Ny Fahitana Voalohany
Feno fanajana [naoty mainty] = 68
1. Te hahalala i Joseph fa tsy hainy izay hatao,
nandalina izy ary indro nipàka am-pony tao
andalan-teny izay nitaona azy hivavaka
ka teo no hainy f’Ilay Ray manampy tsy mba manavaka.
2. Toerana iray tony, tanaty ala kely
no niantsony ny Ray, nandohalika izy irery,
niseho tamin’izay ny Ray sy i Kristy
hamerina indray ny filazantsara ho antsika etỳ.
3. Mbola misy hatrizao ireo fanambarana,
ilay filazantsara mitondra fahalalana
hoe mihaino ny Mpamonjy, miteny izy amin’izao,
miantso mpaminany mba hitarika ahy sy ianao.
Fiverenan-kira: Nivavaka izy ka novaliana,
mahafantatra azy ny Ray sy i Jesoa.
Mivavaka aho, tia ahy ny Ray
ary mihaino ahy toy izany koa.