HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA EO AN-TOERANA
Miomana hitory ny filazantsara
“Ho fehiny, ny adidy lehibe sy manan-danja indrindra dia ny mitory ny Filazantsara.”
Teny nambaran’itompokolahy Loholona Spencer W. Kimball (1895–1985) izay nampiasain’ny Loholona H. Verlan Anderson nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny 1986. “Ny asa fitoriana ny filazantsara no rà mamelona ny fiangonana . . . Raha tsy noho ny asa fitoriana ny filazantsara dia ho maina sy maty eo amin’ilay voaloboka ny Fiangonana.”1
Toy izao no nandidian’ny Mpamonjy: “Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.”2
Adidin’ireo zatovolahy sy zatovovavy tomady sy mendrika, raha toa ka maniry izany ilay zatovovavy, ny mitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno ho an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Taona vitsy lasa izay, ny zanakay vavy dia nantsoina hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Harare Zimbabwe. Rehefa nahare io fivoarana io ny mpitarika iray ato amin’ny Fiangonana dia nanontany azy ny amin’ny fahatsapany momba izany hoe mankany amin’ny Ivontoerana Fanofanana Misiônera izany. Ny valin-teniny dia hoe toy ireny mandao IFM iray ireny izy ka mankany amina iray hafa satria noraisiny ho toy ireny ivontoerana fanofanana misiônera ireny ny tokantranonay.
Tena manan-danja tokoa ny manomboka aloha araka izay tratra ireo fiomanana ho amin’ny fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno. Manome fotoana ampy hiomanana ho an’ilay mpirotsaka izany, ka avy eo hanome fahahafana azy hankafy zavatra iainana mahomby sy ahatsapan-tena ho mahavita zavatra mandritra ny fotoana hanompoana.
Indreto ny sasany amin’ireo lafin-javatra nifantohanay nandritra ny fotoana nanomananay ireo zanakay hitory ny filazantsara. Fony fahakeliny izy ireo dia nampianarinay ny maha-zava-dehibe ny vavaka isa-maraina sy hariva ataon’ny tena manokana sy iarahan’ny mpianakavy. Vokatr’io fahazarana io dia afaka nanana finoana sy fahatokisana mafy orina ny Tompo izy ireo.
Raha mbola tsy nahay namaky teny irery akory izy ireo dia notantarainay tantara avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy avy ao amin’ny soratra masina hafa izy ireo. Tsaroako ny zavatra iray izay izay niainako nandritra ny iray tamin’ireo fandalinana soratra masina niarahan’ny mpianakavy fanaonay. Tamin’izay ny zanakalahinay efa-taona dia nanolo-tena ny hamaky teny avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nomeko azy ilay boky dia nosokafany ary nanomboka namaky izy hoe: “Izaho Nefia, noho izaho nateraka ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo, dia somary nampianarina ahy . . .” (1 Nefia 1:1). Nahazendana ahy ny fisosan’ny famakian-teniny satria fantatro fa tsy mbola afaka nahay namaky teny izy. Hoy aho hoe: “Takudzwa (izany no anarany), asehoy ahy hoe aiza izany vakinao izany.” Rehefa nentiny teo amiko ilay boky dia tao amin’ny bokin’i Enôsa izany no nisokatra. Talanjona tanteraka izay rehetra nanatrika teo fa hay izy tsy namaky na taiza na taiza fa nataony tsianjery ny soratra masina nohalalinin’ny mpianakavy teo aloha. Ampahany fototra tamin’ireo drafitray mandritra ny alatsinainy ny takarivan’ny mpianakavy.
Rehefa niha-lehibe ireo zanakay dia nirotsaka nanao seminera, izay nitondra anjara biriky goavana teo amin’ny fahatakaran’izy ireo ireo fitsipiky ny filazantsara. Avy eo izany dia nitondra nankamin’ny fiovam-po tsy tapaka ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Araka ny torohevitra omen’ny soratra masina hoe: “Aza mikatsaka ny hitory ny teniko fa katsaho aloha ny hahazo ny teniko, ary amin’izay dia hovahana ny lelanao; amin’izay raha irinao, dia hanana ny Fanahiko sy ny teniko ianao, eny, ny herin’ Andriamanitra ho fandresen-dahatra ny olona.”3
Tena nohamafisinay ihany koa ny fitsipiky ny asa; nomenay andraikitra sy raharaha sahaza ny taona sy ny herin’izy ireo ireo zanakay. Mbola kely izy ireo dia afaka nanao raharaha fototra sady nandray tambin-kasasarana izay nangonin’izy ireo ho an’ireo zavatra ilaina ho an’ny asa fitoriana hataon’izy ireo. Tsy mba nampianay velively izy ireo tamin’ireo raharaha izay vitan’izy ireo irery. Nofintinin’ny Loholona Neal A. Maxwell toy izao izany: “Tsy ho ela akory ireo izay manao zavatra be loatra ho an’ireo zanany dia hahita fa tsy afaka ny hanao na inona na inona miaraka amin’izy ireo. Maro be ireo ankizy no saika ho tsy misy hatao satria efa be no vita ho azy ireo”4.
Ny fampianarana sy ny fiainana ireo didy toy ny fitondran-tena madio, ny fahamarinan-toetra, ny fahafolonkarena, ny fitandremana ny Sabata, sy ny maro hafa, dia nanampy tamin’ny fanorenana toetra matanjaka sy fijoroana ho vavolombelona mafy orina. Izany no nahatonga azy ireo ho mendrika ny hampianatra ny zavatra niainan’izy ireo ka naharesy lahatra ireo mpikatsaka fahamarinana. Henjana ny asa fitoriana ny filazantsara, noho izany tao amin’ny fianakavianay dia tsy mba notsinontsiniavina mihitsy ny fiomanana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po.
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona amin’ny andaniny sy ny ankilan’ny voaly ianao, hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao”5. Lasa fomba fanao tao an-tokantranonay ny mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana satria ny ankizy tsirairay dia mikaroka sy manomana ny anaran’ireo havana efa maty mba hoentina any amin’ny tempoly. Tsoriko aloha fa izany dia lasa rohim-pitiavana matanjaka tsy mety lefy teo aminay sy ireo razambenay.
Farany dia antitranteriko ombieny ombieny ny tsy maintsy hiomanana amin’ny fanendrena ho amin’ny fisoronana. Izany dia mitaky ny fandalinana lalina ny fisoronana sy ireo andraikitra ao amin’ny fisoronana izay hita ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, toko 8 sy 18—sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, fizarana 20, 42, 72, 84, 107 sy 121. Araka ny nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith dia: “Ho fehiny, ny adidy lehibe sy manan-danja indrindra dia ny mitory ny Filazantsara.”6
Dunstan G.B.T. Chadambuka dia notendrena ho Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny aprily 2019. Manambady an’i Pertunia Mudarikwa izy; manan-janaka telo izy ireo.