2023
Mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’ny Tompo
Septambra 2023


“Mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’ny Tompo,” Liahona, Sept. 2023.

Mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’ny Tompo

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana”—ary nomeny antsika isika tsirairay avy.

Sary
Kristy nanangana ny zanaky ny mananotena tao Naina

Kristy nanangana ny zanakalahin’ny mananotena iray tao an-tanànan’i Naina.

Raha niala tao Kapernaomy ny Mpamonjy dia nankany amina tanàna iray nantsoina hoe Naina. Rehefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy dia nahita fotoam-pandevenana. Ny fahafatesan’ny zanaka tokana tsy ara-potoana dia namela vehivavy mananotena iray ho irery.

“Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.

“Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja Dia nilaza Izy hoe: Zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.”

Rehefa nipetraka sy nanomboka niteny ilay zatovolahy dia “natolon’[i Jesoa] tamin-dreniny” (jereo ny Lioka 7:11–15; nampiana fanamafisana).

Nandritra ny asa fanompoany, na izany ho an’ilay 1 na ho an’ireo 99,1 ny mpamonjintsika dia naneho tanteraka ny fangoraham-po, ny finoana, ny fanantenana, ny fiantrana, ny fitiavana, ny famelan-keloka, ny famindram-po ary ny fanompoana.2 Manasa ny tsirairay amintsika Izy manao hoe “avia, hanaraka Ahy” (Lioka 18:22) ary ho lasa “toa Ahy” (3 Nefia 27:27).3

“Ho toa Ahy”

Mba hanarahana ny ohatra tonga lafatra nasehon’ny Mpamonjintsika sy hahatongavana tahaka Azy, dia manaiky ny fanasany hiara-mandeha Aminy amin’ny lalan’ny fanekempihavanany isika (jereo ny Mosesy 6:34). Indraindray isika dia mahita ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana izay manamarika izany—ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana mba handraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy hahatongavana ho mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; Fanendrena amin’ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ireo rahalahy); fanafiana masina ao an-tranon’ny Tompo (ho antsika tsirairay avy); ary famehezana ao amin’ny tempoly.

Ny ôrdônansy iray izay ilaina amin’ny famonjena sy ny fisandratana dia asa masina tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana nahazo lalana izay mampianatra antsika ny fanekempihavanana mifandray amin’ilay ôrdônansy. Amin’ny fomba hafa dia afaka mihevitra ny ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana ho toy ny fihetsika ivelany izay mitondra rohim-pifandraisana mamatotra amin’ Andriamanitra sy ny Zanany masina eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana isika.

Ny tsirairay avy amintsika, amin’ny maha-zanakalahy na zanakavavy malalan’ Andriamanitra, dia manao fanekempihavanana masina ataontsika manokana amin’ Andriamanitra. Manao izany isika tsirairay avy, amin’ny anarantsika manokana sy tsirairay. Io fifandraisana ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra io dia manome hery sy fanantenana ary fampanantenana ho antsika tsirairay avy. Ireo fanekempihavanana ireo dia afaka manova ny toetrantsika, manamasina ny faniriantsika sy ny asantsika ary manampy antsika hanaisotra ny maha-lehilahy na vehivavy araka ny nofo rehefa manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina isika. Amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo, ny tsirairay avy amintsika dia afaka ny ho tonga toy ny zanak’ Andriamanitra—“mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra,feno fitiavana” (Môsià 3:19).

Miara-manompo amin’ny alalan’ny fanekempihavanana

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana” (Jaona 3:16)—ary nomeny antsika isika tsirairay avy. Ny fiombonana amin’ny fanekempihavanana—mba hifandraisana amin’ Andriamanitra sy amin’ny tsirairay amin’ny alalan’ny fanekempihavanana—dia manasa antsika mba hanatanteraka ny fiizintsika araka an’ Andriamanitra sy ny tanjontsika amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny lanitra sy amin’ny alalan’ny fampifandraisana sy famoronana vondron’Olomasina rehefa mifankatia sy mifanompo isika ary ireo manodidina antsika. Amin’ny fanomezana fahafahana hanao fanoloran-tena amin’ny fanekempihavanana sy ny fiombonana amin’ny fanekempihavanana dia tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra. Manasa antsika tsirairay avy Izy, na vehivavy na lehilahy, na manambady na tsy manambady, na inona na inona fiaviana sy toe-javatra iainantsika, mba hanatona Azy sy hifampiraharaha amin’ny alalan’ny fanekempihavanana.

Rehefa miombona amin’ny alalan’ny fanekempihavana amin’ny Tompo isika dia miombona ihany koa amin’ny alalan’ny fanekempihavanana amin’ny tsirairay avy amintsika. Misy zavatra miavaka mitranga rehefa tia ny Tompo isika ary miara-miasa sy mifanoro hevitra ary mifanompo. Manamafy ny fifandraisantsika amin’ny Tompo sy amin’ny tsirairay ny asa fanompoana araka ny fanekempihavanana. Tafiditra ao anatin’izany ny fifandraisantsika manokana amin’ny Raintsika any An-danitra, ny fianakaviana, ny mpiangona ao amin’ny Fiangonana, ny fiaraha-monina ary ny taranaka mifandimby. Rehefa miaina ny fanekempihavanantsika isika dia miala amintsika ny fifantohantsika amin’ny tenantsika ary lasa mifantoka amin’i Kristy bebe kokoa.

Ny drafitra masin’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana

Ao amin’ny drafitra masin’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana, hoy ny Filoha Russell M. Nelson, dia: “misokatra ny lanitra ho an’ireo vehivavy izay efa notafiana ny herin’ Andriamanitra mitobaka avy amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo, tsy misy hafa amin’ny hisokafan’izany ho an’ireo lehilahy mpihazona fisoronana.”4

Nanamarika ny Filoha Camille N. Johnson, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany: “Isika dia manana zo hahazo ny herin’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fahamendrehan’ny tena manokana.”5 Hoy izy raha namerina ny teny nolazain’ny Filoha Nelson, “Mila vehivavy izay mahalala ny fomba hahazoana ny hery izay omen’ Andriamanitra an’ireo mpitandrina fanekempihavanana isika.”6 Ireo mpitandrina fanekempihavanana izay mikatsaka sy miaina amim-pinoana sy amim-panetren-tena ary amim-pahazotoana, hoy ny nampianarin’ny Filoha Johnson, dia afaka mahazo fitarihana, fitaomam-panahy, fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, fanambarana ary “fanampiana sy hery mba hahatongavana bebe kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra.”7 Rehefa samy manolotra ny fanomezam-pahasoavana tsy manam-paharoa ananantsika amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Tompo sy ny tsirairay isika dia mamorona “tena iray” (1 Korintiana 12:13).

Ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra, ny reny sy ny ray dia mpiara-dia sy mpiara-miasa. Mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta amim-pitiavana sy amim-pahamarinana isika mba hanome izay ilain’ny tsirairay avy amintsika sy ireo fianakaviantsika. Ny fahadiovan’ny eritreritra sy ny fitondrantena dia fepetra takiana amin’ny fanambarana sy fitaomam-panahy ilain’ny vehivavy sy ny lehilahy. Ao an-tokantranon’izy ireo, ireo ray dia tokony hitarika amin’ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy;—ireo toetra tsara ilain’ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny fifandraisantsika rehetra.8

Migogoika ny lanitra rehefa misy fanararaotana, fanjakazakana na fanerena toa inona na toa inona ataon’ny lehilahy na ny vehivavy ao anatin’ny fifandraisana rehetra. Ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy ary ny fahalalana madio dia toetra tahaka ny an’i Kristy izay tadiavintsika tsirairay—na manambady isika, na tokan-tena, na mananotena, na nisara-panambadiana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–42). Izany dia satria ny fihevitry ny Tompo momba antsika sy ny ao amin’ny Fiangonany dia voafaritra amin’ny toetrantsika manokana sy ny fahamarinantsika amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana.

Sary
Lehilahy sy vehivavy tafavory ao anatina fivoriana filankevitra

Mifampizara hevitra ao anaty Filankevitra

Amin’io toe-tsaina io ihany, ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo isika dia mifampizara hevitra ao anatin’ny filankevitra rehefa miara-manompo. Ao amin’ny filankevitra tontosaintsika, ireo mpitarika dia mikatsaka hevi-baovao sy fomba fijery avy amin’ny rehetra. Feno fankasitrahana aho noho ny tsirairay avy amin’ireo vehivavy sy lehilahy miavaka izay tombontsoa ho ahy ny manompo azy ireo, miaraka, ao anatin’ireo filankevitra mpanatanteraky ny Fiangonana. Ireo rahavavy sy rahalahy mendri-kaja ireo dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny asa fitoriana, manomana antsika hihaona amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana ao amin’ny fisoronana sy ny fianakaviana, mampiray ny fianakaviana ho mandrakizay amin’ny alalan’ny fanompoana any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, ary manompo ireo izay sahirana amin’ny alalan’ny asa fifanampiana sy fizakan-tena.

Amin’ny toe-javatra tsirairay, dia mandray fanapahan-kevitra tsara kokoa sy manana fahombiazana lehibe kokoa isika eo amin’ny fanompoana ny Tompo rehefa manome lanja ny fandraisan’ny tsirairay anjara sy miara-miasa, mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’ny asany.

Torak’izany koa, feno fankasitrahana aho fa ao amin’ny tsatòkantsika sy paroasintsika, ireo rahalahy sy ranahavy mpitarika ary mpikambana dia miray hina amin’ny asa famonjena sy fisandratana. Manerana ny Fiangonana, eo ambany fitarihan’ireo mpitarika misiôna feno fanoloran-tena, ny filankevitry ny mpitarika eo anivon’ny misiôna dia ahitana elder sy sister mpitarika fampiofanana izay mitarika ny misiônerantsika, izay samy sarobidy sy manan-danja avokoa ny asany sy ny andraikiny. Ao amin’ny tafika amerikana, ireo mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany, lehilahy sy vehivavy manam-boninahitra tohanan’ny Fiangonana, dia mitahy ireo izay manompo any amin’ireo sampana fanompoana isan-karazany.9 Amin’ny fanompoana dia manana fahafahana sy filana hanompo ny zatovolahy sy zatovovavintsika. Miray hina isika rehetra amin’ny fanompoana ataontsika.

Ny fomba iray hijoroantsika ho vavolombelona an’ Andriamanitra dia ny manompo amin’ny maha-vavolombelon’ireo ôrdônansin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Mijoro ho vavolombelon’ny batisa, na ho an’ny velona na ho an’ny maty ireo rahavavy sy rahalahy. Mijoro ho vavolombelon’ireo ôrdônansy fanampiny ao amin’ny tranon’ny Tompo ireo rahalahy sy rahavavy. Any, eo ambanin’ny fanalahidin’ny filohan’ny tempoly, ireo rahavavy dia manao ôrdônansy masina ho an’ireo rahavavy ary ireo rahalahy dia manao ôrdônansy masina ho an’ireo rahalahy.

Ao amin’ny drafitry ny fahasambarana masin’ Andriamanitra, hoy ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia “mitahy antsika rehetra ireo fitahiana entin’ny fisoronana. Mitarika ireo vehivavy tsy misy hafa amin’ny fitarihany ireo lehilahy ireo fanalahidin’ny fisoronana, ary ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fahefan’ny fisoronana dia miantefa amin’ireo vehivavy ary toy izany koa amin’ireo lehilahy. … Na iza na iza miasa eo amin’ny toerana na antso iray voaray avy tamin’olona iray izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana dia mampiasa ny fahefan’ny fisoronana eo am-panatanterahana ireo andraikitra nanendrena azy.”10

Mihoara an’izao tontolo izao

Rehefa miezaka ny “ho iray” isika, tahaka an’i Jesoa Kristy izay iray amin’ny Ray (Jaona 17:21), dia tsy maintsy “[mitafy] … an’i Jesoa Kristy Tompo isika” (Romana 13:14).

Afaka hamasinina isika rehefa mianatra sy manao ny toetran’i Jesoa Kristy ho antsika manokana, amin’ny alalan’ny fahasoavana miampy fahasoavana—dia hitia bebe kokoa, hamela mora kokoa, tsy ho vonona ny hitsara kokoa, hanompo sy hanao sorona an-tsitrapo kokoa, haneho fangorahana lalina kokoa sy matetika kokoa.

Aoka isika hatoky ny fotopampianarana sy ny ohatra nasehon’i Kristy, ka hifaly amin’ny fahamarinana ary ho tonga mpanara-dia Azy feno fanetren-tena (jereo ny 2 Nefia 28:14)—isika tsirairay avy sy amin’ny maha-rahalahy sy rahavavy ao amin’ny Tompo.11

Hamoaka printy