Fiadidian’ny tsatòka
5. Mahazoa fankatoavana ny drafitra faobe


“5. Mahazoa fankatoavana ny drafitra faobe,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana (2022)

“Mahazoa fankatoavana ny drafitra faobe,” Torolalana ho an’ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana

Sary
lehilahy miteny

5.

Mahazoa fankatoavana ny drafitra faobe

Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra, ny filohan’ny tsatòka, ary ny TRA (tale misahana ny raharaha ara-nofo) sy ny mpiasany dia miara-miasa amin’ny famitana ilay drafitra faobe. Ilay drafitra faobe farany dia ahitana singa roa lehibe (araka ny hita eo amin’ny sary 2):

  1. Fanovana ny sisin-tanin’ny rantsana natolotry ny mpitarika ao amin’ny fisoronana, raha misy

  2. Tolo-kevitra momba ny trano fiangonana, raha misy

Sary
fianakaviana mitsiky sy mihomehy

Ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) sy ny mpiasany dia mamorona ny famelabelarana ny drafitra faobe farany, anisan’izany ny antontan-taratasy fanohanana, ary mizara izany amin’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra enti-mandrindra na kômitin’ny tsatòka mitambatra.

Ilay drafitra faobe farany dia tokony ahitana ny fanovana natolotra mandritra ny dimy taona farafahakeliny ary tokony hankatoavin’ny mpitarika rehetra ao amin’ny fisoronana.

  • Ny drafitra faobe momba ny trano fiangonana dia tokony hankatoavin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra sy ny Departemanta misahana ny tany sy ny trano an’ny Fiangonana miaraka.

  • Rehefa afaka manao izany, ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) sy ny Fitopololahin’ny Vondromparitra dia manolotra ny drafitra faobe amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra mba hankatoavan’izy ireo. Raha toa ka misy fanitsiana ilaina amin’ilay drafitry ny fiangonana dia miara-miasa amin’ireo filohan’ny tsatòka sy ireo mpiasan’ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) ny Fitopololahin’ny Vondromparitra.

  • Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra, ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) dia manolotra ny drafitra faobe any amin’ny: Departemanta misahana ny tany sy ny trano an’ny Fiangonana any amin’ny foiben’ny Fiangonana mba hojerena sy hankatoavina miaraka.

  • Aorian’ny fankatoavana, ny filohan’ny tsatòka sy ny ekipan’ny TRA (Tale misahana ny raharaha ara-nofo) dia manatanteraka ilay drafitra araka ny fandaharam-potoana mandritra ny dimy taona.

Ohatra amin’ny drafitra faobe

Sary 1

Sary
Sary famintinana ny drafitra faobe

Matetika no ampiarahina amin’io famintinana io ny sarintanin’ireo rantsana izay anaovana drafitra faobe.

Sary 2

Sary
Tabilao famintinana ny rantsana sy ny tany ary ny trano an’ny Fiangonana

Hamoaka printy