“Ireo epistily nosoratan’i Paoly Apôstôly, Tapany 2,” Liahona, sept. 2023.
Avia, hanaraka Ahy
Ireo epistily nosoratan’i Paoly Apôstôly
Tapany 2
Efesiana
-
Ho an’ireo mpikambana any Efesosy (tanàna iray any Tiorkia ankehitriny)
-
Nosoratana tany Roma nanodidina ny 60–62 AD
-
Tanjona: Hampianatra ireo vao niova fo, hampiroboroboana ny firaisan-kina sy hamporisihana ireo Olomasina haharitra manoloana ny faharatsiana
-
Fampianarana fototra: Ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana, fanavotana amin’ny alalan’ny fahasoavana, fananganana ny Fiangonana sy ny tanjony ary ny fandaminana ao amin’ny fiainam-pianakaviana
Filipiana
-
Ho an’ireo mpikambana any Filipo (tanàna iray any Gresy ankehitriny)
-
Nosoratana tany Roma nanodidina ny 60–62 AD
-
Tanjona: Hidera ireo Olomsina noho ny finoan’izy ireo sy ny fahafoizan-tenany ary hampitandremana azy ireo amin’ireo Kristiana sadasada.
-
Fampianarana fototra: Ireo fitsipiky ny fiainana amim-pahamarinana, fitodihana any amin’i Kristy ho fanavotana ary fahafoizan-tena ho an’ny filazantsara
Kolosiana
-
Ho an’ireo mpikambana any Kolosia (tanàna iray any Tiorkia ankehitriny)
-
Nosoratana tany Roma nanodidina ny 60–62 AD
-
Tanjona: Hampitandrina amin’ny avonavona sy hanamafisana fa ny fanavotana dia tonga amin’ny alalan’i Kristy
-
Fampianarana fototra: Ny toetran’i Kristy, fanorenana fototra eo Aminy ary ny fampivelarana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy
1 Tesaloniana
-
Ho an’ireo mpikambana any Tesalonika (tanàna iray any Gresy ankehitriny)
-
Nosoratana tany Korinto (tanàna iray any Gresy ankehitriny) nanodidina ny 50–51 AD
-
Tanjona: Hanome fampaherezana sy valiny ho an’ireo fanontaniana momba ny Fiaviana Fanindroany
-
Fampianarana fototra: Mifankatia, ny Fitsanganana amin’ny maty ary ny Fiaviana Fanindroany
2 Tesaloniana
-
Ho an’ireo mpikambana any Tesalonika (tanàna iray any Gresy ankehitriny)
-
Nosoratana tany Korinto (tanàna iray any Gresy ankehitriny) nanodidina ny 50–51 AD
-
Tanjona: Hanamafy orina finoana sy hanazava ireo tsy fifankazahoan-kevitra momba ny Fiaviana Fanindroany
-
Fampianarana fototra: Ny fiafaran’ny olo-marina, ny Apôstazia lehibe ary ny maha-zava-dehibe ny fanaovana asa hoenti-manome ireo filàna ara-batana