2020
Fiangonana ho an’i Zulma
Aprily 2020


Fiangonana ho an’i Zulma

Misy zavatra betsaka kokoa tian’ Andriamanitra ho fantatr’i Zulma angamba.

“Mitadiava, dia hahita ianareo” (3 Nefia 14:7).

Sary
A Church for Zulma

Nipetraka teo amin’ny iray amin’ireo seza lava tao am-piangonana i Zulma dia nampitsotra ny zipo izay fanamiany rehefa mianatra. Nisy hazavana miloko nitaratra avy teo amin’ireo varavarankely misy sary, ary nisy hazofijaliana nijoro teo anoloana tao amin’ilay trano fivavahana. Sekolim-pinoana no nianaran’i Zulma, ka dia nandeha namonjy fotoam-pivavahana indroa isan’andro niaraka tamin’ireo mpianatra hafa izy. Tian’i Zulma ny fiangonany. Tia an’i Jesoa izy ary tia mianatra momba Azy.

Nipetraka izy sady nangina tsara rehefa nanomboka niteny ilay pretra. Saingy toa tsy nitovy tamin’ireo andro hafa ny tamin’io andro io. Tampoka teo dia nisy eritreritra vaovao tonga tao an-tsainy sy tao am-pony hoe: Misy fahamarinana bebe kokoa azo ianarana eto amin’izao tontolo izao.

Nampikentrona ny volomasony roa i Zulma. Fahamarinana bebe kokoa hoe e? Inona koa no dikan’izany?

Niverina indray ilay eritreritra. Misy fahamarinana bebe kokoa.

Nakimpin’i Zulma ny masony dia nifantoka tamin’ny zavatra tsapany izy. Nianatra zavatra tsara maro tao am-piangonana izy. Saingy nametra-panontaniana izy tamin’izay raha toa ka misy zavatra banga. Misy zavatra betsaka kokoa tian’ Andriamanitra ho fantany angamba. Saingy ahoana no ahafahany mahita izany?

Taty aoriana dia niresaka tamin’i Alberto zokiny lahy izy mikasika ny eritreritra tonga tao an-tsainy.

“Mihevitra ve ianao hoe misy fahamarinana bebe kokoa azo ianarana eto amin’izao tontolo izao.” Hoy i Alberto nanontany.

Nanetsika ny lohany ho fanekeny izany i Zulma. “Te hianatra momba ny fiangonana hafa aho,” hoy izy.

“Eny ary,” hoy i Alberto namaly. “Hiaraka aminao aho!”

Nitsidika fiangonana isan-karazany nandritra ny taona maro i Zulma sy Alberto. Taorian’ny fotoam-pivavahana iray dia hoy i Alberto hoe: “Nampianatra zavatra tsara io fiangonana io.”

Nanaiky i Zulma, saingy mbola nahatsapa ihany izy ireo fa misy zavatra banga, ka dia nanohy nitady izy ireo.

Indray andro dia nihazakazaka haingana niakatra ny lalana mankao an-tranon’izy ireo i Alberto. “Hitako ilay fiangonana tadiavintsika!” Hoy i Alberto. Nofihininy mafy i Zulma.

Nibaliaka ny mason’i Zulma. “Aiza? Ahoana no nahitanao azy?”

“Nihaona tamin’ny misiônera avy ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny namako,” hoy i Alberto. “Nihaino azy ireo aho, dia inoako ny zavatra nampianariny!”

Faly ery i Zulma sy i Roberto ka dia nandihy manerana ny trano. Saingy taorian’izay dia nahazo vaovao ratsy i Zulma. Tsy tian’i Neny hihaona tamin’ny misiônera izy. “Vao 12 taona monja ianao,” hoy i Neny. “Mbola kely loatra ianao.”

Noho i Alberto efa lehibe kokoa dia navela nanohy nihaona tamin’ny misiônera izy. Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia natao batisa izy.

Nanontany an’i Neny foana foana i Zulma raha afaka mianatra amin’ny misiônera izy. Nanaiky ihany i Neny nony farany.

Rehefa nampianatra an’i Zulma ny misiônera dia nahatsapa hafanana tao am-pony izy. Sahirana tokoa ny iray tamin’ireo misiônera tamin’ny fitenenana amin’ny teny Espaniôla, saingy tsy nampaninona izany. Ny nanan-danja dia ny zavatra tsara tsapan’i Zulma. Rehefa nianatra momba an’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna izy dia fantany fa nahita ny fahamarinana izay notadiaviny izy!

Naniry ny hatao batisa i Zulma. Fa inona indray izao no holazain’i Neny? Faly ery i Zulma rehefa nanaiky i Neny! Tamin’ny andron’ny batisany dia nanao fitafy fotsy ranoray i Zulma. Fantany fa tia azy Andriamanitra. Fantany fa nahafantatra azy Izy. Ary fantany fa nanampy azy hahita ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny Izy! ●

Inty i Zulma fony mbola zazavavikely. Eo amin’ny an-kavanana ny sariny amin’izao fotoana izao miaraka amin’ny vadiny, dia ny Loholona Walter F. González ao amin’ny Fitopololahy.

Sary nataon’i Scott Wakefield

Hamoaka printy