Fiadidian’ny tsatòka
6. Mandefasa tolo-kevitra momba ny fanovana rantsana sy sisin-tany


“6. Mandefasa tolo-kevitra momba ny fanovana rantsana sy sisin-tany,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana (2022)

“Mandefasa tolo-kevitra momba ny fanovana rantsana sy sisin-tany,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana

Sary
zatovo mitsiky

6.

Mandefasa tolo-kevitra momba ny fanovana rantsana sy sisin-tany

Ny filohan’ny tsatòka dia mandefa izay fangatahana momba ny fanovana rantsana sy sisin-tany ilaina amin’ny fampiharana ilay drafitra faobe amin’ny alalan’ilay taratasy fangatahana mila fenoina na an-jotra ao amin’ilay Propositions de limites izay azo jerena amin’ny alalan’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG). Ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, fizarana 36 dia mirakitra ny torolalana amin’izao fotoana izao izay nankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany momba ny fiatrehana fanovana sisin-tany. Ireo mpitarika dia tokony hamerimberina tsara ireo torolalana ireo alohan’ny hamolavolana sy handefasana ireo fanovana sady mihazona ao an-tsaina fa ny fanamafisana orina ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy no tokony ho tanjona farany hatrany.

Matetika ny fiovana amin’ny sisin-tanin’ny rantsana dia mety hanelingelina ny lamina sy finamanana efa niorina tsara izay efa nahazatra ny mpikambana. Raha toa ka tena zava-misy ekena tsara ao amin’ny Fiangonana mihamitombo ny fangatahana toerana handraisana ny fitomboan’ny mpikambana, dia tsy tokony halefa ny tolo-kevitra momba ny fanovana sisin-tany mba hamahana ireo zavatra ilaina na toe-javatra izay mety ho voavaha amin’ny alalan’ny fampiofanana sy fanompoana amin’ny fomba mahomby kokoa ireo mpitarika sy mpikambana ao amin’ny fisoronana eo an-toerana.

Sary
zatovo mipetraka ao an-dakilasy

Na dia mibanjina ny any aloha aza ny fizotry ny fandrindrana, ny fangatahana any amin’ny Komitin’ny Fanovàna ny sisin-tany sy ny fitarihana dia tokony hifototra amin’ny toe-javatra iainan’ireo rantsan’ny Fiangonana voakasika amin’izao fotoana izao. Ny fangatahana fanovana dia mety ahitana fiheverana toy ny:

  • Fankaherezana ny zatovo, fampihenana ny enta-mavesatra ara-bola momba ny dia, fampitomboana ny fahafahana hanao asa fitoriana, ary fikarakarana ireo mpikambana efa antitra.

  • Iatrehana ny anton-javatra toy ny toe-javatra mampidi-doza, ireo mpihazona fisoronana efa be taona izay tsy afaka manompo amim-pahombiazana, ary ny fiantraikan’ny trano vaventy sy be velarana (fangatahana ho ana sisin-tany tsy mifanakaiky), ary koa ny haben’ny rantsana lehibe sy ny fiheverana ny dia.

Mba omeo fampahalalana ampy momba ny filazalazana amin’ny antsipiriany ny filàna fanitsiana ireo rantsana, toy ny antony mahatonga ny fifindra-monina eo amin’ireo mpikambana, ny tsy fahampian’ny fitarihana ao amin’ny fisoronana intsony, na ny fifandirana anatiny. Ampidiro azafady izay ezaka nataon’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana teo an-toerana mba hamahana ireo olana ireo tamin’ny alalan’ny fampiofanana sy fampianarana fotopampianarana ary fanompoana.

Ny tolo-kevitra rehetra dia tokony hankatoavin’ny filohan’ny tsatòka sy misiôna rehetra voakasik’ireo fanovana natolotra.

Sary
zatovolahy

Hamoaka printy