Fiadidian’ny tsatòka
2. Vinavinao mialoha ny fivoarana ary fantaro ny fironana


“2. Vinavinao mialoha ny fivoarana ary fantaro ny fironana,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana (2022)

“Vinavinao mialoha ny fivoarana ary fantaro ny fironana,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana

Sary
fianakaviana mandalina ny soratra masina

2.

Vinavinao mialoha ny fivoarana ary fantaro ny fironana

Ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) sy ny mpiasany dia miara-miasa akaiky amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hanome antontan’isa sy hamolavola ny fitambaran’ny isan’ny mpikambana sy ny mpanatrika ho avy. Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia afaka manampy amin’ny fanatsarana ny fahamarinan’ny vinavina amin’ny alalan’ny fanomezana fampahalalana amin’ny antsipiriany momba ny drafitra sy ezaka ataon’izy ireo ary ny fampahalalana manan-danja izay tsy misy afa-tsy eo an-toerana ihany.

Hahomby kokoa ny fanaovana drafitra faobe rehefa miara-miasa ny tsirairay mba hamoronana vinavina azo tratrarina sy rehefa mazava tsara ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana momba ny isan’ny paroasy sy sampana ary tsatòka izay hatsangana na hajanona mandritra ny dimy taona amin’ilay drafitra.

Hamoaka printy