Lehilahy
Fametrahan-tanana amin’ny marary


“Fametrahan-tanana amin’ny marary,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana (2018).

“Fametrahan-tanana amin’ny marary,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana.

Fametrahan-tanana amin’ny marary

Sary
lehilahy manome tsodrano vehivavy iray

Torolalana ankapobeny

Ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ihany no afaka mametra-tanana amin’ny marary na ny ory. Raha ny tokony ho izy dia mpihazona ny fisoronana roa na mihoatra no mametra-tanana amin’ny marary, kanefa sady afaka manatanteraka ny fanosorana menaka ny mpihazona ny fisoronana iray no afaka mamehy izany samirery raha ilaina. Raha tsy misy menaka voahasina azo ampiasaina dia azo atao ihany ny manome tsodrano amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana tsy misy fanosora-menaka.

Ny raim-pianakaviana iray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia tokony hametra-tanana amin’ireo olona marary ao amin’ny fianakaviany raha ny tokony ho izy.

Ireo rahalahy dia tokony hametra-tanana amin’ny marary rehefa angatahin’ilay olona marary hanao izany na angatahin’ireo olona tena mieritreritra sy miraharaha ilay marary mba ho tanteraka araka ny finoan’izy ireo ilay tso-drano (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:13–14; 42:43–44, 48–52). Ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka izay mitsidika ireo hôpitaly dia tsy tokony hangatana fahafahana hametra-tanana amin’ny marary.

Raha mangataka tsodrano mihoatra ny iray ho an’ny aretina iray ihany ny olona iray dia tsy mila manosotra menaka ilay mpihazona ny fisoronana aorian’ilay tsodrano voalohany. Ho solon’izay dia manome tsodrano amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana sy ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka izy.

Misy fizarana roa ny fametrahan-tanana amin’ny marary: manosotra amin’ny manaka sy mamehy ilay fanosorana.

Ny fanosorana menaka

Mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray no manao ny fanosorana. Izy dia:

  1. Mametraka tete iray amin’ny menaka voahasina eo ambony lohan’ilay olona.

  2. Mametraka moramora ny tanany eo ambony lohan’ilay olona ary miantso ilay olona amin’ny anarany feno.

  3. Manambara fa izy dia manao izany amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka.

  4. Manambara fa izy dia manosotra amin’ny menaka izay voahasina mba hanosorana sy hitsofan-drano ny marary sy ny ory.

  5. Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Ny famehezana ny fanosorana

Raha ny tokony ho izy dia mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka miisa roa na mihoatra izay no mametraka moramora ny tanan’izy ireo eo ambony lohan’ilay olona. Ilay iray izay mamehy ny fanosorana dia:

  1. Miantso ilay olona amin’ny anarany feno.

  2. Manambara fa mamehy ilay fanosorana amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka izy.

  3. Manome tsodrano araka izay hitarihan’ny Fanahy.

  4. Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy