“Feno fankasitrahana fa maheno Azy,” Liahona, sept. 2023.
Feno fankasitrahana fa maheno Azy
Manana fahasarotana amin’ny fandrenesana aho mandritra ny fotoam-bavaka saingy ity tantara avy ao amin’ny Testamenta Vaovao ity dia nanampy ahy hahita ny toe-javatra tamin’ny fomba hafa.
Nanana olana lehibe tamin’ny tsy fandrenesana aho nandritra ny androa tokom-piainako ary 20 isan-jaton’izay voalaza eny amin’ny polpitra mandritra ireo fivoriam-piangonana ihany no mba reko. Indraindray ny tsy fandrenesako dia mahatonga ahy hahatsapa teny ho irery sy mitoka-monina, ohatra rehefa mihomehy ny daholobe noho ny zavatra mahatsikaiky nolazain’ny mpandaha-teny kanefa tsy mihomehy aho noho izaho tsy nahare izany. Ary tsy izaho irery no toy izany. Namboraka tamiko ireo mpikambana efa nahazo taona fa nanana olana tamin’ny fandrenesana ihany koa izy ireo.
Indraindray, rehefa avy sahirana amin’ny fahatakarana ny zavatra lazain’ny olona amin’ny feo iva mandritra ny fanasan’ny Tompo na rehefa milaza ny mpampianatra Sekoly Alahady hoe tsy misy ilana ny mampiasa mikro satria afaka mandre ny rehetra, dia manontany tena mihitsy aho hoe inona moa no antony handehanako any am-piangonana rehefa zara raha maheno aho. Tsy ho tsara kokoa ve raha laniako amin’ny famakiana ireo lesona ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy na soratra masina any an-trano ny fotoanako.
Kanefa mbola te ho mpankatò aho ary hanohy hanatrika miaraka amin’ny fianakaviako mba hanavao ireo fanekempihavanana nataoko tamin’ny batisa sy hahatsiaro ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Fitahiana hatrany ny mahatsapa ny Fanahy ary nahatsapa no nankaherezina mandrakariva aho tamin’ny alalan’ireo zavatra afaka norenesiko.
Indray Alahady ny mpanolotsaina avo izay nandaha-teny nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia niteny tamin’ny feo mafy sy mipaka any am-poto-tsofina tsara ka nahamora ny fandrenesana. Ilay vehivavy narary nandeha rà nandritra 12 taona tao amin’ny Testamenta Vaovao no noresahany. Izy io dia nanam-pinoana fa afaka ny ho sitrana izy raha afaka manatona ka manendry na dia ny somotraviavin-damban’i Jesoa monja aza rehefa nandalo Izy (jereo ny Lioka 8:43–48).
Avy eo ilay mpandaha-teny dia nanolotra hevi-baovao nanohina izay nipaka lalina tato anatiko, ka nanazava fa noho ny toe-java-nisy azy dia noraisina ho tsy madio io vehivavy io ary saika ho tsy afaka navela niditra am-piangonana. Nandritra ny 12 taona!
Nampitolagaga ahy ny vokatr’izany. Na dia narary aza dia mety ho naharary io vehivavy io ko ny hoe tsy afaka niditra am-piangonana na dia tsindraindray aza. Noho ny fombafomba tamin’izany fotoana izany dia tsy navela niditra am-piangonana izy. Fitsapana lehibe tokoa izany ho ana olona vontom-pinoana!
Rehefa nisaintsaina ny rarim-po mety ho tsapany tamin’ny fandrarana azy tsy hiara-hitsaoka an’ Andriamanitra niaraka tamin’ireo mpino namany aho noho ny toe-batany, zavatra izay tsy voafehiny, dia nanokatra ny masoko ny Fanahy ka nampahita ahy ny toe-java-niainany raha noharina tamin’ny ahy. Nomena fahafahana ny hahatakatra aho na dia tsy afaka ny mandray anjara feno aza. Nanana tombony aho fa afaka miditra am-piangonana farafaharatsiny sy maheno izay afaka renesiko. Tsy nanana safidy toy izany io vehivavy io. Nahatsapa tena ho menatra aho tamin’ilay fotoana fohy nieritreretako ny hijanona any an-trano.
Tamin’izay fotoana izay mihitsy Andriamanitra dia niresaka tao am-poko, nampahafantatra ahy fa tsy tiany aho hahatsapa tena ho meloka. Tiany aho hahatsapa ho feno fankasitrahana—velom-pankasitrahana noho ny tombontsoa ananako amin’ny fidirana am-piangonana sy mahazo hery amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ireo mpianatra mahatoky an’i Kristy. Na dia tsy afaka maheno ny zava-drehetra aza aho dia afaka mahatakatra zavatra sasantsasany ary nitahy ny fiainako ny tsirairay avy tamin’ny izy ireny. Nisy ihany koa fotoana niavaka nanampian’ny Fanahy ahy hahatakatra ireo zavatra tsy afaka norenesiko.
Nahatsapa ho velom-pankasitrahana aho noho ny fahafahako mitsaoka malalaka an’ Andriamanitra sy mianoka amin’ireo fitahiana azo avy amin’ny fankanesana any amin’ny tempoly. Nijoro ho vavolombelona tamiko ny Fanahy fa tsara lavitra ho ahy ny manatrika fivoriam-piangonana sy mandray ny fanasan’ny Tompo ary mianatra izay azoko ianarana raha oharina amin’ny hoe tsy manatrika mihitsy.
Nanova ny fihetsiko izany andro izany. Ho solon’ny hakiviana tsapako nanoloana ny sakana natrehako dia fiadanana no nameno ny foko ary nanapa-kevitra aho ny hifantoka amin’ireo fitahiana avy amin’ny fidirana am-piangonana. Nanapa-kevitra aho ny hanao ezaka amin’ny nahim-po mba ho hankasitraka ny zavatra afaka renesiko toy izay ho kivy amin’izay tsy afaka norenesiko.
Nilaza ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny fanehoana fankasitrahana ao anatin’ny fotoam-pahoriana dia tsy midika hoe faly amin’ny toe-javatra iainantsika isika. Ny tena dikan’izany dia hoe mijery lavitra mihoatra ilay olana mianjady amintsika amin’izao fotoana izao isika amin’ny alalan’ny mason’ny finoana.”1 Ilay vehivavy nanatona mba hikasika ny lamban’i Jesoa dia fampahatsiahivana ho ahy mba hananako finoana ampy an’ny Tompo mba hahita mihoatra ireo fahalemeko sy hananako fitokisana ampy an’ Andriamanitra mba hahafantarako fa hitahy ahy hahomby Izy na dia eo aza ireo fahalemeko ara-batana.
Ny fiainana dia feno ireo karazana fanamby rehetra izay mamizaka antsika na ara-panahy na ara-pihetseham-po na ara-batana saingy amporisihana isika ny haneho fankasitrahana ny amin’ireo fitahiana raisintsika na dia manditra ireo fotoam-pahoriana aza. Hoy ny Tompo:
“Ry sakaizako, aza matahotra, aoka hionona ny fonareo, eny, mifalia mandrakariva ary misaora amin’ny zava-drehetra. …
“… Ary ny zava-drehetra izay efa nampahoriana anareo dia hiara-hiasa hahasoa anareo sy ho voninahitry ny anarako, hoy ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1, 3).
Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.