“Ahoana no hampiraisantsika hina bebe kokoa ny mpiangona ao amintsika?” Liahona, Sept. 2023, 44.
Avia, hanaraka Ahy
Ahoana no hampiraisantsika hina bebe kokoa ny mpiangona ao amintsika?
Ren’i Paoly fa nisy fisaratsarahana teo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny tanànan’i Korinto (jereo ny 1 Korintiana 11:18). Ho setrin’izany, dia nitalaho tamin’izy ireo tao amin’ny taratasy iray izy “mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny tena [ny Fiangonana], fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra” (1 Korintiana 12:25).
Afaka mampiseho izany “[m]ifampiahy” izany isika amin’ny alalan’ny fitiavana sy fiantrana tsy misy fitiavan-tena. Niresaka fomba maromaro azontsika anaovana izany i Paoly mba hahatonga ny fifandraisantsika hisy firaisan-kina kokoa.
Miaraha mifaly ary miaraha malahelo amin’ny hafa.
“Raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena”(1 Korintiana 12:26).
Manaova asa fanompoana tsy misy fitiavan-tena.
“Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany” [ao amin’ny 1 Korintiana 10:24, ]).
Hampiray ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Mpamonjy.
“Dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo [Kristy] iray izany avokoa” (1 Korintiana 10:17).
Tiavo ny olon-drehetra.
“Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’ Andriamanitra” (1 Korintiana 10:32).