Fiadidian’ny tsatòka
1. Ampianaro ny fotopampianarana sy ny fitsipika ary ny torolalana


“1. Ampianaro ny fotopampianarana sy ny fitsipika ary ny torolalana,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana (2022)

“Ampianaro ny fotopampianarana sy ny fitsipika ary ny torolalana,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana

Sary
lehilahy mipetraka mandritra ny fivoriana

1.

Ampianaro ny fotopampianarana sy ny fitsipika ary ny torolalana

Mamerina mijery ny torolalana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny Fitopololahin’ny Vondromparitra ao anatin’ny fivorian’ny filankevitra enti-mandrindra miaraka amin’ireo filohan’ny tsatòka voatendry. Izy koa dia mampianatra fotopampianarana azo ampiharina ary “Fitsipika sy torolalana momba ny fanomezana trano fiangonana.” Ireo fitsipika fototry ny fizakan-tena, ny fanampiana ny hafa ary ny fiheverana feno fahendrena dia tokony hodinihina ao anatin’ny sahan-kevitry ny fanamafisana orina ny mpikambana sy ny fomba hampiasana amim-pahombiazana kokoa ny trano fiangonana.

Ho fanomanana ity fivoriana ity, ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) sy ny mpiasany dia manome fampahalalana mba hanampiana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana hahatakatra ny toe-javatra misy amin’izao fotoana izao sy ny fivoaran’ny vondrona mifototra amin’ny fitomboana ara-tantara.

Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra dia afaka misafidy ny hanao fivoriana fanampiny raha ilaina mba hamoronana ilay drafitra. Ireo fivoriana ireo dia fotoana tsara hiarahana midinika momba ny hetsika ilaina mba hamoronana sy hampiharana drafitra mahomby.

Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra koa dia mampianatra fotopampianarana sy fitsipika ary torolalana amin’ireo filohan’ny tsatòka izay tsy mandray anjara amin’ny drafitra faobe. Mbola ampiharina ihany ireo fitsipika momba ny drafitra faobe rehefa mandinika ny filana trano fiangonana ao amin’ireo tsatòka ireo.

Hamoaka printy