2020
Beglind Guðnason—Árnessýsla, Islande
Aprily 2020


Fanehoana ny finoana

Berglind Guðnason

Árnessýsla, Islande

Sary
sisters hugging

I Berglind (ankavia) miaraka amin’i Elín rahavaviny (ankavanana). Rehefa tao anatin’ny harerahan-tsaina faran’izay lalina natrehany hatrizay niainany i Berglind, dia nahatsapa ho tsy ho tafavoaka intsony. Nahazo fahasitranana ara-panahy sy ara-pihetsehampo tamin’ny alalan’ireo fitaovana natolotry ny Ray any An-danitra izy rehefa nizara ny olana natrehany tamin’ny fianakaviany sy ireo namany.

Mindy Selu, Mpaka sary

Tany amin’ny faha-13 taonako aho dia efa nianjadian’ny harerahan-tsaina. Nisy fotoana tena ratsy dia ratsy ny zavatra nolalovana ka nanandrana namono tena aho. Nahatsapa ho tena very fanantenana aho tamin’izany fotoana izany. Nieritreritra aho hoe: “Tsy hiaina hafaliana izany intsony aho. Tsy hahatontosa na inona na inona izany intsony aho.”

Nisy fotoana nieritreretako fa ny mandao ny Fiangonana no vahaolana ho an’ireo olana natrehako satria nahatsapa ho very fanantenana mikasika ny zavatra rehetra aho. Tena mora ny manao zavatra izay tsy tokony hataonao aty Islande. Mbola kely ny Fiangonana aty. Izaho sy ireo mpiray tampo amiko ihany no tanora tao amin’ireo kilasy tao amin’ny Fiangonana. Nahatsapa ho irery aho ary nandritra ny fotoana maharitra dia tsy tia niangona aho.

Tsy mandala ny fivavahana ny ankamaroan’ny olona any Islande. Mbola vao herotrerony ny olona dia manomboka misotro. Tafalatsaka tao anatin’izany aho ary lasa mpikambana nalaindaina nandritra ny fotoana maharitra teo amin’ny fiainako. Tsy mahafaly ahy mihitsy izany, saingy anisan’ireo zavatra niainako izany ary nianatra lesona avy amin’izany aho. Nandalina lahateny iray nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland aho ary tiako ny zavatra nolazainy: “Natao hianarana ny lasa fa tsy hiainana. … Rehefa nianatra izay ilaintsika hianarana isika … , dia mijery ny hoavy ary mahatsiaro fa manondro mankany amin’ny hoavy foana ny finoana.”1

Indray andro rehefa tao anatin’ny tolona mafy aho dia namaky ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy. Rehefa namaky izany aho dia nahatsapa fa tena manana hoavy iray. Manana drafitra ho ahy Andriamanitra ary tena tia ahy Izy. Nitondra hazavana sy fifaliana lehibe tokoa teo amin’ny fiainako ny fandehanana miangona, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ny famakiana ny soratra masina sy ny fanaovana vavaka. Tsy ela dia tsapako fa “tena manampy ahy izany.” Tamin’izay fotoana izay no nahafantarako fa nila ny filazantsara teo amin’ny fiainako foana aho. Eo anatrehan’ireo zavatra rehetra efa nianjady tamiko dia fantatro fa namonjy ny fiainako ny filazantsara ary tena faly noho izany aho.

Tena nanampy ahy ny firesahana mikasika ny harerahan-tsaina nahazo ahy tamin’ny fianakaviako sy ireo namako. Nitondra ihany koa tany amin’ny fahazoana fanampiana bebe kokoa izany. Tsy naniry ny hihinam-panafody sy hanaraka fitsaboana aho. Niteny tamin’ny tenako foana aho hoe: “Manana an’ Andriamanitra aho.” Manolotra fitaovana maro hafa ho antsika anefa Andriamanitra, toy ny fanafody sy ny fanarahana fitsaboana mba hampiasaina, ankoatra ireo zavatra ara-panahy.

Rehefa nanomboka namaky bebe kokoa ny soratra masina aho isan’andro sy nanakaiky kokoa an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka dia nahazo fitahiana sy fanambarana maro, ka ny hanampy ny hafa no tanjoko. Mahatsapa ho toy ny maro dia maro amintsika izay ianjadian’ny tsy fahasalamana ara-tsaina aho ary miezaka manafina izany isika. Nampianatra ahy ny harerahan-tsaina sy ireo olana nahazo ahy fa tsara kokoa ny mizara izany amin’ny hafa sy mifandray amin’ny hafa. Vao haingana ny namako iray no niresaka tamiko mikasika ny fitolomany amin’ny harerahan-tsaina. Niresaka mikasika izany izahay ary tena nifankahazo an-tsaina tsara.

Tsy voatery ho tsikaritsika foana ny zavatra itoloman’ny olona hafa, saingy indraindray aho mandehandeha eny fotsiny sy mijery ny hafa ary mahatsapa fa fantatr’ Andriamanitra isika tsirairay. Tia antsika Izy ary mahafantatra tsara ny zavatra lalovantsika rehetra. Ary afaka mifanampy isika.

Tamin’ny alalan’ny fitolomako tamin’ny harerahan-tsaina no nahaizako nanontany hoe, “Inona no zavatra azoko ianarana avy amin’izao fitsapana izao?” fa tsy hoe “Nahoana no mianjady amiko izao fitsapana izao?” Tiako ny Etera 12:27, izay ahitana ny filazana fa ny zavatra malemy dia afaka ny ho tonga matanjaka rehefa manana finoana an’i Jesoa Kristy isika. Fampaherezana ho ahy foana izany.

Nisafidy ny ho ety an-tany daholo isika rehetra. Fantatsika fa hizaka fijaliana amin’ny alalan’ireo fitsapana isika. Ary izany no mahatonga ny fiainana ho mahafinaritra raha ny marina. Satria fantatsika fa hisy zavatra tsara ho avy. Fantatsika fa raha manaraka ny Mpamonjy isika ao anatin’ireo dingana sarotra rehetra dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay sy ireo fitahiana maro izay miandry antsika.

Tsikaritro tsara ny niovako tao anatin’ny harerahan-tsaina nolalovako. Tena misy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, novaina ny foko ary lasa matanjaka kokoa aho. Mahatsapa ho toy ny olona hafa noho ilay teo aloha aho. Mahatsikaritra izany ny olona ary milaza hoe: “Niova ianao.” Nisy tovovavy iray tany an-tsekoly aza niteny hoe: “Mahita fiovana sy fahazavana eo aminao aho.” Hafahafa izany satria tsy mpikamban’ny Fiangonana akory izy ary tsy tena niresaka be akory izahay teo aloha.

Fony aho tao anatin’ny harerahan-tsaina lalina dia milaza ny olona hoe “ho sitrana ianao.” Tena vizana aho naheno izany, saingy ny mahavariana, dia marina izany.

Ilainao anefa ny maniry ny ho sitrana. Nianatra aho fa tsy afaka ny hanantena ny ho sitrana ianao rehefa tsy manao na inona na inona. Mila maniry ny ho faly sy hino fa manana hery anaty sy hoavy ianao. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa tian’ny olona maro dia maro ianao ary tafiditra ao anatin’izany ny Rainao any An-danitra. Eo izy rehetra ireo mba hanampy anao.

Tsy nieritreritra na oviana na oviana ny ho faly toy ny amin’izao fotoana izao aho. Misy fotoana aho tena mbola mitolona, saingy afaka ny hiatrika izany aho amin’ny alalan’ireo fitaovana nomen’ny Ray any An-danitra ahy. Ankehitriny rehefa mahatsapa ho tafalatsaka ao anatin’ny harehan-tsaina aho dia milaza amin’ny tenako hoe, tiana aho, manana olona hiresahana aho ary ho sitrana.

Sary
Berglind sitting down

Nanampy an’i Berglind mba hahafantatra kokoa ny fomba ahafahantsika mifanampy ao anatin’ireo olana ny fiatrehany ny harerahan-tsaina. “Fantatr’ Andriamanitra isika tsirairay avy. Tia antsika Izy ary mahafantatra tsara ny zavatra lalovantsika rehetra. Ary afaka mifanampy isika.”

Sary
Berglind smiling

Nahita fiovana teo amin’ny tenany tamin’ny alalan’ireo olana niainany i Berglind. “Tena misy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy,” hoy izy. Novaina ny foko ary lasa matanjaka kokoa aho. Mahatsapa ho toy ny olona hafa noho ilay teo aloha aho.”

Sary
Berglind reading scriptures

“Rehefa nanomboka namaky bebe kokoa ny soratra masina aho isan’andro,” hoy i Berglind, “dia nahazo fitahiana sy fanambarana maro, ka ny hanampy ny hafa no tanjoko. Tiako ny Etera 12:27, izay ahitana ny filazana fa ny zavatra malemy dia afaka ny ho tonga matanjaka rehefa manana finoana an’i Jesoa Kristy isika. Fampaherezana ho ahy foana izany.”

Fanamarihana

  1. Jeffrey R. Holland, “‘Remember Lot’s Wife’: Faith Is for the Future” (Brigham Young University devotional, Jan. 13, 2009), speeches.byu.edu.

Hamoaka printy