Fiadidian’ny tsatòka
8. Havaozy ilay drafitra faobe


“8. Havaozy ilay drafitra faobe,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana (2022)

“Havaozy ilay drafitra faobe,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana

Sary
vehivavy miresaka

8.

Havaozy ilay drafitra faobe

Ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) sy ny mpiasany dia miara-miasa amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra mba hihazonana drafitra maharitra dimy taona farafahakeliny. Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra dia mety mila hamerina hitaona ireo filohan’ny tsatòka mba hanavao ilay drafitra raha toa ka misy fampahalalana na mpitarika ao amin’ny fisoronana manolotra fiovana lehibe eo amin’ny vinavina, ny fiovan’ny rantsana, na ny tetikasan’ny trano fiangonana.

Rehefa mandeha ny fotoana dia hilaina ny hanavaozana ilay drafitra faobe. Isaky ny telo ka hatramin’ny efa-taona (na matetika kokoa raha ilaina), ny Fitopololahin’ny Vondromparitra, izay miasa eo ambany fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra, dia tokony hiara-hiasa amin’ireo filohan’ny tsatòka sy ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) ary ny mpiasany mba hanavao ilay drafitra. Fahafahana tsara hanombanana ny ezaka fampiharana sy ny fiantraikan’ireo ezaka ireo amin’ny fanatrehana ary avy eo hanavaozana ny vinavina izany.

Hamoaka printy