2020
Nampahatsiahy ahy ilay vorona kely
Aprily 2020


Nampahatsiahy ahy ilay vorona kely

Laura Linton

Utah, Etazonia

Sary
couple in front of tombstone

Sary nataon’i Carolyn Vibbert

26 taona aho tamin’ny namoizanay mivady ny zanakay voalohany. Nahitana fivontosana tao amin’ny atidohany i Kennedy raha vao mbola 13 volana monja. Taorian’ny fandidiana anankitelo, chimiothérapie in-dimy ary fanomezana fanafody sy fitsaboana maro dia nodimandry teo an-tsandrinay izy rehefa feno 20 volana.

Kivy tanteraka aho noho ny famoizako an’ilay zanako vavy kely tsara tarehy tia karokaroka sy feno fahavitrihana. Nahoana no nitranga izany? Ahoana no ahafahako mandroso? Nanana fanontaniana maro tokoa aho saingy tsy nisy nahitam-baliny. Andro maromaro taorian’ny fandevenana dia nitsidika ilay fasana izaho sy ny vadiko, izay mbola rakotra voninkazo mavokely tsara tarehy sy fehin-damba tamin’ny fandevenana.

Raha teo am-pieritreretana ny zanako vavy aho dia nahita vorona kely mbola kely loatra ka tsy afaka manidina izay nitsambikimbikina teo amin’ny bozaka. Nampahatsiahy ahy an’i Kennedy ilay vorona satria tia biby izy. Nitsambikina nankeo amin’ilay fasana ilay vorona ary nilalao an’ireo fehin-damba sy voninkazo. Nitsiky aho noho ny fahafantarako fa io vorona io mihitsy no ho tian’i Kennedy hananana. Nitsambikina nankeny amiko avy eo ilay vorona. Tsy sahy nanetsika na dia hozatra iray aho. Nitsambikina teo akaikiko mihitsy ilay vorona kely ary niankina teo amin’ny tongotro, dia nanakimpy ny masony ary resin-tory.

Tsy haiko loatra ny manazava ny zavatra tsapako tamin’izay fotoana izay. Nahatsapa ho toy ireny nahazo fihina avy amin’i Kennedy ireny aho. Tsy afaka namihina ny zanako vavy aho, saingy io vorona kely io, izay zavatra noharian’ny Raintsika any An-danitra, dia afaka nanatona sy nampandry ny loha keliny teo amiko, izay nampahatsiahy ahy fa nahatakatra ny fanaintainako ny Ray any An-danitra ary ho eo foana hampahery ahy sy hanampy ao anatin’izany fitsapana izany.

Hoy ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Rehefa tsy afaka manome ny fampaherezana ilaintsika ireo teny … , rehefa tsy afaka manolotra fahatakarana an-tsaina an’ireo tsy rariny miseho eo amin’ny fiainana ny rafipisainana sy ny fanamarinana, … ary rehefa toy ny hoe irery tanteraka isika, dia tena hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo isika,” Liahona, May 2005, 100).

Mbola tsy nahazo ny valin’ireo fanontaniako rehetra aho, saingy io halehiben’ny famindram-po io dia nanome toky ahy fa izaho sy i Kennedy dia samy tian’ny Raintsika any An-danitra ary amin’ny alalan’ny sorona fanavotan’i Jesoa Kristy Zanany dia manana fanantenana aho fa hiaraka indray amin’ny maha-fianakaviana iray izahay mivady sy i Kennedy.

Hamoaka printy