Fiadidian’ny tsatòka
Ny drafitra faobe dia manohana ny fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra


“Ny drafitra faobe dia manohana ny fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana (2022)

“Ny drafitra faobe dia manohana ny fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana

Sary
fianakaviana any am-piangonana

Ny drafitra faobe dia manohana ny fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra

Ny fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia manampy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana hampifantoka ny ezaka amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviana sy ny mpikambana ary ny rantsana. Izany dia miresaka zavatra manokana izay iarahan’ny mpitarika miara-miasa amin’ny fomba miray hina mba hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.

Ny fanaovana drafitra faobe maharitra momba ny trano fiangonana dia manohana ny fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra mba hampatanjaka ny fianakaviana sy ny mpikambana ary ny rantsana amin’ny alalan’ny fanomezana trano fiangonana amin’ny fomba tsotra sy mora amin’ny fampiasana ireo loharanom-pitaovana amim-pahendrena, amin’ny fandinihana ny fiantraikan’ny fanapahan-kevitra momba ny trano fiangonana eo amin’ny fanamafisana orina ny mpikamban’ny Fiangonana, ary ny fanomezana toerana mifanaraka amin’ny toe-javatra eo an-toerana. Izany dia hamafisina ao amin’ny toromarika ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany :

Manome trano fiangonana ny Fiangonana mba hahafahan’ireo rehetra izay miditra ao:

Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 35.1, ChurchofJesusChrist.org

“Mba hanamafisana orina ny Fiangonana dia manomana drafitra faobe sady lavitr’ezaka ireo vondromparitra alohan’ny hanapahana hevitra mikasika ny fanampiana na ny fanovana ny trano fiangonana. … Ny singa manan-danja ao anatin’ireo drafitra ireo dia ahitana ny fampiasana ny toerana efa misy, ny fanombantombanana ny fitomboana, ny paikady momba ny toerana hametrahana an’ireo trano, ny fanovana ny faritry ny rantsana ary ny hoe mifanaraka amin’ny enti-manana. Ireo filana sy drafitra momba ny trano fiangonana dia dinihina eny anivon’ny vondromparitra sy ny filankevitra enti-mandrindra” (“Principles and Guidelines for Providing Meetinghouses (Fitsipika sy torolalana momba ny fanomezana trano fiangonana)” [navoaka niaraka tamin’ny taratasin’ny Episkôpà Mpiahy, 5 jona 2015], 2–3).

Hamoaka printy