ilay poizin’ny fahotana izay mahatonga ny tsy fahafahanareo ho tonga amin’izay tokony nahatongavanareo intsony, raha izay dia henoy aho:
“Mijoro ho vavolombelona aho fa ianareo dia tsy afaka ny hilentika lalina kokoa mihoatra noho izay azon’ilay fahazavana sy fahalalana manadion’i Jesoa Kristy hanampiana. Mijoro ho vavolombelona aho fa raha mbola misy tara-pahazavana iray amin’ilay fahavononana hibebaka sy hanakatra, dia eo Izy. Tsy nidina hatrany amin’ny toe-javatra nisy anareo fotsiny Izy; fa nidina tambanin’izany -mba hahatonga Azy ho ao amin’ny rehetra sy amin’ny alalan’ny zava-drehetra, ny fahazavan’ny fahamarinana.- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6.]”4
Ny antony iray maha-manan-danja ny fahatakarana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny fiantraikan’izany tsy misy fetra dia ny hoe amin’ny fahatakarana bebe kokoa dia tonga ny faniriana bebe kokoa ny hamela ny tenantsika sy ny hafa.
Na dia mety hino ny herim-panadiovan’i Kristy aza isika, dia matetika no mipetraka ilay fanontaniana hoe: “Ahoana no ahafantarako fa izaho dia efa voavela tamin’ny fahotako?” Raha toa ka mahatsapa ny Fanahy isika, dia izany no vavolombelona ananantsika fa efa voavela isika na efa maka toerana ilay dingan’ny fanadiovana. Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Raha nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao … , dia azonao raisina ho toy ny porofo izany fa miasa eo amin’ny fiainanao ny Sorompanavotana.”5
Misy ny sasany mametra-panontaniana hoe: “Saingy raha efa voavela aho, nahoana aho no mbola mahatsapa ho meloka ihany?” Angamba noho ny famindram-pon’ Andriamanitra ny fahatsiarovana ilay fahadisoana dia fampitandremana, karazana “famantarana fampijanonana” ara-panahy izay, mandritra ny fotoana iray farafahakeliny, izay mampahatsiahy antsika rehefa misy fitsapana fanampiny atrehantsika hoe: “Aza mivarina amin’iny lalana iny. Fantatrao ny fanaintainana mety ho entin’izany.” Amin’izay lafiny izay dia lasa fiarovana ilay izy, fa tsy famaizana.
Misy ve izany ny hoe mahatsiaro ireo fahotantsika kanefa tsy mahatsapa ho meloka?
Nahatsiaro ireo fahotany i Almà na dia taona maro taorian’ny nibebahany aza. Saingy rehefa nitalaho tamin’i Jesoa izy mba hahazoana famindram-po, dia niteny hoe:“Dia tsy nety nahatsiaro intsony ny fanaintainako; eny, tsy norotidrotehan’ny fahatsiarovana ny fahotako intsony aho.”6
Ahoana no ahafahany mahatsiaro ireo fahotany saingy tsy mahatsapa fanaintainana na mahatsiaro ho meloka? Satria rehefa mibebaka isika, dia “aterak’ Andriamanitra.”7 Araka ny voalazan’ny soratra masina, dia lasa “olom-baovao”8 isika ao amin’i Kristy. Ankehitriny isika dia afaka milaza amim-pahatsorana tanteraka hoe: “Izaho dia tsy ilay lehilahy na vehivavy izay nanao ireny fahotana taloha ireny intsony. Izaho dia olom-baovao sy efa niova.”
3. Ny fahoriana sy ny rofy. Naminany i Almà fa i Kristy “dia handeha, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.” Nahoana? “Mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po, … mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.”9
Ahoana no fomba anatanterahany izany? Indraindray dia esoriny ilay fahoriana, indraindray dia atanjahiny isika mba haharitra, ary indraindray dia omeny fomba fijery mandrakizay isika mba hahatakarantsika kokoa ny maha fandalovana azy ireny. Rehefa avy niaritra tao amin’ny fonjan’i Liberty nandritra ny roa volana teo ho eo i Joseph Smith, dia nihiaka izy nony farany hoe: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?”10 Tsy nanala ilay vesatra teo no eo Andriamanitra, fa namaly toy izao kosa: “Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy; ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ny avo Andriamanitra.”11
Takatr’i Joseph tamin’izay fa izany traikefa mangidy izany dia teboka iray monja eo anatrehan’ny mandrakizay midadasika. Rehefa nanana an’izany fahatakarana nohatsaraina izany izy, dia nanoratra ho an’ny Olomasina avy ao amin’ny efitr’izany fonja izany ihany: “Noho izany ry rahalahy malala sy ankamamiana tokoa, aoka isika hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika; ary rehefa izany dia enga anie ka hahajoro isika omban’ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny famonjen’ Andriamanitra.”12 Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, dia afaka ny hanana fomba fijery mandrakizay isika izay mampisy dikany an’ireo fitsapana lalovantsika ary fanantenana ny amin’ny fanampiana antsika.
4. Ny fahalemena sy ny tsy fahalavorariana. Noho ny Sorompanavotany, dia manana hery mpanafaka ny Mpamonjy, izay indraindray antsoina hoe fahasoavana,13 izay afaka manampy antsika handresy ireo fahalementsika sy ireo tsy fahalavorariantsika ary amin’izany dia hanampy antsika amin’ny fikatsahantsika ny hitovy kokoa Aminy.
Nampianatra an’izao i Môrônia: “Eny, manatona an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, … fa amin’ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’i Kristy.”14 Toa misy lalam-pifandraisana na fomba roa raha kely indrindra, izay manome antsika ireo hery mpanafaka ireo izay afaka manadio, na hanampy antsika, ho lasa lavorary mihitsy aza.
Voalohany, ireo ôrdônansin’ny fanavotana. Milaza amintsika ny soratra masina manao hoe: “Koa miharihary ao amin’ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.”15 Indraindray isika dia mety hihevitra ny ôrdônansy ho toy ny lisitra ho marihina, izay ilaina amin’ny fisandratana, saingy raha ny marina ny tsirairay amin’izy ireny dia mamoaka hery araka an’ Andriamanitra izay manampy antsika ho lasa hitovy kokoa amin’i Kristy. Ohatra:
-
Rehefa avy natao batisa sy nandray ny Fanomezana ny Fanahy Masina isika dia voadio, ka lasa masina kokoa toa an’ Andriamanitra.
-
Ankoatra izany, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia afaka ny ho voazava ny saintsika ary ho lasa malefaka ny fontsika mba hahafahantsika hanana fisainana sy fahatsapana mitovy kokoa amin’ny Azy.
-
Ary rehefa voafehy ho mpivady isika, dia mandova ny zo amin’ireo “fiandrianana, fanjakana, fanapahana, sy hery”16 ho toy ny fanomezana avy amin’ Andriamanitra.
Ny lalam-pifandraisana faharoa ho an’ireo hery mpanafaka ireo dia ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. Noho ny Sorompanavotan’i Kristy, dia afaka ny handray ny fanomezan’ny Fanahy Masina isika sy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy miaraka amin’izany. Ireo fanomezana ireo dia toetra araka an’ Andriamanitra. Noho izany, isaky ny mandray fanomezan’ny Fanahy isika, dia lasa mitovy kokoa amin’ Andriamanitra. Tsy ananana ahiahy fa izany no antony anentanan’ny soratra masina antsika matetika ny mba hikatsaka ireo fanomezam-pahasoavana ireo.17
Nampianatra ny Filoha George Q. Cannon hoe: “Tsy misy olona tokony hiteny hoe, -Tsy vitako ny mifehy tena tsy manao izany satria efa toetra voajanahary ato amiko izany.- Tsy voamarina ny amin’izany izy. Izany no antony nampanantenain’ Andriamanitra ny … hanome fanomezam-pahasoavana izay hanaisotra |ireny fahalementsika ireny]. … Raha misy manana tsy fahalavorariana amintsika dia andraikitsika ny mivavaka mba hahazo izay fanomezam-pahasoavana hahatonga antsika ho tonga lavorary.”18
Ho famehezana izany, ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia manome antsika aina ho solon’ny fahafatesana, “hatsarana ho solon’ny lavenona,”19 fahasitranana ho solon’ny ratra, ary fahatanterahana ho solon’ny fahalemena. Izany no fanefitra avy any an-danitra ho an’ireo sakantsakana sy fahasahiranana eto amin’ity izao tontolo izao ity.
Tamin’ny herinandro farany niainan’ny Mpamonjy teto an-tany dia niteny Izy hoe: “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”20 Satria nanatontosa ny Sorompanavotany ny Mpamonjy, dia tsy misy hery na tranga na olona ivelany, na fahotana na fahafatesana na fisaraham-panambadiana, ka afaka hanakana antsika tsy hahatratra ny fisandratana, raha toa ka mitandrina ireo didin’ Andriamanitra isika. Rehefa manana izany fahalalana izany isika, dia afaka mibosesika mandroso amim-pifaliana sy amim-pahatokian-tena tanteraka fa Andriamanitra dia miaraka amintsika amin’ity fikatsahana ny lanitra ity.
Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia tsy hoe tsy misy fetra fotsiny amin’ny velarany, fa ny isam-batan’olona, ka tsy hoe hamerina antsika fotsiny ho eo anatrehan’ Andriamanitra izany, fa hanome fahafahana antsika ho lasa toa Azy, izay tena tanjona faratampon’ny Sorompanavotan’i Kristy. Momba izany no anolorako ny fijoroako ho vavolombelona feno fankasitrahana sy feno fahatokiana, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.