Fiadidian’ny tsatòka
Topimaso momba ny drafitra faobe


“Topimaso momba ny drafitra faobe,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana (2022)

“Topimaso momba ny drafitra faobe,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana

Sary
fianakaviana mitsikitsiky

Topimaso momba ny drafitra faobe

Mitarika ny ezaka amin’ny drafitra faobe ao amin’ilay faritra ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Ireo ezaka ireo dia atao eo anivon’ny filankevitra enti-mandrindra na eo anivon’ny tsatòka mitambatra. Ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia manendry Fitopololahin’ny Vondromparitra iray mba hanara-maso ny famolavolana drafitra faobe miaraka amin’ny fanohanan’ny tale misahana ny raharaha ara-nofo (TRA) sy ny mpiasany.

Ny drafitra faobe eo anivon’ny filankevitra enti-mandrindra na eo anivon’ny tsatòka mitambatra dia mety indrindra any amin’ireo toerana izay itomboan’ny Fiangonana haingana, izay misy ny fahafahana manamafy orina ny trano fiangonana, na izay ahitana mpikambana maro.

Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra sy ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) ary ny mpiasany dia miara-miasa amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana mba hamoronana sy hampiharana drafitra faobe maharitra (dimy taona farafahakeliny).

Sary
lehilahy mipetraka mandritra ny fivoriana

Amin’ny ankapobeny izy ireo dia manao izany amin’ny fanarahana ireto dingana ireto:

  1. Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra dia manao filankevitra enti-mandrindra na fivorian’ny tsatòka mitambatra mba hiresahana momba ny fotopampianarana sy fitsipika sy torolalana ary ny antontan’isan’ny tsatòka.

  2. Ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) sy ny mpiasany dia miara-miasa amin’ireo filohan’ny tsatòka mba hamolavolana ny fivoarana sy hamantatra ireo fironana ho avy.

  3. Mamantatra izay fanovana sisin-tany ilaina mba hampatanjahana ny fianakaviana sy ny mpikambana ary ny rantsana ireo filohan’ny tsatòka.

  4. Mamantatra ireo vahaolana ao amin’ny trano fiangonana izay afaka manohana ny drafitry ny fisoronana ny mpiasan’ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo).

  5. Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra sy ny filohan’ny tsatòka ary ny TRA (tale misahana ny raharaha ara-nofo) sy ny mpiasany no mamita farany ilay drafitra faobe. Rehefa afaka manao izany, ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) miaraka amin’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra dia manolotra ny drafitra faobe amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra mba hankatoavan’izy ireo.

    Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra, ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) dia mandefa an’ilay drafitra faobe any amin’ny Departemanta misahana ny tany sy ny trano an’ny Fiangonana mba hojerena sy hankatoavina miaraka.

  6. Mandefa ireo fanovana amin’ny sisin-tany izay voafaritry ny filohan’ny tsatòka.

  7. Manomana tetikasa hampidirina ao amin’ilay drafitra fanao isan-taona momba ny trano fiangonana ny mpiasan’ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo).

  8. Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra sy ny filohan’ny tsatòka ary ny TRA (tale misahana ny raharaha ara-nofo) sy ny mpiasany dia manavao tsy tapaka an’ilay drafitra raha ilaina izany.

Hamoaka printy