Fiadidian’ny tsatòka
7. Ampiharo ny drafitra fanao isan-taona momba ny trano fiangonana


“7. Ampiharo ny drafitra fanao isan-taona momba ny trano fiangonana,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana (2022)

“Ampiharo ny drafitra fanao isan-taona momba ny trano fiangonana,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana

Sary
zatovolahy

7.

Ampiharo ny drafitra fanao isan-taona momba ny trano fiangonana

Ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) sy ny mpiasany dia mahazo fankatoavana famatsiam-bola ho an’izay tetikasa ana trano fiangonana avy amin’ny drafitra faobe amin’ny alalan’ny fampidirana izany ao amin’ny drafitra fanao isan-taona momba ny trano fiangonana. Mba hanatanterahana izany, dia manamarina ny vinavina sy ny filana ao amin’ny trano fiangonana izay hita ao amin’ny drafitra faobe izy ireo ary mampiditra ao anatin’ny drafitra fanao isan-taona ny fandaniana mifandraika amin’izany.

Atolotra ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny drafitra fanao isan-taona momba ny trano fiangonana ary aorian’izany dia haverin’ny Episkôpà Mpiahy jerena.

Ny fankatoavana farany dia omen’ny Komitin’ny Tetibola sy ny Famatsiam-bola ary ny Filankevitra misahana ny fampiasana ny fahafolonkarena.

Ny mpiasan’ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) no manomboka sy mamita ireo tetikasa ireo. Mifandray amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izy ireo raha ilaina mba hampahafantarana azy ireo ny fizotran’ny tetikasan’ny trano fiangonana ao amin’ilay drafitra.

Hamoaka printy