Ilay Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana
Nanomboka tao amin’ny Ala kely Masina ny Famerenana amin’ny laoniny 200 taona lasa izay ary mitohy amin’izao fotoana izao ary afaka mandray anjara ao anatin’izany izaho sy ianao.
Fotoana mahafinaritra sy mampientanentana mba hiainana eto an-tany izao. Manana fahafahana handray anjara ao anatin’ireo zava-mitranga lehibe ao anatin’ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana isika ho fiomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany.1 Tsy hoe afaka mahita ny fizotran’ireo zava-mitranga mahavariana ireo fotsiny isika fa afaka mandray anjara ao anatin’izany ihany koa.2
Indraindray isika miresaka mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara toy ireny hoe nitranga indray mandeha daholo izany. Roanjato taona lasa izay dia nanomboka ilay dingana miantoana ny Fahitana Voalohany, saingy mazava ho azy fa tsy tapitra teo amin’izany akory ny Famerenana amin’ny laoniny. Ny asan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith sy ireo mpiara-miasa taminy dia nitohy niaraka tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, ny famerenana ny fisoronana, ny fananganana ny Fiangonana, ny fanirahana misiônera, ny fanorenana tempoly, ny fananganana ny Fikambanana Ifanampiana sy ny sisa. Ireo zava-nitranga tao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny ireo dia nanomboka tamin’ny 1820 ary nitohy nandritra ny fiainan’i Joseph Smith.
Na dia mahatalanjona aza ireo zavatra nambaran’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Joseph Smith, dia tsy vita tanteraka nandritra ny fotoana niainan’i Joseph akory ny Famerenana amin’ny laoniny. Tamin’ny alalan’ireo mpaminany taoriany dia nandray zavatra isika toy ny fitohizan’ny fampivelarana ny asa atao any amin’ny tempoly; ireo soratra masina fanampiny; ny fandikana ny soratra masina amin’ny fiteny maro; ny fitondrana ny filazantsara manerana izao tontolo izao; ny fananganana ny Sekoly Alahady, ny Zatovovavy, ny Kilonga, ary ireo kôlejin’ny fisoronana; ary ireo fanovana maro dia maro mikasika ny rafitry ny Fiangonana sy ny fampandehanana izany.
“Vavolombelon’ny fizotry ny famerenana amin’ny laoniny isika,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson. “Raha mihevitra ianareo fa efa naverina tamin’ny laoniny tanteraka ny Fiangonana dia tsy izay satria mbola ny fiantombohany ihany no hitanareo. Mbola betsaka tokoa no ho avy. … Miandrasa ny taona ho avy. Ary avy eo ny taona manaraka aorian’izay. Mihinàna otrikaina. Matoria tsara. Fa hampientanentana izy ity.”3
Mifandray amin’izay fanambaran’ny Filoha Nelson mikasika ny fitohizan’ny Famerenana amin’ny laoniny izay dia nahita fanovana manan-danja maro isika tao amin’ny Fiangonana hatramin’izay naha-filoha an’izany azy. Anisan’izany ny fanambarana ny rafitr’ireo kôlejin’ny fisoronana, ny fanoloan’ny fanompoana ny fampianarana sy famangiana isan-tokantrano, ary ny fametrahana ny fomba fandalinana ny filazantsara izay mifantoka amin’ny ao an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana.4 Nisy fanovana maro nitranga nanomboka tamin’izay ary mbola maro ny ho avy.
Ohatra iray any Afrika Andrefana
Nisy fiantraikany teo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ilay fananan’ny Famerenana amin’ny laoniny endrika mitohy hatrany ireo dimy taona nanompoako tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra Afrika Andrefana. Nanana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara aho hatramin’ny naha-zatovolahy ahy. Saingy rehefa niaina tany Afrika aho dia nifanerasera tamin’ny sasany tamin’ireo Afrikanina tandrefana voalohany izay nanaiky ny filazantsara. Nahita ny fivelaran’ny Fiangonana haingana nanerana ny kaontinanta koa aho, niaraka tamin’ny fitsanganan’ireo paroasy sy tsatòka an-jatony, ny fitsanganan’ireo tempoly sy trano fiangonana izay nihafeno hipoka mpikambana mahatoky, izay vehivavy sy lehilahy tsara nandray tamin’ny fon’izy ireo iray manontolo ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Niseho teo imasoko ny fahatanterahan’ny faminanian’i Joseph Smith fa ny Fiangonana dia “hameno an’izao tontolo izao.”5
Nanampy ahy indray andro tao amin’ny Tempolin’i Accra Ghana i James Ewudzie sy i Frederick Antwi izay roa tamin’izany mpikambana mahatoky izany. Taona maro lasa talohan’ny nahatongavan’ireo misiônera Olomasin’ny Andro Farany tany Ghana, dia anisan’ny tao anatin’ilay vondron’olona miisa 1000 izay nampiasa ny Bokin’i Môrmôna sy ireo fitaovana hafa an’ny Fiangonana tany amin’ny fivoriam-piangonan’izy ireo i James. Nivavaka ny mba hahatongavan’ilay andro izay hahatongavan’ny Fiangonana ao Ghana izy ireo. Niaraka tamina tovolahy hafa izy nanao dia nanerana an’i Ghana sy nampianatra ny filazantsara araka ny hita ao amin’ireo bokintsika. Vao tonga ireo misiônera tamin’ny 1978, dia natao batisa tamin’ny andro voalohany nanatanterahana ireo batisan’ny Olomasin’ny Andro Farany tany Ghana izy.
Tamin’ny voalohandohan’ny fotoana naha-mpikambana an’i Fred dia nanatrika fandevenana havana iray izay mpitarika foko iray izy. Fantany rehefa tonga tany izy fa nikasa ny hanao azy ho ilay mpitarika vaovao ny fianakaviana. Noho ny fahafantarany fa hahatonga azy hanao zavatra mifanohitra amin’ireo zavatra inoany ao amin’ny filazantsara ny toerana toy izany, dia niala haingana izy taorian’ny fandevenana ary nandà ilay toerana izay mety nanome toerana ambony sy harena ho azy.
Raha vao avy natokana ny Tempolin’i Accra, dia samy nanao dia naharitra adiny efatra mandroso fotsiny i James sy i Fred isan-kerinandro mba hahafahan’izy ireo mirotsaka ho mpiandraikitra ao amin’ny tempoly. Rehefa nanatanteraka ôrdônansy niaraka tamin’izy ireo aho, dia henik’ireo zavatra fonosin’ny tantara izay nanodidina ahy aho. Noho ny fahafantarana fa izy roalahy ireo dia nisolo tena ny tantaran’ny Fiangonana tany Afrika dia nahatsapa aho fa toy ny nitovy tamin’ny fananana an’i John Taylor na i Wilford Woodruff na ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana niaraka tamiko nanao ireo ôrdônansy koa izany.
Ny zavatra hitako sy niainako ary tsapako tany Afrika Andrefana dia tafiditra ao anatin’ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Enoka fa hitranga: “Fahamarinana no haidiko avy any an-danitra; ary ny marina no halefako avy eto an-tany mba ho vavolombelona manambara ny Lahitokako; … ary fahamarinana sy marina no hasaiko mipaoka ny tany toy ny amin’ny tondra-drano, ka hanangona ny olom-boafidiko avy amin’ny vazan-tany efatra” (Mosesy 7:62).
Nahita ny fahamarinana sy ny marina niely hangaina nanerana ny kaontinanta Afrikanina aho sy ny olom-boafidy izay voangona tany amin’izany faritr’izao tontolo izao izany. Nitombo ny fijoroana ho vavolombelona nananako momba ny Famerenana amin’ny laoniny satria nahita izany ampahany manan-danja ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny izany nitranga teo imasoko aho.
Izaho koa dia nahita zavatra hafa mikasika ny fitohizan’ny Famerenana amin’ny laoniny: finoana mivaivay sy tanjaka ara-panahy eo anivon’ireo mpikambana Afrikanina. Naheno ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôsôtôly Roambonifolo aho nilaza hoe: “Tsy any Ohio ihany no misy an’i Kirtland [izay toerana niainan’ireo Olomasin’ny Andro Farany tany amin’ny taona 1830 sy ireo taona taorian’izany]. Any Afrika koa izany.” Maro ireo olona miditra ho mpikamban’ny Fiangonana any Afrika izay manana fototra amin’ny zavatra ara-panahy mahery vaika niainan’izy ireo manokana. Ireo mpikambana vaovao ireo dia mitondra tanjaka ara-panahy sy filàna fianarana misimisy kokoa ny filazantsara. Ho azy ireo dia mitohy amin’ilay heviny izay miantefa amin’ny tena manokana ny Famerenana amin’ny laoniny. Rehefa mianatra bebe kokoa mikasika ny Fiangonana izy ireo dia mitohy misokatra eo imason’izy ireo ireo fahamarinan’ny filazantsara. Marina ihany koa izany ho antsika rehetra rehefa manohy mampivelatra ny fahalalantsika mikasika ny filazantsara isika.
Fomba telo hitondrana fanampiana ao anatin’ny Fameranana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana
Nomen’ Andriamanitra fahafahana lehibe mba hitana andraikitra manan-danja ao anatin’ity asa ity isika. Niteny ny Tompo fa “ny vatan’[ny Fiangonana] koa dia mila ny rantsambatana tsirairay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:110). Manana fahafahana handray anjara ao anatin’ity Famerenana amin’ny laoniny mitohy ity ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana. Ahoana no fomba hanaovantsika izany?
Ny fomba iray handraisantsika anjara dia amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina. Tsy misy tanjona ireo ôrdônansy, tafiditra ao anatin’izany ireo ôrdônansin’ny tempoly, raha tsy tena manao ary avy eo mitandrina ireo fanekempihavanana mifandray amin’ireo ôrdônansy ireo ny olona. Ny Rahavavy Bonnie D. Parkin, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha dia nampianatra hoe: “Ny fanaovana fanekempihavanana dia fanehoana fo feno fahavononana ary ny fitandremana ireo fanekempihavanana dia fanehoana fo feno fahatokiana.”6
Tsy hoe manomana ny tenantsika ho amin’ny fiainana mandrakizay fotsiny isika amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana fa manampy amin’ny fanomanana sy ny fampatanjahana ireo izay antsoin’ny Tompo hoe “olon’ny fanekempihavanako” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:36) ihany koa. Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika ary lasa anisan’ny olon’ny fanekempihavanany amin’ny alalan’ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fanasan’ny Tompo, ny Fisoronana Melkizedeka ary ireo ôrdônansin’ny tempoly.
Ny fomba faharoa ahafahantsika mandray anjara ao anatin’ilay Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana dia amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo antso nomena antsika sy ireo asa nampiandraiketina antsika. Izay no fomba handrosoan’ny Fiangonana. Mampianatra ny filazantsara an’ireo ankizy sy zatovo ary olon-dehibe ireo mpampianatra be fanolorantena. Mikarakara ireo mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonana ireo rahavavy sy rahalahy mpanompo. Manome torolalana ho an’ireo tsatòka, distrika, paroasy, sampana, kôlejy, rafitra, kilasy ary vondrona ireo fiadidiana sy episkôpà. Mikarakara ireo zatovovavy sy zatovolahy ireo mpitarika ny zatovo. Mirakitra izay fampahalalana manan-danja ireo mpitamboky sy mpitantsoratra izay avy eo voarakitra any an-danitra, ary misy olona maro hafa manatanteraka ireo anjara asa manan-danja eo amin’ny fanomanana ny olona ho amin’ny fiainana mandrakizay sy ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany.
Ny fomba fahatelo ahafahantsika mandray anjara ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia amin’ny alalan’ny fitondrana fanampiana eo amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Efa ampahany manan-danja ao amin’ilay asa izany hatrany am-piandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson dia manana fahafahana sy andraikitra mba hanampy amin’ny fanangonana izay miseho eo amin’ny lafy roan’ny voaly isika. Tao anatin’ny lahateny famaranana nozarainy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany voalohany tamin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy dia nilaza tamin’ny teny fohy ny Filoha Nelson hoe: “Ny hafatsika ho an’izao tontolo izao dia tsotra sy avy amin’ny fo: manasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra eo amin’ny lafy roan’ny voaly isika mba hanatona ny Mpamonjy azy ireo, handray ireo fitahian’ny tempoly masina, sy hanana fifaliana maharitra, ary ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay.”7
Asa fitoriana no dikan’ny hoe fanangonana an’i Isiraely eto amin’ity lafy irain’ny voaly ity. Isika rehetra izay afaka manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia tokony handinika tsara izany tombontsoa izany. Raisiko ho toy ny fitahiana lehibe ny fahafahana nanao asa fitoriana tany Italie, ka mbola kely ny Fiangonana tany tamin’izany fotoana izany. Nivory tao anatina efitrano nofaina ireo sampanay ary nanantena izahay fa mba hisy tsatòka sy paroasy tany indray andro any. Nahita ireo mpamaky lay be herim-po niditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho ary nametraka fototra ho an’ny fanangonana an’i Isiraely tao amin’izany tany mahafinaritra izany.
Ny iray tamin’izy ireo dia i Agnese Galdiolo. Nahatsapa tamin’ny fomba mahery vaika ny Fanahy izahay rehetra rehefa nampianarina ireo lesona zarain’ny misiônera izy. Kanefa na dia nahatsapa izany Fanahy izany aza izy dia fantany fa handà mafy mba tsy hanaovana batisa azy ny fianakaviany. Nisy fotoana anefa, heniky ny Fanahy izy ka nanaiky ny hatao batisa. Saingy niova hevitra izy ny maraina tokony hanaovana batisa azy. Tonga aloha tao amin’ny efitrano nofaina izay tokony hanaovana batisa azy izy ary niteny taminay fa noho ny famoretana ataon’ny fianakaviana aminy dia tsy afaka manao izany izy.
Nanaiky ny hiresahanay mandritra ny minitra vitsivitsy izy nialoha ny handehanany. Nandeha tany amin’ny efitrano fianarana iray izahay izay nandrosoanay hevitra ny mba hiarahana mivavaka. Rehefa nandohalika izahay dia nangataka azy mba hanao ny vavaka. Nitsangana tamin-dranomaso izy taorian’ny vavaka ary nilaza hoe: “Eny ary e! Hatao batisa aho.” Natao batisa izy minitra vitsy taorian’izany. Nanambady an’i Sebastiano Caruso izy ny taona nanaraka izany ary nanan-janaka efatra izy ireo izay nanao asa fitoriana daholo ary nanohy nanompo tao amin’ny Fiangonana hatramin’izay.
Nanao asa fitoriana koa i Agnese sy i Sebastiano ka filohan’ny misiôna i Sebastiano. Rehefa nanao asa fitoriana fanindroany tany Italie aho, 25 taona lasa taorian’ilay voalohany, dia afaka nahita ny zavatra nataon-dry Caruso mianakavy sy ireo mpamaky lay hafa mba hampivelarana ny fanjakan’ Andriamanitra tany. Niasa mba hanorina ny Fiangonana izaho sy ireo misiônerako, ary nanonofy ny mba hisian’ny tempoly iray haorina any Italie indray andro any. Alaivo sary an-tsaina ny fifaliako noho ny fananantsika ny Tempolin’i Rome Italie amin’izao fotoana izao.
Vitsy ireo fifaliana azo oharina amin’ny fifaliana avy amin’ny asa fitoriana. Tena fitahiana lehibe ny hoe teraka ao anatin’ny fotoana iray izay ahafahantsika mandray anjara amim-pifaliana ao anatin’ny Fameranana amin’ny laoniny izay eo an-dalam-pitohizana amin’ny alalan’ny fitondrana fanampiana eo amin’ny fanangonana an’i Isiraely!
Mazava ho azy fa tsy ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno ihany akory no mahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fanaovana asa fitoriana. Afaka manampy isika tsirairay eo amin’ny fampidirana ho mpikambana na fampahavitrihana an’ireo anabavintsika sy rahavavintsika na ireo rahalahintsika sy anadihintsika amin’ny alalan’ny fiarahana miasa akaiky amin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Manana fahafahana ny hanangona an’i Isiraely isika amin’ny alalan’ny fanasana ny hafa mba ho tonga sy hizaha ary amin’ny alalan’ny finamanana amin’ireo izay ampianarina.
Amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana no hitondrantsika fanampiana eo amin’ny fanangonana an’i Isiraely any amin’ilay lafy iray hafan’ny voaly. Andraikitra masina nomena antsika ny fanatanterahana izany asa izany nandritra ny taona maro. Talohan’ny fahafatesan’i Joseph Smith, dia nanatanteraka batisa ho an’ny maty ireo Olomasina ary vitsivitsy no nandray ny fanafiana masina sy natao famehezana. Nanomboka nisy bebe kokoa ny fanafiana masina ho an’ny velona rehefa vita ny Tempolin’i Nauvoo. Nanomboka tany amin’ireo tempoly tany Utah koa ireo fanafiana masina sy famehezana ho an’ireo razambe.
Nahatakatra ny maha-zava-dehibe izany ampahan-javatra ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny izany i Eliza R. Snow, izay mpandray anjara mavitrika tao anatin’izany dingan’ny Famerenana amin’ny laoniny izany. Nandany fotoana maro tao amin’ny trano fanatanterahana ny fanafiana masina izy ka nanampy tamin’ny fanatanterahana ôrdônansy tao.8 Nandritra ny fitsidihana iray ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny 1869, dia nampianatra ireo rahavaviny izy hoe: “Nieritreritra momba ilay asa lehibe hotanterahintsika aho, anisan’izany ny fitondrana fanampiana eo amin’ny famonjena ny velona sy ny maty. Te ho … mpiara-miasa azo ianteheran’ Andriamanitra sy ireo Olona masina isika.”9
Ary mazava ho azy fa nitombo izaitsizy ny fahafahana manatanteraka ôrdônansin’ny tempoly noho ny fanorenana tempoly maro manerana izao tontolo izao, ary mbola maro no ho avy.
Afaka ny ho anisan’ny andraikitsika tsy tapaka ao anatin’ilay fandraisantsika anjara ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo andalam-pitohizana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana, amin’ny alalan’ireo fitaovana izay eo am-pelatanantsika amin’izao fotoana izao. Liana sy nandray anjara tamin’ny asa momba ny tantaram-pianakaviana aho nandritra ny taona maro, fa ireo fitaovana en ligne anefa dia nampitombo tokoa ny fahombiazako teo amin’ny fitondrana anaran’ny fianakaviana any amin’ny tempoly. Manana fahatsiarovana masina aho izay ahitana ahy mipetraka eo amin’ny latabatra tao amin’ny trano fonenanay tany Ghana ary mitady ny anaran’ireo razambeko Eorôpeana izay azonay sy ny vadiko entina any amin’ny Tempolin’i Accra Ghana. Nanaraka anay tany amin’ireo toerana hafa nandefasana anay izany fahafahana manao zavatra mahafaly izany.
Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith no nanombohan’ Andriamanitra ilay lamina arahina momba ny “fanatontosana ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra nolazain’ny vavan’ny mpaminany masina rehetra, hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:6). Izany famerenana amin’ny laoniny izany dia nitohy hatramin’izao noho Andriamanitra “izay [manambara] ankehitriny” sy “mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Fanekem-pinoana 1:9). Feno fankasitrahana lalina aho noho ny fahafahantsika mandray anjara ao amin’ilay Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana.