Fiadidian’ny tsatòka
3. Fantaro ireo fanovana sisin-tany ilaina


“3. Fantaro ireo fanovana sisin-tany ilaina,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana (2022)

“Fantaro ireo fanovana sisin-tany ilaina,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana

Sary
lehilahy mizara ny fanasan’ny Tompo

3.

Fantaro ireo fanovana sisin-tany ilaina

Araka ny torolalana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra, dia tsatòka maro no namaritra sy nanatanteraka ezaka mba hampatanjahana ireo mpitarika sy mpikambana ary rantsana. Rehefa manao drafitra faobe ny filohan’ny tsatòka dia mety hihevitra ny hanoro ny fanovana ny sisin-tany mba hampatanjahana ny mpikamban’ny Fiangonana. Ny fanaovana drafitra faobe dia fotoana tsara hifanakalozana hevitra sy handinihana ireo fiovana izay mety hitondra soa ho an’ny tsatòka maro amin’ny fomba izay tsy ho tanteraka raha toa ka miasa irery ny tsatòka iray.

Rehefa mandinika ny fiovan’ny sisin-tany ireo mpitarika dia tokony hifantoka amin’ny fanamafisana orina ny mpikamban’ny Fiangonana izy ireo fa tsy ny fanatsarana ny trano fiangonana. Ireo zavatra manan-danja tokony hojerena rehefa mandinika ny fiovan’ny sisin-tany dia hita ao amin’ny fizarana 6, Mandefasa tolo-kevitra momba ny fanovana rantsana sy sisin-tany.

Hamoaka printy