2023
“Mba tiako ny hahatsiarovanareo”
Septambra 2023


“Mba tiako ny hahatsiarovanareo,” Liahona, sept. 2023.

“Mba tiako ny hahatsiarovanareo”

Môzià 5:12

Samy nomena fampahatsiahivana manokana an’i Kristy isika tsirairay avy. Jereo izy ireny ary tsarovy Izy.

sarin’i Jesoa Kristy

Sombin-tsary avy amin’ny Christ and the Rich Young Ruler (I Kristy sy ilay tanora mpanan-karena)nataon’i Heinrich Hofmann

Ao anatin’ny zavatra iainantsika eto an-tany, isika rehetra dia tsy hoe iharan’ny voalin’ny fanadinoana ihany fa koa ao anatina toetoetry ny fanadinoana. Ny voalin’ny fanadinoana dia mahatonga antsika hanadino ireo fisehoan-javatra sy fahamarinana izay fantatsika tany amin’ny toerana nisy antsika talohan’ny nahaterahana. Ny toetry ny fanadinoana iainantsika dia mitarika antsika hanadino sy hiala amin’ireo fahamarinana izay nianarantsika na nianarana indray teto amin’ity fiainana ity. Raha tsy maharesy ny toetrantsika lavo amin’ny fanadinoana isika dia ho lasa “mailaka ianareo amin’ny fanaovana heloka fa mitaredretra kosa amin’ny fahatsiarovana ny Tompo Andriamanit[tsika]” (1 Nefia 17:45).

Fampahatsiahivana an’i Kristy

Amin’ny didy rehetra omeny dia mampanantena Andriamanitra fa “hanomana lalana ho [antsika] mba hahazoan[tsika] manatontosa ny zavatra izay andidiany” (1 Nefia 3:7). Mba hahafahantsika mankatò ny didiny mba hahatsiaro, dia nanomana fampahatsiahivana ny Tompo.

Eny tokoa, ny zavatra rehetra dia nohariana sy natao mba ho vavolombelona sy hampahatsiahy antsika an’i Kristy (jereo ny Mosesy 6:63; jereo koa ny Almà 30:44). Natao, ohatra, ny hahatsiarovantsika Azy “rehefa mandehandeha eny amin’ny kirihitrala sy ny ala [isika] ka mandre ny vorona mihira amin’ny fomba kanto eny amin’ny hazo.”1 Afaka hiantsoantso mihitsy aza ny vato ho vavolombelona sy fampahatsiahivana an’i Jesoa (jereo ny Lioka 19:40). Raha ny marina, ny tany manontolo, na amin’ny feo na amin’ny maso, dia mijoro ho vavolombelona mahatalanjona ary manolotra fampahatsiahivana mahatalanjona momba ny Mpamorona azy.

Ireo fampahatsiahivana toa kisendrasendra eo amin’ny zavaboary rehetra dia ampitomboin’ireo fampahatsiahivana ara-dalàna kokoa izay hitantsika ao amin’ny ôrdônansy masina. Nampianatra i Abinadia fa ny Isiraely fahiny dia nomena ôrdônansy hentitra hotanterahina mba “mba hitehirizana azy ao amin’ny fahatsiarovana an’ Andriamanitra sy ny adidiny Aminy” (Môzià 13:30). Nampianatra zavatra mitovy amin’izany koa ny mpaminany amin’izao vaninandro izao. Ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) dia nanambara hoe: “Heveriko fa tsy hisy na oviana na oviana ny mpivadi-pinoana, tsy hisy na oviana na oviana ny heloka bevava, raha tsaroan’ny olona, … tsaroany marina tokoa, ireo zavatra nanaovany fanekempihavanana teo amoron’ny rano na teo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo ary tao amin’ny tempoly.”2

Ny Sorompanavotan’i Kristy dia sady manerana izao tontolo izao no manokana. Toy izany koa ny fampahatsiahivana Azy. Noho izany, ankoatra ireo ôrdônansy mitovy atolotra ho an’ny rehetra, dia manome antsika fampahatsiahivana samihafa sy manokana momba Azy Izy. Ohatra, ny tanimanga tsotra na ny fotaka dia mety tsy hahatonga olona maro hahatsiaro an’i Jesoa na hitombo fihetseham-po sy fankasitrahana Azy. Na izany aza, ilay lehilahy izay nahiratra ny masony rehefa nohosoran’i Jesoa tamin’ny tanimanga ny masony, dia azo inoana fa nahatsiaro tamim-pitiavana an’i Jesoa isaky ny nijery tanimanga izy—fotaka! (jereo ny Jaona 9:6–7). Azo inoana koa fa i Namàna dia tsy afaka nijery renirano, indrindra fa i Jordana, nefa tsy nieritreritra ny Tompo izay nanasitrana azy tao (jereo ny 2 Mpanjaka 5:1–15). Ny tsirairay amintsika dia nomena fampahatsiahivana manokana iray na maromaro momba an’i Kristy. Jereo izy ireny ary tsarovy Izy.

Fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy

Ny rakitsoratra sy ny tantara dia zavatra fanampiny nataon’ny Tompo mba hiomanana hanampiana antsika hankatò ny didiny izay mila tsaroana. Ireo soratra masina—ny rakitsoratry ny fifandraisan’ Andriamanitra tamin’ireo zanany—dia miresaka matetika momba ny hoe mijoro ho vavolombelona, … na ny “fijoroana ho vavolombelona,” momba Azy (jereo ny 2 Korintiana 8:3; 1 Jaona 5:7; 1 Nefia 10:10; 12:7; Fotopampianarana ary Fanekempihavanana 109:31; 112:4).

Ny rakitsoratra masina, anisan’izany ny diarin’ny tena manokana, dia manampy antsika hijoro ho vavolombelona. Ny fotoana lalina iarahana amin’ny Fanahy dia fanomezana izay, amin’izao fotoana izao, dia inoantsika fa tsy hohadinointsika na oviana na oviana. Saingy ny toetry ny fanadinoantsika dia mahatonga ny fientanam-pon’ny traikefa lalina indrindra ho levona rehefa mandeha ny fotoana. Ny zavatra soratana ao amin’ny diary, na sary, na rakitsoratra dia afaka manampy antsika tsy hahatsiaro ireo fotoana lalina fotsiny fa hamerina ny fihetseham-po sy ny Fanahy tsapantsika ihany koa. Tsy mahagaga noho izany raha ny didy voalohany taorian’ny nananganana ny Fiangonana tamin’ity fotoampitantanana ity dia ny hoe: “Hisy rakitsoratra hotanana eo anivonareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1). Ny rakitsoratra voatahiry tsara dia mampitombo ny fitadidiantsika ary afaka mandresy lahatra antsika ny amin’ny hadisoantsika ary mitondra antsika ho eo amin’ Andriamanitra (jereo ny Almà 37:8).

Farany, mazava ho azy fa afaka mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana isika satria nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana avy amin’ny Fanahy Masina, izay “ny tenivavolombelon’ny lanitra” (Mosesy 6:61). Amin’izany anjara asa izany, ny Fanahy Masina dia mirakitra ny fahamarinana ao amin’ireo “vato fisaka nofo, dia ny fo[ntsika]” (2 Korintiana 3:3). Manampy antsika hahatsiaro an’i Kristy sy izay rehetra nampianariny antsika Izy (jereo ny Jaona 14:26).

Hita ao amin’ny Môrônia 10:3–5 ny fifandraisana misy eo amin’i Jesoa, ny rakitsoratra, ny Fanahy Masina ary ny fahatsiarovana. Nampanantenaina isika fa raha toa isika ka mamaky ny Bokin’i Môrmôna, izay rakitsoratra masina, amin’ny fanahin’ny fahatsiarovana ary mangataka amin’ Andriamanitra amin’ny anaran’i Kristy amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana sy finoana an’i Kristy, ny Fanahy Masina dia haneho amintsika ny fahamarinan’ilay rakitsoratra. Ary raha marina io firaketana manokana io, dia i Jesoa no Kristy.

Novangian’ny anjely iray i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià

Nitsangana i Almà, nataon’i Walter Rane

Mahatsiarova mba ho voaavotra

Ny fahatsiarovana an’i Jesoa dia mitondra ho amin’ny fanavotana sy ny famonjena. Diniho ny anjara asan’ny fahatsiarovana teo amin’ny fanavotana an’i Almà Zanany. Rehefa niseho tamin’i Almà ilay anjely dia nanome ny didy ho an’i Almà mba “tsy hikatsaka ny handrava ny fiangonana intsony” izy. Saingy talohan’ny namoahany izany didy izany dia nanambara ilay anjely hoe: “Tsarovy ny fahababoan’ny razanao … ary tsarovy ny mahalehibe ny zavatra efa nataon[’i Kristy] ho azy; fa tao amiin’ny famatorana izy, ary Izy … nanafaka azy” (Môsià 27:16; nampiana fanamafisana).

Ny baikon’ilay anjely mba hahatsiarovana dia tsy toromarika feno fahendrena fotsiny izay misy fampiharana malalaka. Ho an’i Almà dia famantarana manokana izany, torohevitra feno fitiavana, ny amin’ny fomba ahafahany mivelona amin’ilay traikefa saika nahafaty izay efa ho nianjady taminy.

Roapolo taona teo ho eo taty aoriana, dia nizara tamin’i Helamàna zanany lahy i Almà, tamin’ny an-tsipiriany mahatalanjona, ny zavatra niainany rehefa nalemy sy tsy nahateny nandritra ny telo andro, “nibebaka saika hatrany amin’ny fahafatesana” (Môsià 27:28). Rehefa lasa ilay anjely, dia nahatsiaro i Almà, dia azo antoka fa ny fahotany ihany no tsaroany.

“Nampijalian’ny fijaliana mandrakizay aho,” hoy i Almà nahatsiaro. “… Eny, nahatsiaro ny fahotako sy ny heloko rehetra aho, izay nampijaly ahy tamin’ny fanaintainan’ny helo” (Almà 36:12–13). Ilay fieritreretana ny hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra dia nameno “horohoro tsy hay lazaina” an’i Almà, hany ka nieritreritra ny handositra izy, tsy tamin’ny fahafatesana fotsiny, fa mba ho “fongana na fanahy na vatana” (Almà 36:14–15).

Eto isika dia tokony hiato kely ary hahatakatra: Tsy nandoa sazy telo andro nahatsiravina fotsiny i Almà izay efa voafaritra mialoha ho vokatry ny fahotany. Tsia, teo amin’ny fiandohan’ny farany izy—ny telo andro voalohany—tamin’ ny naha “voahodidin’ny gadra maharitra mandrakizain’ ny fahafatesana” azy (Almà 36:18; nampiana fanamafisana).

Azo antoka fa ho nijanona tao anatin’izany toe-javatra mahatsiravina izany mihoatra ny telo andro izy—mandritra ny fotoana tsy voafetra—raha tsy noho ny, soa ihany, fa notsaroany, avy tamina toerana iray, fa naminany ny rainy momba ny “fiavian’izany Jesoa Kristy izany, izay Zanak’ Andriamanitra mba hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao.” Avy eo izy nilaza hoe:

“Ankehitriny, raha nifantoka tamin’ izany eritreritra izany ny saiko, dia nihiaka tao am-poko aho hoe: Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’ Andriamanitra, mamindra fo amiko, izay ao anatin’ny ngidin’ny afero sy voahodidin’ny gadra maharitra mandrakizain’ny fahafatesana.

“Ary ankehitriny, indro, nony nieritreritra izany aho, dia tsy nety nahatsiaro intsony ny fanaintainako; eny, tsy norotidrotehan’ny fahatsiarovana ny fahotako intsony aho” (Almà 36:17–19).

Nanaraka ny didin’ilay anjely mba hahatsiaro i Almà. Nahatsiaro an’i Jesoa izy. Ary tahaka ny nanafahan’i Jesoa ireo razamben’i Almà tamin’ny fahababoana no nanafahany an’i Almà tamin’ny azy.

Endrey ny famindram-po sy ny fanafahana mahery! Tena fiovam-po sy saina mahatalanjona izany! I Almà, izay fotoana fohy talohan’izay dia nieritreritra ny handositra ny fanatrehan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahafonganana, dia nahita an’ Andriamanitra sy ireo anjeliny masina ankehitriny ary “naniry ny hankeo” (Almà 36:22).

Izany fiovana tamin’ny fomba mahagaga izany dia vokatry ny fahatsiarovana tsotra. Ny zavatra niainan’i Almà dia manome dikany ara-bakiteny ireo teny farany tao amin’ny toriteny farany nataon’ny Mpanjaka Benjamina: “Ary ankehitriny, Rey olona ô, tsarovy, ary aoka tsy ho faty” (Môsià 4:30).

Mahatsiaro antsika Izy

Rehefa miezaka ny hahatsiaro an’i Jesoa mandrakariva isika, dia zava-dehibe ny mitazona ao an-tsaina fa mahatsiaro antsika mandrakariva Izy. Efa vitany tombo-kavatsa eo am-pelatanany isika (jereo ny Isaia 49:16). Eritrereto anie izany—I Jesoa tsara fanahy dia tsy hanadino antsika, kanefa dia manadino mora foana sy an-tsitrapo ny fahotantsika izay nandratra Azy tokoa.

Mendrika ny hotsaroana izany.

Fanamarihana

  1. Seigneur, mon Dieu,” Cantiques, lah. 44

  2. The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball (1982), 112.