Lesona avy amin’ny Bokin’i Môrmôna
Fiovam-po mahery vaika
Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia tsy vitan’ny hoe ho voadio amin’ny fahotana fotsiny isika, fa afaka ny hositranina amin’ny maha-mpanota antsika ihany koa.
Noho ny Fahalavoan’i Adama dia tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny aretina sy ny fahotana. Samy mety hahafaty daholo izy roa ireo eo amin’ny sehatra misy azy tsirairay avy. Amin’ny aretina rehetra dia tsy misy tena miparitaka na mandripaka toy ny homamiadana angamba. Any amin’ny firenena sasany dia mihoatra ny iray ampahatelon’ny mponina no ho voan’ny karazana homamiadana, ary izany no miteraka efa saika ho ny iray ampahaefatry ny fahafatesana rehetra.1 Matetika ny homamiadana no manomboka amin’ny sela iray, izay tena kely tokoa ka amin’ny mikrôskôpy ihany no ahafahana mahita azy. Saingy afaka mitombo sy miparitaka haingana izany.
Manaraka fitsaboana ireo mararin’ny homamiadana mba hampisindàna ny homamiadana. Ny fisindàna tanteraka dia midika fa tsy hita soritra intsony ilay aretina. Ireo matihanina anefa dia tsy misalasala manazava fa na dia mety hoe ao anatin’ny fisindàn’ny aretina aza ireo marary, dia tsy voatery midika izany hoe sitrana izy.2 Noho izany, na dia mitondra fahamaivamaivanana sy fanantenana aza ny fisindàn’ny aretina, dia manantena zavatra mihoatra ny fisindàn’ny aretina foana ireo mararin’ny homamiadana: manantena ny ho sitrana izy ireo. Araka ny loharanom-pahalalana iray, “Mba hanambarana fa sitrana tamin’ny homamiadana ny olona iray, dia mila miandry ilay olona mba hahitana raha hiverina indray ilay homamiadana, ka noho izany dia ny fotoana no singa manan-danja indrindra hamaritana izany. Raha ao anatin’ny fisindàn’ny aretina hatrany ilay marary ao anatin’ny taona vitsivitsy, dia mety sitrana ilay homamiadana. Ny homamiadana sasany dia mety hiverina indray aorian’ny taona maro nisindàn’ny aretina.”3
Aretina sy fahotana
Tahaka ny maha-zava-doza ny homamiadana ho an’ny vatana no maha-zava-doza ny fahotana ho an’ny fanahy. Mazàna ny fahotana no miantomboka amin’ny zavatra kely, ary indraindray dia faran’izay bitika ka sarotra ny mahatsikaritra azy, saingy afaka mitombo haingana izany. Mandoto ilay izy, dia mampalemy, ary avy eo dia mamono ny fanahy. Izy io no antony lehibe indrindra, ary ny hany antony raha ny tena marina, mahatonga ny fahafatesana ara-panahy eo amin’ny zavaboary rehetra. Ny fibebahana no fitsaboana ny fahotana. Ny fibebahana dia mahomby 100 isan-jato amin’ny fametrahana ilay mpanota ao anatin’ny famelana, na amin’ny fitondrana ho amin’ny famelana ny fahotana. Mitondra fahamaivamaivanana sy fifaliana ho an’ny fanahy io famelana io. Ny fahazoana famelana ny fahotana sy ny tsy fahitana intsony ny soritsoritr’ilay fahotana sy ny vokatr’izany dia tsy voatery midika fa efa sitrana tanteraka ilay mpanota. Misy zavatra mikasika ny fon’ny olona lavo izay mamela ny hanaovana ota na atahorana hilefitra amin’ny ota. Noho izany dia mety mbola hiverina ny ota, na dia aorian’ny taona maro nahazoana famelana aza. Ny fijanonana ao anatin’ny famelan-keloka, na raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fihazonana ny famelana ny fahotana dia tena manan-danja amin’ny fahasitranana tanteraka.
Voadio sy sitrana
Ity fanoharana ity dia manampy antsika hahatakatra fa eo amin’ny ara-panahy dia tsy vitan’ny hoe tsy maintsy voadio amin’ny fahotantsika fotsiny isika fa tsy maintsy sitranina amin’ny maha-mpanota antsika ihany koa. Mety handreraka ilay ady izay mametraka ny sitrapontsika hanao ny tsara hoentina hanoherana ny toetrantsika izay tia manao ny ratsy. Raha mahatoky isika dia ho mpandresy, ary izany dia tsy noho ny nampifanarahantsika ny toetrantsika voajanahary tamin’ny sitrapontsika fotsiny ihany, fa noho ny nampifanarahantsika ny sitrapontsika tamin’ny an’ Andriamanitra ihany koa, ka dia novainy ny toetrantsika voajanahary.
Nampianatra ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Fa ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra ary efa toy izany hatramin’ny fahalavoan’i Adama ary mbola ho toy izany mandrakizay mandrakizay raha tsy manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina izy ary manaisotra ny maha olona araka ny nofo … amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo” (Môzià 3:19). Ho setrin’izany sy ireo fampianarana hafa dia nivavaka ny vahoakan’i Benjamina hoe: “Ô, mamindrà fo, ary ampiharo ny ran’ny sorompanavotan’i Kristy hahazoanay mandray ny famelana ny fahotanay sy hahazoana manadio ny fonay” (Môzià 4:2; nampiana fanamafisana). Rehefa avy nivavaka izy ireo dia namaly ireo fangatahana roa nataon’izy ireo ny Tompo. Voalohany dia “nidina teo aminy ny Fanahin’ny Tompo, ary feno fifaliana izy rehefa nandray ny famelana ny fahotany sy nahazo fiadanan-tsaina” (Môzià 4:3).
Rehefa hitan’ny Mpanjaka Benjamina fa tao anatin’ny “famelana” ny vahoakany, dia nanentana azy ireo izy mba handroso mankany amin’ny fahasitranana tanteraka tamin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo ny fomba hijanonana ao anatin’ny famelana ny fahotany (jereo ny Môzià 4:11–30). “Raha manao ireo zavatra ireo ianareo,” hoy izy nampanantena, “dia hifaly mandrakariva ianareo sy ho feno fitiavana an’ Andriamanitra ary hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo” (Môzià 4:12).
Nino ny vahoaka ka dia nifikitra tamin’ny tenin’i Benjamina Mpanjaka, ka izay no nahatonga ny Tompo namaly ny ampahany faharoa tamin’ny vavaka nataon’izy ireo, dia ny “hahazoana manadio ny fo[n’izy ireo].” Tamin’ny fankasitrahana sy ny fiderana no nihiakan’ny olona hoe: “Ny Fanahin’ny Tompo Tsitoha … izay efa nahatonga fiovana mahery vaika tao aminay, na tao am-ponay, ka tsy manana fironana hanao ratsy intsony izahay fa ny hanao soa lalandava kosa” (Môzià 5:2). Nanazava i Benjamina Mpanjaka fa io fiovana mahery vaika io dia midika fa naterak’ Andriamanitra izy ireo (jereo ny Môzià 5:7).
“Ahoana no mahatò izany?”
Nampianatra ny mpaminany Almà fa tsy maintsy sady mibebaka isika no ateraka indray—aterak’ Andriamanitra, miova ao am-pontsika (jereo ny Almà 5:49). Rehefa manohy mibebaka isika dia hanaisotra ny fahotantsika ny Tompo ary hanaisotra ny zavatra izay miteraka na mamela ho azy ny hisian’ny ny fahotana ao anatintsika. Saingy araka ny tenin’i Enôsa dia “Ahoana no mahatò izany?” (Enôsa 1:7). Tsotra ny valiny, kanefa mifono hevitra lalina sy maharitra mandrakizay. Izao no ambaran’ny Tompo amin’ireo izay efa nositranina tamin’izay mety ho toe-javatra niainana rehetra, na ara-batana io na ara-panahy hoe: “Ny finoanao no efa namonjy anao” (jereo ny Marka 5:34; Enôsa 1:8).
Ilay fiovam-po mahery vaika niainan’i Almà dia nitranga “araka ny finoany,” ary niova ny fon’ireo mpanara-dia azy rehefa “nametraka ny fitokiany tamin’ilay Andriamanitra marina sady velona” (Almà 5:12, 13) izy ireo. Ny fon’ireo vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina dia “[n]iova [t]amin’ny alalan’ny finoana ny anara[n’ny Mpamonjy]” (Môzià 5:7).
Raha te hanana io karazana finoana io isika mba hahafahantsika matoky ny Tompo amin’ny fontsika rehetra, dia tsy maintsy manao izay zavatra mitarika ho amin’ny finoana isika ary avy eo dia manao izay hitondran’ny finoana antsika. Eo anivon’ireo zavatra maro izay mitondra mankany amin’ny finoana, ao anatin’io sahan-kevitry ny fiovam-po io, dia nanamafy ny fifadian-kanina, ny vavaka ary ny tenin’ Andriamanitra ny Tompo. Ary na dia mitarika ho amin’ny zavatra maro aza ny finoana, dia ny fibebahana no vokatra aterany voalohany.
Diniho ireto andininy roa manaraka avy ao amin’ny bokin’i Helamàna ireto, izay mampisongadina ireo fitsipika ireo. Voalohany dia mamaky mikasika ny vahoaka iray isika, izay “nifady hanina sy nivavaka matetika …, ary … nihamafy kokoa hatrany hatrany tao amin’ny finoana an’i Kristy … eny, na dia hatramin’ny fanadiovana sy ny fanamasinana ny fony aza, izay fanamasinana tonga noho ny nanolorany ny fony ho an’ Andriamanitra” (Helamàna 3:35). Ary avy eo dia ianarantsika avy amin’i Samoela ilay Lamanita fa “Ny soratra masina, eny, ny faminanian’ny mpaminany masina, … [dia] mitarika azy ho amin’ny finoana ny Tompo, ary ho amin’ny fibebahana, dia finoana sy fibebahana mitondra fiovam-po ho azy” (Helamàna 15:7).
Miantehitra amin’ Andriamanitra
Eto isika dia tokony hiresaka lohahevitra somary hafa kokoa sy hiaiky fa io fiovana mahery vaika izay resahintsika io dia mitranga ao anatintsika, fa tsy isika no manao izay hitrangany. Afaka mibebaka isika, manova ny fitondrantenantsika, ny fihetsitsika, eny fa na dia ny faniriantsika sy ny zavatra inoantsika aza, saingy tsy vitan’ny herintsika sy ny fahafahantsika manao zavatra ny manova ny toetoetrantsika. Miantehitra tanteraka amin’ Andriamanitra Tsitoha isika amin’io fiovana mahery vaika io. Izy no manadio ny fontsika amin’ny alalan’ny fahasoavany sy manova ny toetoetrantsika “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” (2 Nefia 25:23). Tsy miova sy azo antoka ny fanasany mba “hibebaka … ary hanatona Ahy amin’ny fo feno finiavana, ary Izaho hanasitrana [anao]” (3 Nefia 18:32; nampiana fanamafisana).
Ny vokatry ny fahasitranana amin’ny maha-mpanota dia ny fahatongavantsika ho “ovaina avy amin’ilay toetra manaram-batana sy lavo … ka tonga zanany lahy sy vavy; Ary dia toy izany no mahatonga [antsika] ho olom-baovao” (Mozià 27:25, 26). Hita mamirapiratra eny amin’ny tarehintsika ny Fahazavan’i Kristy. Ankoatra izay, ny soratra masina dia milaza amintsika fa “izay rehetra naterak’ Andriamanitra dia tsy manota” (1 Jaona 5:18). Ny anton’izany dia tsy hoe satria tsy afaka manota mihitsy isika, fa satria kosa efa toetrantsika amin’izao ny tsy manota. Fiovana mahery vaika marina tokoa izany.
Tokony hotadidiana fa ny fiainana fiovam-po mahery vaika dia dingana miantoana ao anatin’ny fotoana maro fa tsy zava-miseho indray mandeha. Mandeha tsikelikely mazàna ny fiovana, ary indraindray dia zara raha hita, saingy misy izany, mahery vaika izany, ary ilaina.
Raha tsy mbola niaina fiovana mahery vaika toy izany ianao dia te hanontany anao aho hoe: “Efa nibebaka ve ianao ary nahazo ny famelana ny fahotanao? Mandalina ny soratra masina ve ianao? Mifady hanina sy mivavaka matetika ve ianao, mba hihamafy kokoa hatrany hatrany ao amin’ny finoana an’i Kristy? Ampy ve ny finoanao mba hatokiana ny Tompo amin’ny fonao rehetra? Miorina mafy ao amin’izany finoana izany ve ianao? Mitandrina ny eritreritrao sy ny teninao ary ny zavatra ataonao ve ianao ary mitandrina ny didin’ Andriamanitra? Raha manao ireo zavatra ireo ianao dia hifaly lalandava sy ho feno fitiavana an’ Andriamanitra ary hitàna mandrakariva ny famelana ny fahotanao. Ary raha mijanona ao anatin’ny maha-voavela heloka anao ianao dia ho sitrana, ary hiova!
Manana hery hanadiovana antsika amin’ny fahotantsika i Jesoa Kristy ary manasitrana antsika ihany koa amin’ny maha-mpanota antsika. Mahery ka mahavonjy Izy, ary mba hanatanterahana izany dia mahery ka afaka manova ihany koa Izy. Raha atolotsika Azy ny fontsika, ary mampihatra finoana amin’ny alalan’ny fitondrana ireo fanovana izay azontsika tanterahina isika, dia hampiasa ny heriny ao anatintsika Izy mba hampitranga io fiovam-po mahery vaika io (jereo ny Almà 5:14).