Fiadidian’ny tsatòka
4. Fantaro ny fiantraikany amin’ireo trano fiangonana


“4. Fantaro ny fiantraikany amin’ireo trano fiangonana,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana (2022)

“Fantaro ny fiantraikany amin’ireo trano fiangonana,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana

Sary
Ivelan’ny trano fiangonana

4.

Fantaro ny fiantraikany amin’ireo trano fiangonana

Mba hanohanana ny ezaky ny fisoronana amin’ny fanamafisana orina ny mpikambana sy ny fananganana ny Fiangonana, ny mpiasan’ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) dia mandinika ny fanatrehana sy ny vinavinan’ny rantsana ary mamantatra ireo vahaolana azo atao ao amin’ny trano fiangonana izay hamaly ny filana mandritra ny fotoana maharitra. Araka ny voasoritra ao amin’ny “Fitsipika sy torolalana momba ny fanomezana trano fiangonana,” dia ampiharina amin’ny toe-javatra rehetra ilana toerana hanaovana fivoriana ny fitsipika momba ny drafitra faobe, na miara-miasa amin’ny filankevitra enti-mandrindra, na vondron’ny tsatòka iray, na tsatòka tsirairay.

Ireo fitsipika momba ny drafitra faobe ireo dia ahitana:

  • Famoronana vinavina momba ana rantsana hiforona marina amin’ny hoavy.

  • Mametraka trano fiangonana amin’ny toerana izay ahafahan’ny mpikambana maro mampiasa izany, amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy.

  • Raha azo atao dia mampiasa ny trano fiangonana araka ny isan’ny olona tokony ho zakany voafaritra tamin’ny nanamboarana azy.

  • Mampiasa ny safidy mety indrindra izay mamaly tsara ny filan’ny trano fiangonana vaovao.

Tokony handinika izao manaraka izao ny mpitarika ao amin’ny fisoronana rehefa manapa-kevitra ny amin’ny isan’ny paroasy tokony hampiasa ny trano fiangonana iray:

  • Ny fandaharam-potoan’ny fivoriana alahady dia tokony hanomboka amin’ny fotoana mety tsara amin’ny rehetra ary mifarana amin’ny mitataovovonana mba hahafahan’ny fianakaviana rehetra mandalina ny filazantsara any an-trano.

  • Mipetraka amin’ny toerana tsy ilaina hanaovana dia lavitra be hankanesana any amin’ny trano fiangonana ireo mpikambana.

  • Tokony ho kely sy tsy handany vola be ny fanamboarana atao amin’ilay trano fiangonana, raha ilaina.

Ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) sy ny mpiasa dia manao tolo-kevitra momba ny safidy amin’ny fanomezana toeram-pivavahana sahaza sy antonona. Ireo safidy ireo dia mety ahitana tranon’olona, fanofana, na trano fiangonana naorina. Ny mpiasan’ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) dia miezaka mitady fomba hanatsarana ny fampiasana ireo loharanom-pitaovan’ny Fiangonana, tsy miankina amin’ireo faritra iadidian’ny tsatòka.

Eo ambany fitarihan’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra, ny TRA (tale misahana raharaha ara-nofo) ary ireo mpiara-miasa aminy dia mamelabelatra fanolorana fanorenana trano amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, sy miara-miasa amin’izy ireo mba hamahana ireo olana, ary mamorona sosokevitra farany mikasika ilay trano fiangonana mba ho ampidirina ao amin’ilay drafitra faobe.

Hamoaka printy