2023
Ahoana no hanatsorako ny fiainako mba hifantoka amin’i Kristy?
Septambra 2023


“Ahoana no hanatsorako ny fiainako mba hifantoka amin’i Kristy?” Liahona, Sept. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

2 Koritiana 8–13

Ahoana no hanatsorako ny fiainako mba hifantoka amin’i Kristy?

Sary
Nijery ny olona nomena sakafo i Jesoa

They Were All Filled (dia voky avokoa izy rehetra), nataon’i Walter Rane; sarina lopy avy amin’ny Getty Images

Mampianatra antsika hifantoka amin’ny “fahadiovana amin’i Kristy” ny Apôstôly Paoly (2 Korintiana 11:3).

Moa ve ianao mahita ny tenanao manao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho sarotra kokoa noho ny tokony ho izy? Indraindray isika dia mifantoka be loatra amin’ny fisehoana ivelany na ny antsipirian-javatra madinidinika ka manomboka mahatsiaro ho tototra.

Tsory ny fomba fiasanao

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manome izao sosokevitra izao: “Raha toa ka mieritreritra ianao fa tsy mandaitra loatra aminao ity filazantsara ity dia manasa anao aho mba hiato kely, hanombatombanana ny fiainanao amin’ny fijery avo avy eny amin’ny fiaramanidina ary hanatsotra ny fanamoranao ny hoe maha-mpianatra. Mifantoha amin’ireo fotopampianarana, fitsipika ary fampiharana fototry ny filazantsara. Mampanantena anao aho fa hitarika sy hitahy anao eo amin’ilay lalana izoranao hahatongavana any amin’ilay fiainana feno fahombiazana Andriamanitra, ary hitondra soa ho anao tokoa ny filazantsara” (“Mitondra soa izany!,” Liahona, nôv. 2015, 22).

Inona no fotopampianarana fototra, fitsipika, na fampiharana ny filazantsara izay azonao hifantohana amin’ity herinandro ity?

Hamoaka printy