HAFATRY NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA
Miomana hanao asa fitoriana ny filazantsara
Ny fiovam-pontsika manokana sy ny fahaterahantsika indray ara-panahy dia manosika na mampirongatra ny faniriantsika hizara ilay ‘vaovao tsara’ amin’ny hafa.
Matetika dia mipetraka ny fanontaniana hoe nahoana isika no mandeha mitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno. Angaha tsy afaka mizara ny filazantsara amin’ny hafa fotsiny isika rehefa mifandray amin’izy ireo amin’ny fiaiantsika andavanandro?
Tena manan-danja ho antsika rehetra tokoa ny mirotsaka amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ataon’ny mpikambana. Raha ny marina, ny asa fitoriana ny filazantsara tsara indrindra ataon’ny mpikambana dia atao amin’io fomba “tsotra sy voajanahary” io. Nahazo maimaimpoana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika dia tokony hizara izany maimaimpoana koa. Raha ny marina, ny mpikambana tsirairay izay mandeha eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra dia maka tahaka ny fiainana sy ny ohatry ny Mpampianatra antsika, dia i Jesoa Kristy Tompo, izay nirotsaka tamim-pahasahiana nizara sy nanambara ny filazantsarany tamin’ireo rahalahiny sy anabaviny nandritra fanompoany teto an-tany.
Ny fiovam-pontsika manokana sy ny fahaterahantsika indray ara-panahy dia manosika na mampirongatra ny faniriantsika hizara ilay “vaovao tsara” amin’ny hafa.
Tadidio vetivety ny fahatsapana nananan’i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià Mpanjaka rehefa niova fo sy nateraky ny Fanahy indray izy ireo, fiovam-po izay nitranga taorian’ny nikatsahan’ireo lehilahy ireo tokoa ny handrava ny Fiangonana. Toy izao manaraka izao no raketin’ny soratra masina momba ny fiovam-pon’izy ireo.
“Ankehitriny dia niriany ny hanambara ny famonjena amin’ny olona tsirairay, satria tsy tantiny ny mety hisian’ny fanahin’olona ho very; eny, na dia ny fieritreretana aza fa mety hisy fanahy hiaritra fijaliana tsisy fiafarany dia nahatonga azy ireo hihorohoro sy hangovitra”1.
Tahaka an’i Almà sy ireo mpiara-mitory taminy, rehefa tena niova fo marina amin’ny filazantsara isika, sy ateraky ny Fanahy indray ary lasa olom-baovao ao amin’i Kristy, dia mahatsapa fahalianana sy fanahiana lalina ny amin’ny mahasoa an’ireo mpiara-belona rehetra amintsika. Tsy misy fomba tsara hanampiana an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra handray ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay noho ny fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno?
Misy antony manan-danja fanampiny ho an’ny zatovolahy hitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno. Na dia afaka mandeha mitory ny filazantsara aza ny vehivavy tsy manam-bady rehefa mahatsapa ho voataona hanao izany dia misy adidy tena miavaka napetraka eo amin’ny lehilahy raha vao nomena ny Fisoronana Melkizedeka izy ireo. Voazava tsara ny momba izany adidy izany sy ny lanjany ao anatin’izao teny nolazain’i Jakoba mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izao:
“Noho izany, izaho Jakoba dia nanome azy ireto teny ireto raha nampianatra azy tao amin’ny tempoly aho, rehefa nahazo mialoha ny fanendrena ahy (izany hoe antso na fisoronana) avy tamin’ny Tompo.
“Fa izaho Jakoba sy i Jôsefa rahalahiko dia efa natokana ho mpisorona sy ho mpampianatra ity vahoaka ity, tamin’ny fametrahan-tanan’i Nefia.
“Ary dia nandrianinay ny adidinay ho an’ny Tompo, tamin’ny nandraisanay ho andraikitra ny hamaliana ny fahotan’ny olona eo ambony lohanay raha tsy nampianatra azy ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny fahazotoana rehetra izahay; noho izany, ny fiasana araka ny herinay dia ny mba tsy hipitipitihan’ny rany amin’ny fitafianay; fa raha tsy izany dia hipitipitihan’ny rany ny fitafianay, ary dia tsy ho hita tsisy pentina izahay amin’ny andro farany”2.
Tsara ny manamarika eto fa i Jakoba dia mampianatra fitsipika iray izay nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ny maty eo amintsika saingy azo ampiharina tsara amin’ny velona ihany koa. “Fa ny famonjena azy ireo (ny maty) dia ilaina sady zava-dehibe ho an’ny famonjena antsika, toy ny lazain’i Paoly momba ireo razana—fa tsy hatao tanteraka izy ireo raha tsy eo isika—isika koa dia tsy hatao tanteraka raha tsy eo ny maty eo amintsika”3.
Hita mazava tsara avy amin’ireo soratra masina ireo fa tahaka antsika tsy azo atao tanteraka (izany hoe avotra) raha tsy misy ny maty eo amintsika dia tsy azo atao tanteraka ihany koa isika raha tsy misy ny velona eo amintsika indrindra rehefa dinihina ny fampianarana lalina nomen’i Jakoba.
Nampianarin’ny Mpaminnay Joseph ombieny ombieny ny maha-zava-dehibe ny asa fanambarana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’izao tontolo izao. Hoy Izy: “Ho fehiny, ny adidy lehibe sy manan-danja indrindra dia ny mitory ny Filazantsara.”4
Ankoatra izany, na dia toa sarotra aza ny mizara ny filazantsara amin’ny hafa dia olona maro dia maro no efa vonona ary miandry ny handray izany. Nanoratra izao manaraka izao ny Mpaminany Joseph Smith raha tao amin’ny fonjan’i Liberty: “Fa mbola misy maro eto an-tany any anivon’ireo antokom-pivavahana, vondrona ary fiangonana rehetra, no hajambain’ny hafetsena misokon’ny olona izay ijokoany mba hamitaka, ary ny hany manakana azy ireo tsy hahita ny fahamarinana dia noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny—
“Koa tokony hilofo sy hikely aina isika hitondra ho eo amin’ny hazavana ireo zavatra miafin’ny haizina rehetra, araka izay ahafantarantsika azy ireny; ary ireny dia aharihary marina tokoa avy any an-danitra—
“Ireny izany dia tokony hokarakaraina amin’ny fahazotoana lehibe tokoa.”5
Tsy tokony hahagaga io hevitra hanatona ny rehetra ao amin’ny fianakaviantsika, ireo namantsika ary ny hafa io, indrindra rehefa tena eritreretina. Diniho ohatra ny asan’ Andriamanitra Ray sy noho izany an’ny Zanany Jesoa Kristy. “Fa indro, izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”6
Mifanohitra amin’ny fihevitry ny besinimaro, ny Fanjakana Selestialy dia tsy hoe toerana isian’ny fiadanana sy fahasambarana ary fifaliana maharitra sy mandrakizay fotsiny ihany fa toerana hanohizantsika hanampy any Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ihany koa amin’ny fanatanterahana “ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakiza[in’ny hafa]”—dia izay avy eo no ho lasa asa[ntsika] sy ny voninahi[tsika].
Ny fahatakarana ireo fitsipika fototra ireo dia tokony hanosika sy hanentana ny zatovolahy tsirairay sy ny fianakaviany (any amin’ny toerana rehetra izay mahamety izany) mba hiomana aloha be araka izay azo atao, na hatry ny vao teraka aza, ho amin’ilay andro hiantsoana sy hanokanana azy ireo ho amin’ilay fahafahana be voninahitra sy masina ny hanambara ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny olombelona rehetra, na aiza na aiza mety hiantsoana azy ireo.
Andriamanitra anie hitahy antsika rehetra mba hirotsaka sy hanohana ary hikolokolo izany ezaka mendri-kaja izany ao amintsika sy ny zanantsika ary ireo olomasina namantsika. Rehefa miomana tsara isika sy manao izany amim-pahamendrehana sy amim-pahatokiana dia ho eo amintsika, ny fianakaviantsika, ny Fiangonana ary ny olombelona rehetra tokoa ny fitahian’ny Tompo. Ho tonga amintsika mialoha ny asa fitoriana hataontsika ireo fitahiana ireo ary azo antoka fa ho tonga mandritra ny fanompoantsika, sy (rehefa mijanona ho mahatoky isika) aorian’ny asa fitoriana ataontsika ary mihoatra.
I Christoffel Golden dia nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny martsa 2001. Manambady an’i Diane Norma Hulbert izy ary manan-janaka efatra izy ireo.