“Ireo dia nataon’i Paoly Apôstôly,” Liahona, sept. 2023.
Avia, hanaraka Ahy
Ireo dia nataon’i Paoly Apôstôly
Nanao dia efatra lehibe fitoriana ny filazantsara i Paoly ka teo ho eo amin’ny 14.725 km teo no halavirana noteteziny tao anatin’ny 14 taona. Nanampy tamin’ny fananganana ny maha Kristiana nanerana ny Mediterane ny fahavononany nandeha lavitra mba hitory ny filazantsaran’i Kristy.
Ny dia efatra lehibe fitoriana ny filazantsara nataon’i Paoly
Dia voalohany (jereo ny Asan’ny Apostoly 13:1–14:28)
-
Fotoana: nanodidina ny 47–49 taona AD
-
Niaraka tamin’i: Barnabasy sy i Jaona Marka
-
Toerana itodiana: Kiprosy, Tiorkia
-
Halaviran-dalana: nanodidina ny 2.250 km
Dia faharoa (jereo ny Asan’ny Apostoly 15:36–18:22)
-
Fotoana: nanodidina ny 50–53 taona AD
-
Niaraka tamin’i: Silasy, Timoty, Prisila sy Akoila ary Lioka
-
Toerana itodiana: Syria, Tiorkia, Gresy, Jerosalema
-
Halaviran-dalana: nanodidina ny 4.500 km
Dia fahatelo (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:23–21:15)
-
Fotoana: nanodidina ny 54–58 taona AD
-
Niaraka tamin’i: Timoty, Lioka ary hafa
-
Toerana itodiana: Tiorkia, Gresy, Libanona, Isiraely
-
Halaviran-dalana: nanodidina ny 4.350 km
Dia fahefatra (jereo ny Asan’ny Apostoly 27:1–28:16)
-
Fotoana: nanodidina ny 59–60 taona AD
-
Niaraka tamin’i: ny mpiambina Romana, Lioka ary hafa
-
Toerana itodiana: Isiraely, Libanona, Tiorkia, Kreta, Malta, Sisily, Roma
-
Halaviran-dalana: nanodidina ny 3.600 km