Mampitombo ny finoa ko tsikelikely
Mitaky fotoana ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona. Matetika izany no mitaky zavatra niainana madinika mitambatambatra.
Ny iray amin’ireo fotoana manan-danja indrindra teo amin’ny fiainako dia nitranga tamiko fony aho folo taona rehefa nianatra fotopampianarana Katôlika nandritra ny roa herinandro tao amin’ny Misiôna Katôlika Rômana Lorette aho, izay tokotokony ho 32 km miala ny ambanivohitra fonenako tao Silobela, Zimbabwe. Lasa nahafantatra sy tia an’i Jesoa Kristy Mpamonjy aho ary niantehitra tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’ireo lesona sy fahatsapana tany am-boalohany ireo.
Rehefa tao anatin’ilay trano fivavahana Katôlika aho dia nahita sary hosodoko nipetaka teo amin’ny rindrina izay ahitana sary maneho ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy: sary maneho ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, Izy mampianatra ao amin’ny tempoly, mivavaka ao amin’ny Sahan’i Getsemane, mitondra ny hazofijaliana mankany Kalvary, Izy homboina eo Golgota, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Tena nampalahelo ahy ny nahita ireo fantsika sy tsilo. Rehefa tonga teo amin’ilay sary hosodoko maneho ny Fanomboana aho, dia nanganohano be ny masoko. Ary isak’izay tonga teo aho dia nitomany sy niteny foana hoe: “Tena mafy tokoa ny zavatra nentiny ho ahy fotsiny.”
Nandritra ilay lanonana nanaovana ny konfirmasiona dia nibanjina ny masoko ny iray tamin’ireo pretra dia niteny hoe: “Fahazavan’izao tontolo izao ianao” (jereo ny Matio 5:14). Dia nanondro labozia nirehitra iray izy sady nilaza ny tenin’ny Mpamonjy hoe: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra” (Matio 5:16).
Rehefa nianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa aho dia nanomboka naniry ny hanompo ny hafa. Ohatra hoe tsy maintsy mandeha maka ny ranonay any amin’ny 8 km miala ny tanànanay izahay. Matetika ireo vehivavy ao an-tanàna, anisan’izany ny reniko, no miloloha siny 20 litatra izay feno rano. Taorian’ilay traikefako tao amin’ny seminera Katôlika, dia matetika aho no nanosika siny 200 litatra mba hanampiana ny reniko, ary nanampy vehivavy mananotena miisa roa izay niara-nonina taminay koa aho. Tsaroako ny fahatsapana tsara izay nananako isak’izay nanampy ny hafa aho.
Ireo zavatra niainana ireo dia nanampy ahy hampitombo ny finoako ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary nanomana ahy an-kolaka mba hanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy rehefa feno 22 taona aho.
Nandray ny Bokin’i Môrmôna
Nihalehibe tao anatin’ny fotoana nisian’ny fanovana tao amin’ny fireneko aho. Nanambara ny fahaleovan-tenany tamin’i Grande-Bretagne ireo fotsy hoditra vitsy an’isa notarihin’i Ian Smith tamin’ny taona 1965. Niteraka sazy ara-toekarena avy amin’ny Firenena Mikambana izany ary nahatonga ny fisian’ny ady an-trano nandritra ny taona maro izay naharitra hatramin’ny taona 1980, izay taona nahazoan’i Zimbabwe ny fahaleovan-tenany. Rehefa nahavita ny fianarako aho dia nifindra tany amin’ny tanàna iray mba hiasa ary tsy nandeha nivavaka na taiza na taiza nandritra ny taona maro.
Indray andro dia niara-nilalao tamin’ireo zanakalahin’ny mpampiasa ahy aho. Sivy sy fito taona izy ireo. Hoy izy ireo hoe: “Ny dadanay no filohan’ny sampana ao amin’ny Fiangonanay.” Nohazavain’izy ireo ny atao hoe filohan’ny sampana, dia niteny tsy am-piheverana aho hoe: “Tsy ho lasa any an-danitra ny rainareo.” Fantatro fa nanao fahadisoana lehibe aho, ary nieritreritra tamin-tebiteby momba ny zavatra azoko lazaina amin’izy ireo aho mba hanadinoan’izy ireo ny fanamarihana nataoko. Nony hariva ny andro, rehefa nahita ny rainy izy ireo dia nihazakazaka teny aminy namerina nilaza ny zavatra nolazaiko. Noheveriko fa ho very asa aho.
Talohan’izay ny mpampiasa ahy dia nampiseho ahy akanjo iray izay nanaovany fony izy tany amin’ny tafika, izay midika fa namono olona izy. Izay no antony nilazako ny zavatra noteneniko. Tamim-pahatoniana tokoa no nanontaniany ahy ny antony nilazako izany. Hoy aho hoe: “Tale a! Nilaza tamiko ianao hoe namono olona tany an’ady. Hoy ny Baiboly hoe -Aza mamono olona.-”
Nanontaniany ahy ny fiangonana hivavahako. Nolazaiko azy fa tany amin’ny Fiangonana Katôlika aho no nivavaka fa efa fito taona izay no tsy nandehanako tany. Nizara zavatra niainana tao amin’ny Testamenta Taloha izy mikasika ireo ady sy fifandirana, ary avy eo dia nomeny Bokin’i Môrmôna aho. Faly be aho fa tsy very asa.
Tamin’ny taona 1981 no nanomezany ahy ny Bokin’i Môrmôna, saingy tsy namaky na nanokatra izany akory aza aho nandritra ny roa taona. Indray alahady dia sorena aho rehefa tsy teo an-tanàna ireo namako, ka dia noraisiko ilay boky ary nandeha teny akaikin’ny fiantsonan’ny fiaran-dalamby aho dia namaky izany. Rehefa namaky ilay boky aho tamin’izay andro izay dia afaka nahatsapa zavatra namporisika ahy hanao ny tsara, fa ny tena nahakasika ny foko taty aoriana nandritra ny famakiako izany dia ny 3 Nefia 11. Namaky momba ireo Nefita sisa velona aho izay avy niaina ady sy fahoriana lehibe, ary dia niseho tamin’izy ireo avy eo i Jesoa Kristy Mpamonjy.
Avy niaina ny ady an-tranonay nandritra ny 15 taona ny fireneko. Ny sasany tamin’ireo olona niara-lehibe tamiko tao amin’ny tanànako dia nandeha niady ary maty tany. Ny sasany dia kilemaina nandritra ny fiainany.
Ka rehefa namaky momba ny Nefita aho dia tsapako ho toy ireny hoe nanolo-tanana ahy ireny i Jesoa Kristy Mpamonjy rehefa nilaza hoe: “Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko, hahazoanareo mitehika ny lanivoako amin’ny tananareo, … mba hahazoanareo mitsapa ny diam-pantsika amin’ny tanako sy amin’ny tongotro mba hahafantaranareo fa Izaho no Andriamanitr’i Isiraely sy Andriamanitry ny tany manontolo, ary efa novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao” (3 Nefia 11:14).
Tsapako ho toy ny hoe nanolo-tanana ahy manokana Izy nanasa ahy mba hanatona Azy. Tonga saina aho hoe afaka nanatona ny Mpamonjy sy nahazo fijoroana ho vavolombelona momba Azy aho. Nanova ny zavatra rehetra izany.
Nahazo ny fijoroako ho vavolombelona
Nila volana maromaro aho mba hahazoana herim-po hankanesana tany am-piangonana. Fantatro ny toerana nisy ny Fiangonana, saingy tsy nisy misiônera tao amin’ny sampana kely nisy anay. Tamin’ny febroary 1984 dia niditra tao amin’ny trano fiangonana tao Kwekwe aho. Te hiverina hivoaka aho. Tsy azoko antoka hoe ho voaray tsara tao aho ka dia nipetraka tany aoriana, efa vonona ny hiala haingana tao. Taorian’ny fanokafana ny fotoana dia nizara ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny Bokin’i Môrmôna i Mike Allen izay filohan’ny sampana. Tsapako ho liana aho. Nizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny Bokin’i Môrmôna ihany koa ilay olona manaraka, ary mbola nanao toy izany koa ilay fahatelo. Faly ery aho. Tsy nanana herim-po hankanesana teny amin’ny polipitra aho ka dia nitsangana teny amin’ny toerana nisy ahy, ary nilaza hoe: “Tiako i Jesoa. Mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho.” Dia nipetraka aho. Izay no fiantombohan’ny fijoroako ho vavolombelona.
Ireo fijoroana ho vavolombelona ireo no fomba nanoloran’ny Tompo tanana tamiko satria nanampy ahy hahatsapa izany fa nanana ny toerako tao amin’ny Fiangonana aho. Tsapako fa rahalahiko sy anabaviko daholo ireo olona tao. Nandritra ireo andro manaraka dia nivavaka ho azy ireo aho ary nivavaka mba horaisin’ny olona tsara. Nihaona tamin’ny mpikambana izay tsara fanahy tokoa sy nanampy ahy aho tao.
Zavatra maro no nitranga tamin’io andro io rehefa niditra tao amin’ilay trano fiangonana aho. Manontany tena aho hoe inona no mety ho nitranga raha tsy nizara ny fijoroany ho vavolombelona ireo olona ireo. Tsy fantatrao mihitsy raha toa ka misy olona manana olana. Rehefa mitsangana ianao ary milaza ny zavatra tsapanao, dia mety ho izay mihitsy no zavatra ilain’ny olona iray mba ho reny.
Zarao matetika ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Rehefa manao izany ianao dia mampatanjaka ny tenanao sy ny olona hafa manodidina anao. Mijoroa amin’ny zavatra fantatrao. Rehefa manaraka ny torohevitra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ianao dia hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.
Manakaiky kokoa ny Mpamonjy
Ny fotoana nianarako tao amin’ny Misiôna Katôlika Rômana Lorette no nametraka ahy teo amin’ilay lalana mba ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Hatramin’izay fotoana izay dia nianatra aho fa ny hoe mpianatra dia dingana miantoana ary mila mandroso hatrany isika na inona na inona fahalementsika sy zavatra mametra antsika. Rehefa ekentsika ilay fanasana hoe: “Aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra” (Matio 5:48), dia handroso mankany amin’ny fiainana mandrakizay “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:12) isika.
Fantatsika fa tsy ho mora foana ny lalam-piainantsika, ary hiaina fahasarotana sy ratram-po isika ao anatin’ilay dingana, fa ny fitodihana any amin’ny Mpamonjy ihany no lalana hahitana fiadanana eo amin’ny fiainantsika.
Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Mpamonjy no zavatra manan-danja indrindra amiko. Fantatro fa mikatsaka ny hifandray amintsika ny Mpamonjy. Mila mijery sy manaraka Azy isika ary manolo-tanana mba hampahery ny hafa eo am-panolorany tanana antsika sy hampaherezany antsika.