“Mandray sy manolotra fiaraha-miory,” Liahona, Sept. 2023.
Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony
Mandray sy manolotra fiaraha-miory
Ny ohatra tonga lafatra nasehon’ny Mpamonjy dia mampianatra antsika ny herin’ny fanolorana fiaraha-miory mba hitahiana ny hafa.
Inona no azonao rehefa manambatra fiaramanidina kely miaraka amin’ny reny tototra sy zazalahy kely mora tezitra ianao? Toe-javatra tena mahasosotra. Avy tamin’ny seza vitsivitsy aty aoriana aho no nijery ny zava-nitranga. Toy izao ny fizotran’izany:
Zazalahy: noana aho!
Neny: Eny, andeha hojerentsika ny ao anatin’ny poketrako dia ho hitantsika eo hoe inona no ananako.
Zazalahy: nonnnnn!
Neny: Fa angaha ianao tsy noana?
Zazalahy: omeo ahy iny!
Neny: Inona no omeko anao?
Zazalahy: Iny!
Neny: Ry mamiko, tsy afaka homeko anao ny rojoko.
Zazalahy: iny no ilaiko!
Azonareo an-tsaina izany. Tao anatin’ny 20 minitra manaraka dia nampiasa tetika isan-karazany ilay renim-pianakaviana mba hampitony azy: fanambatambazana, nataony variana, vazivazy, eny hatramin’ny fandrahonana malefaka iray na roa aza. Tsy nahomby avokoa izany rehetra izany. “Sidina vetivety monja io”, hoy aho nampahatsiahy ny tenako. “Tsy haninona izy.”
“Saingy mbola sahirana foana izy.” Nitombo ny adin-tsainy, ary nanomboka namaoka ny ranomaso teo amin’ny sisin’ny masony izy. Na dia tsy nahafantatra azy aza aho dia nahatsapa ho voasarika hanampy azy. Nanomboka nivavaka ho azy ireo tsirairay aho.
Tsy izaho irery no mpandeha voahelingelin’ilay tranga. Rehefa tady tsy ho zakany intsony ny fahatsapany ho tototra, dia nisy mpandeha hafa tonga nanampy azy. Vehivavy iray izay efa lehibe lavitra noho izy, nipetraka teo ampitan’ny lalantsara. Naneho hatsaram-panahy izy, dia nitodika tany amin’ilay reny tanora, niteny mangina teny mampahery sady nandray ny tanany. Izay ilay izy! Ary izay dia ampy.
Ireo vehivavy roa ireo dia nifampitantana namaky ny lalantsara nandritra ny sidina sisa tavela. Na dia nanohy nitabataba mafy aza ilay zazalahy kely, dia naneho fahatoniana ny reniny. Fahagagana ilay izy.
Fiaraha-miory sy fangoraham-po: Toetra roa amin’ny maha-mpianatra
Amin’ny voambolantsika maoderina, io fahagagana io dia manana anarana: fiaraha-miory. Ny fiaraha-miory, raha faritana, dia fihetsika feno fitsinjovana amin’ny fiainana mivantana ny eritreritry ny olona iray, ny fihetseham-pony na ny zavatra niainany. Ny fiaraha-miory dia teny maoderina; tsy ho hitanao na aiza na aiza ao amin’ny soratra masina izany. Nomarihin’ireo mpandalina momba ny fiteny anefa fa mifandray akaiky amin’ny fangorahana ny fiaraha-miory. Ary amin’ny maha teny ao amin’ny soratra masina azy, dia be dia be ny fangorahana.
Ny fiaraha-miory dia ny fahafahana miaina ny fanaintainan’ny olona iray, ary ny fangorahana dia ny asa fiantrana izay miainga avy amin’izany fahafahana izany. Naneho fiaraha-miory sy fangorahana i Jesoa Kristy rehefa nanompo, nitahy, nanasitrana, ary nanao ny sorompanavotana. Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika, dia tsy maintsy miaina fiaraha-miory sy maneho fangorahana isika. Anisan’ny mampiavaka ny maha-mpianatra ireo.
Rehefa manao ny fahagagana lehibe indrindra ny fiaraha-miory, dia manampy antsika hahatakatra ary avy eo hamaly ny fanaintainana, ny filana, ny tahotra, na ny alahelon’ny olona iray hafa izany. Amin’ny trangan’ilay reny tanora iray, ny vehivavy zokiolona iray izay azo inoana fa nanana traikefa nandritra ny am-polony taona maro tamin’ny fikarakarana ny zanaka sy ny zafikely dia afaka nanome fampiononana satria efa niaritra fahasahiranana mitovy amin’izany ny tenany. Noho ny traikefany manokana, dia nahafeno ny fepetra ho mpampionona izy.
Inona no ananan’i Jesoa Kristy mahatonga Azy mahafeno fepetra entina hampionona antsika? Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe: “Fantatr’i Jesoa ny fomba hanampiana antsika eo anivon’ny alahelontsika sy ny aretintsika satria i Jesoa dia efa nitondra ny alahelontsika sy ny aretintsika [jereo ny Almà 7:11 –12]. Niainany mivantana ireny; noho izany dia tambin’ny traikefany ny fiaraha-miory atolony.”1
Mandray fiaraha-miory sy manampy ny hafa
Inona avy ireo fahasahiranana niaretanao ka “nahazoanao” fahafahana hiombom-pihetseham-po amin’ny hafa ka haneho fangorahana azy ireo? Moa ve ianao nizaka ny vokatry ny fahantrana, ny fanararaotana, ny tsy fahalalana, ny aretina, ny tsy firaharahiana, ny fahotana, na ny tsy fahaizana manao zavatra iray na inona izany na inona? Raha efa ianao, dia azo inoana fa nivoaka avy tamin’ny fijalianao ianao ka lasa olon-kendry, matanjaka kokoa ary mitsinjo ny hafa kokoa.
Raha fintinina dia nandray fahaizana miara-miory ianao. Vonona ny hanova ny fiainan’ireo izay mijaly ianao. Aiza no hanombohana? Manana sosokevitra roa aho:
Voalohany, miezaha hahatakatra bebe kokoa ny fijalian’ny hafa. Mampalahelo fa azo atao ny miaraka amin’ny olona mijaly nefa tsy mahatsiaro ny fijaliany. Ahoana no ahafahantsika hanana fahatakarana bebe kokoa? Afaka mampianatra antsika ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy.
Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty, rehefa namangy ny Nefita i Jesoa dia nohazavainy ny fotopampianarany ary nampianariny azy ireo ny filazantsarany. Rehefa niato Izy dia nijery ny olona ka niteny hoe: “Takatro fa osa ianareo ka tsyafaka ny hahatakatra ny teniko rehetra” (3 Nefia 17:2). Avy eo i Jesoa dia nanasa azy ireo hody, hiala sasatra, hisaintsaina ny fampianarany, ary hiverina indray ny ampitso ho velombelona sy ho vonona ny handray bebe kokoa (jereo ny 3 Nefia 17:3).
Faran’ny tantara, sa tsy izany? Tsia. Nihalalina ny fahatakaran’i Jesoa avy eo rehefa nandinika ny endrik’ireo mpanara-dia azy Izy:
“Ary ny zava-nitranga, nony efa niteny toy izany i Jesoa, dia nanopy ny masony manodidina indray tany amin’ny valalabemandry Izy, ary nahatazana azy tao amin’ny ranomaso ary ny fijeriny dia nifantoka Taminy miova tsy ny te hangataka Azy mba hijanona maharitraritra miaraka aminy.
“Ary hoy Izy taminy: Indro, ny kiboko dia feno fangorahana aminareo”(3 Nefia 17:5–6). Rehefa nibanjina azy ireo tamim-piniavana bebe kokoa Izy dia nahita azy ireo tsaratsara kokoa. Ary izany no nahatonga ny famaliany feno fangorahana.
Ao amin’ny tontolo lavo izay feno olona lavo, dia tsy mila mijery mafy loatra isika vao mahita ranomaso eo amin’ny mason’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra. Mila mijery anefa isika. Tahaka ny Mpamonjy dia afaka misafidy ny hijery ny olona amin’ny alalan’ny filàn’izy ireo isika. Ary rehefa afaka mahita isika dia afaka manompo.
Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanamarika fa “rehefa miezaka amin-kitsim-po isika ny hanana toetra mangoraka eo amin’ny fomba fiainantsika, araka ny nasehon’ny Mpamonjy, dia ho lasa mahatsapa kokoa ny filan’ny olona. Noho izany fahatsapana mitombo izany dia hisy fiantraikany eo amin’ny zavatra rehetra ataontsika ny fahalinana marina amin’ny manjo ny hafa sy ny fitiavana.”2
Faharoa, atolory ny karazana fanampiana izay ianao irery ihany no mendrika ny hanome azy. Rehefa hitan’i Jesoa ny zavatra nilain’ny Nefita tao Soafeno dia niantso azy ireo hanatona akaiky kokoa Izy. Nanasitrana ny mararin’izy ireo Izy avy eo ary nitso-drano ny zanany. Nanao zavatra izay afaka hataon’ny Mpamonjy izao tontolo izao irery ihany Izy.
Izaho sy ianao dia afaka mampifanaraka ny traikefantsika sy ny fahaiza-manaontsika mba hanomezana izay ilain’ny hafa. Tsy afaka mamaha ny olan’ny olona tsirairay isika, saingy afaka manainga kosa ny enta-mavesatry ny olona izay mandalo fahoriana mitovitovy amin’izay nosedraintsika. Mety tsy hahasitrana boka isika, nefa afaka mampionona ny marary. Mety tsy ho afaka hanarina olona iray hiala amin’ny fahantrana isika, kanefa afaka mizara ireo fitsipiky ny fiainana feno fitsitsiana, mizara sakafo ary manolotra fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin’ny fomba malala-tanana kokoa. Mety tsy ho afaka hamela ny ota isika, kanefa afaka mamela ireo izay nanafintohina antsika.
Mampihatra ny fiaraha-miory
Inona no azonao rehefa manambatra fiaramanidina kely miaraka amin’ny reny tototra sy zazalahy kely mora tezitra ianao? Fahafahana hanehoana fiaraha-miory sy fangorahana.
Nidina ny fiaramanidinay ary lasa ilay renim-pianakaviana tanora, nitondra kitapo teo amin’ny sandriny iray, ary zazalahy kely teo amin’ny iray hafa. Kay nanana sidina iray hafa teo alohany izy ary saika tsy nahatratra izany. Nijery azy nikoropaka teo amin’ilay lalana aho rehefa nivoaka ny entany. Nanao tombantombana ny entany aho : fanosehan-jaza, sezan-jaza fatao anaty fiara, valizy, entana, kitapo misy couche. Nila fanampiana izy. Nila tonga fangorahana ny fahatsapana fiaraha-miory tao anatiko.
Tsy nijanona mba hampahafantatra ny tenako aho fa avy hatrany dia noraisiko ny entany maro ary hoy aho hoe: “Hoentiko ireto. Ianao mitondra azy. Mihazakazaha mankany amin’ny vavahadinao. Hanaraka anao aho.” Nanaiky tamim-pankasitrahana izy, ary nihazakazaka namakivaky ny seranam-piaramanidina izahay. Rehefa nanakaiky ny vavahady izahay, dia nahita vehivavy iray hafa nitalaho tamin’ilay mpiasan’ny zotram-piaramanidina aho mba hihazona ilay fiaramanidina amin’ny tany mandritra ny minitra vitsy monja. Vizana izahay nony tonga saingy tonga ara-potoana. Nifamihina tamin-dranomasom-pifaliana sy fahamaivanana ilay renim-pianakaviana tanora sy ity vehivavy ity talohan’ny nidirany.
Io asa fanompoana kely io dia tsy nanova izao tontolo izao, fa nitondra fitahiana lehibe ho an’ny fiainan’ny zanak’ Andriamanitra iray izay sahirana. Toy ny nanampiany ilay namako vaovao handroso mankany amin’ny toerana halehany ara-batana, dia nanampy ahy handroso ho amin’ny toerana alehako ara-panahy koa izany. Ny fisafidianana ny fiaraha-miory sy ny fangorahana dia nanampy ahy ho lasa mitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy. Ary nahafaly ahy izany.
Na aiza na aiza misy antsika—any am-piasana na any am-pianarana, na any am-piangonana na any anaty fiaramanidina—dia afaka ny ho solontenan’ny Mpamonjy isika. Iza no tian’ny Mpamonjy hanehoanao fangorahana ankehitriny?