“Ny halemem-panahin’ilay vehivavy Kananita,” Liahona, sept. 2023.
Ireo fahagagana nataon’i Jesoa
Ny halemem-panahin’ilay vehivavy Kananita
Inona no anjara asan’ny finoana sy ny fahalemem-panahy amin’ny fikatsahana ireo fahagagana ilaintsika?
Eo anivon’ireo fifaneraserana tsy maintsy nataon’i Jesoa Kristy taman’olona nandritra ny asa fanompoana nataony teto an-tany dia misy iray izay mora dinganina noho izy fohy sy diso ny fahatakarana azy indraindray: ilay vehivavy Kananita voalaza ao amin’ny Matio 15:21–28;
Rehefa misy fanampim-panazavana kely anefa dia afaka mianatra fahamarinana kanto momba ny faharetana sy ny fangorahana nananan’i Jesoa Kristy isika rehefa lasa mahalala ity vehivavy faka tahaka amin’ny finoana sy fahalemem-panahy izay voatonona mahalana ity.
Ilay fanazavana
Mianatra isika ao amin’ny Matio 14 fa ny Mpamonjy dia nahafantatra ny fahafatesan’i Jaona Mpanao Batisa izay notapahan-doha noho ny fangatahan’i Herodiasy. Raha nandre ny nahafatesan’ilay zana-drahavavin-dreniny i Jesoa dia niezaka nihataka Izy ka niondrana an-tsambokely “hitokana any an-tany foana” mba hisaona angamba, saingy nanao dia an-tongotra nanaraka Azy ny vahoaka sesehena (jereo ny Matio 14:13). Tamim-panehoana fangorahana lehibe no nandanian’i Kristy iray andro maninjitra niaraka tamin’ny vahoaka ka nanaovany mihitsy ny iray amin’ireo fahagagana lehibe, dia ny famahanana vahoaka aman’arivony tamin’ny alalana mofo dimy sy hazandrano roa (jereo ny Matio 14:15–21).
Tamin’io alina io ny Mpamonjy no nanao ny fahagagana lehibe faharoa. Nankeny an-tendrombohitra, nitokana tsy niaraka tamin’ireo mpianany, mba hivavaka. Niondrana an-tsambo ireo mpianany, ka rehefa teny afovoan’ny ranomasin’i Galilia, dia natopatopan’ny onja sy ny rivotra. “Ary … nakeny amin’[izy ireo i] Jesoa, nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina,” ka nahatonga ireo mpianany hiteny hoe: “Zanak’ Andriamanitra tokoa Ianao.” (Jereo ny Matio 14:23–25, 33.)
Avy dia nandeha nianavaratra niala an’i Galilia i Jesoa nankany amin’ny morontsirak’i Tyro sy i Sidona, izay Lebanona ankehitriny. Azo antoka fa nitady “fitsaharana, fitokana-monina, na fahafahana mety [Izy] mba hampianarana ireo Roambinifololahy” izay efa nandao Azy.1 Tamin’izay dia nisy “vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida o! Ny zanako-vavy ampahorin’ny demonia loatra” (Matio 15:22).
Ilay vehivavy Kananita
Nahatalanjona ny nanatonan’ilay vehivavy an’i Jesoa tamin’ny fomba rehetra. Kananita izy, “nateraka mpanompo sampy,” Kananita izay “noverezin-jo manokana tamin’ireo Jiosy.”2 Kanefa ny finoany ny herin’i Jesoa Kristy sy ny fitiavany ny zananiavy dia nanosika azy nitalaho ny Mpamonjy mba hanampy azy. Nanazava ny Loholona James E. Talmage (1862–1933) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa: “Ny fiantsoany an’i Jesoa ho Zanak’i Davida dia maneho ny finoany fa Izy no Mesia an’i Isiraely.”3
Na dia kely monja aza ny fantatsika momba ity reny Jentlisa ity dia azontsika fintinina fa ny finoany dia sahala ny an’ireo vehivavy voalaza ao amin’ny Testamenta Vaovao. Tahaka ilay vehivavy “narary nandeha rà” (Marka 5:25), i Maria sy i Marta tany Betania ary i Maria Magdalena, ilay vehivavy Kananita koa dia nametraka ny fitokiany manontolo tamin’ny Mpamonjy. Nanana fahatakarana niorim-paka sy azo antoka ny amin’ny momba Azy izy.
Tsy namaly azy i Jesoa tamin’ny voalohany. Namporisika Azy ireo mpianany mba handroaka azy noho izy nanelingelina azy ireo ary hitan’izy ireo fa nanelingelina Azy Koa izy kanefa Izy nitady ny fahatoniana.4
Namaly i Jesoa nony farany. Nohazavainy ny anton’ny fahanginany teo aloha Izy ka nilaza hoe: “Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’isiraely” (Matio 15:24).
Vao mainka ilay tenin’ny Mpamonjy nahatonga fahatalanjonana hoe io vehivavy Jentilisa io dia tonga nitady tsodrano ho an’ny zananivavy. Tsy vehivavy Isiraelita izy kanefa fantany ihany hoe i Jesoa Kristy no ilay Mesia, Mpanjaka. Ka na dia nataony nazava tsara aza hoe ny hamonjy ny Jiosy tao Isiraely no nanirahana Azy dia nanam-pinoana ilay vehivavy fa hanasitrana ny zananivavy Izy. Tamin-kalemem-panahy no niantorahany teo an-tongony ho fanehoam-panajana ny amin’ny maha-mpanjaka Azy sy ny heriny (jereo ny Marka 7:25), “[niankohofany] teo anatrehany” ary niangaviany indray hoe: “Tompoko o, vonjeo aho” (Matio 15:25).
Halemem-panahy sy fahagagana
Tamina valin-teny izay toa masiaka amin’ireo mpianatra ankehitriny, no namalian’i Jesoa hoe: “Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely” (Matio 15:26). Nohazavain’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly fa ao amin’io fifanahafana io, ny Jiosy no “zaza” ary ny Jentilisa no “amboa”.
Raha lazaina amin’ny teny hafa dia ny Jiosy no iadidin’i Kristy voalohany indrindra. Ny mamahana, na manome azy ireo ny filazantsara aloha, no andraikiny vao mamahana na mampianatra ny sisa tavela amin’izao tontolo izao avy eo. Nanazava ny Loholona Talmage hoe: “Ny teny, na dia masiaka toa inona aza ny fandrenesantsika azy, dia taka[tr’ilay vehivavy Kananita] tamin’ny fomba tian’ny Tompo hiaviana. … Azo antoka fa tsy tafintohina ilay vehivavy nanoloana ilay fampitahana.”5
Dia mbola manohina hatrany ny fo sy mahasondriana ary malemy paika ny valin-tenin’ity vehivavy tsara ity : “Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany” (Matio 15:27).
Tsy nisy nahasakana ity vehivavy vontom-pinoana ity. Naleony nifidy ny finoana toy izay ny ho tafintohina. Fanehoam-panantenana ny amin’ny fahazoana na dia ny sombintsombiny aza ny valin-teniny. Finoana mahatalanjona ny mino fa ny sombintsombiny avy eo an-databatry ny Mpamonjy dia ampy handresena izay namparary ny zananivavy. Maneho fanetrentena sy fahalemem-panahy ny valin-tenin’ity vehivavy mahatoky ity.
Nohazavain’ny Loholona David A. Bednar fa ny halemem-panahy dia “matanjaka fa tsy osa, mandray andraikitra fa tsy miandry baiko; sahy fa tsy saron-kenatra.”6 Marina tokoa fa ilay vehivavy avy any Kanàna dia natanjaka sy nandray andraikitra ary sahy tamin’ny fanambarana ny finoany fa ampy ho azy na dia ny sombiny monja avy amin’ny herin’ny Mpamonjy.
Nony farany dia novalian’i Jesoa Kristy tamina valin-teny mankahery sy fandre hoe: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao.” Io fanehoana io fa hoe sarobidy Aminy sy ekeny ny tsirairay avy amintsika eo amin’ny diantsika mankany Aminy dia narahina raki-tsoratra masina izay nanome antoka fa “sitrana ny zananivavy tamin’izay ora izay” (Matio 15:28).
Inona no azontsika ianarana?
Nanao fanamarihana ny Loholona Talmage hoe: “Ny fikirizana mendri-piderana nasehon’ilay vehivavy dia nifototra tamin’ilay finona izay mandresy ireo sakana mibaribary sy maharitra na dia eo anatrehan’ny fahakiviana aza.”7
Izany karazana finoana maharitra an’i Jesoa Kristy izany mihitsy no nananaran’ny Filoha Russell M. Nelson malalantsika mba hananantsika: “Ny finoana an’i Jesoa Kristy no hery lehibe indrindra omena antsika eto amin’ity fiainana ity. Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.”8
Izaho dia mankalaza ilay vehivavy avy any Kanàna izay natanjaka, nandray andraikitra sy sahy ary be fikirizana tamin’ny fanehoana ny finoany an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy sy Mesia ary Mpanjaka. Izy no ohatra avy ao amin’ny Testamenta Vaovao momba ny finoana sy halemem-panahy takina amin’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra. ‘Ndeha ataontsika tsy hisy hasaka antsika amin’ny fikatsahana amim-paharetana io karazana finoana io amin’ilay ““Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy” (Hebrews 9:11).