Lehilahy
Torolalana ankapobeny


“Torolalana ankapobeny,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana (2018).

“Torolalana ankapobeny,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana.

Torolalana ankapobeny

Avy ao amin’ny Boky torolalana 2, fizarana faha 20

Sary
lehilahy manome tsodrano lehilahy iray

Ity boky navoaka ity dia manasongadina ireo torolalana mikasika ny fanatanterahana ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana. Ireo filohan’ny tsatòka sy ireo eveka ary ireo mpitamboky dia tokony hijery ihany koa ireo fitsipika sy dingana arahina izay voatanisa ao amin’ny Boky torolalana 1, fizarana faha 16, sy ny Boky torolalana 2, fizarana faha 20.

Ny ôrdônansy dia asa masina, toy ny batisa, izay tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana. Ireo ôrdônansin’ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fanendrena ho ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ny lehilahy), ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary ny famehezana any amin’ny tempoly izay takiana mba hahazoana ny fisandratana ho an’ireo olona rehetra izay tompon’andraikitra. Ireo no antsoina hoe ôrdônansin’ny fanavotana. Ao anatin’ny ôrdônansin’ny fanavotana tsirairay avy dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ilay mpandray.

Ny fanatanterahana ny ôrdônansin’ny fanavotana dia mitaky fahazoan-dalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay mihazona ireo fanalahidy mifanaraka amin’izany na miasa eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidy ireo. Ny fahazoan-dalana toy izany dia takiana ihany koa ho an’ny fanomezana anarana sy ny fitsofan-drano ny zaza, ny fanokanana fasana, ny fanomezana ny tsodranon’ny patriarika, ary ny fanomanana sy ny fanamasinana ary ny fizarana ny fanasan’ny Tompo. Ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia afaka manamasina ny menaka, mametra-tanana amin’ny marary, manome tsodranon’ny raim-pianakaviana, ary manome ireo tsodrano hafa entina mampahery sy manome torohevitra kanefa tsy mila mangataka fanomezan-dalana avy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana mialoha ny hanaovana izany.

Ireo rahalahy izay manatanteraka ireo ôrdônansy sy fitsofan-drano dia tokony hanomana ny tenany amin’ny alalan’ny fiainana amim-pahamendrehana sy ny fiezahana hahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Tokony hanatanteraka ny ôrdônansy na ny fitsofan-drano tsirairay amin’ny fomba mendrika izy ireo ary manao izay hanarahan’izany ireto zavatra takiana manaraka ireto:

  1. Tokony hotanterahina amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izany.

  2. Tokony hotanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana izany.

  3. Tokony hotanterahina miaraka amin’ireo dingana rehetra ilaina izany, toy ny fampiasana teny voatokana ho amin’izany na ny fampiasana menaka voahasina.

  4. Raha ilaina, dia tokony ho nahazo lalana avy amin’ny manampahefana mpiahy izay mihazona ireo fanalahidy mifanaraka amin’izany ilay ôrdônansy (izay ny eveka na ny filohan’ny tsatòka raha ny tokony ho izy), araka ireo torolalana hita ato amin’ity fizarana ity.

Ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay manara-maso ny ôrdônansy na ny fitsofan-drano dia maka antoka fa ilay olona manatanteraka izany dia manana ny fahefan’ny fisoronana ilaina amin’izany, mendrika, ary manaraka ireo dingana mifanaraka amin’izany. Ireo mpitarika ihany koa dia mikatsaka izay hanaovana ny ôrdônansy na ny fitsofan-drano ho zavatra iainana feno fanajana sy ara-panahy.

Rehefa tanterahina ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo ireo ôrdônansy na fitsofan-drano dia maka antoka ny eveka fa tanterahina araka ny tokony ho izy izany. Mba hisorohana ny fahamenaran’ny mpihazona ny fisoronana iray dia manitsy moramora ireo hadisoana ny eveka raha diso ny fomba hanatanterahana ireo singa manan-danja amin’ilay ôrdônansy na fitsofan-drano.

Ireo izay manome ireo fitsofan-dranon’ny fisoronana dia manonona ireo teny fitsofan-drano (“Mitsodrano anao aho [na izahay] mba…”) fa tsy manonona vavaka (“Ray any An-danitra ô, mba tahio ity olona ity ho …”).

Ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy sy fitsofan-drano

Ireo rahalahy mihazona ny fisoronana ilaina sy mendrika ihany no afaka manatanteraka ôrdônansy na fitsofan-drano na mijoro miaraka amin’ireo rahalahy ao amin’ny faribolana. Mazàna ireo izay mpandray anjara dia voafetra ho olona vitsy ihany, izay ahitana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, ireo olona akaiky ao amin’ny fianakaviana, ary ireo rahalahy mifandray akaiky amin’ilay olona toy ny rahalahy mpanompo. Tsy amporisihina ny fanasana olona maro ao amin’ny fianakaviana sy ireo namana ary ireo mpitarika mba handray anjara amin’ny fanatanterahana ôrdônansy na fitsofan-drano. Raha maro loatra no mandray anjara dia mety hanembantsembana izany ka manjary hanimba ny fanahin’ilay ôrdônansy. Ireo izay manatanteraka ôrdônansy sy ireo izay miahy ihany no takina mba handray anjara amin’izany. Ireo rahalahy hafa dia manampy sy manohana ilay mpandray fitenenana.

Rehefa maro ireo rahalahy mandray anjara amin’ny ôrdônansy na ny fitsofan-drano iray dia samy mametraka moramora ny tanany havanana eo ambony lohan’ilay olona ny tsirairay amin’izy ireo (na eo ambanin’ilay zazakely izay omena tsodrano) ary ny tanan’izy ireo havia dia mipetraka eo ambonin’ny sorok’ilay rahalahy eo an-kaviany.

Na dia rahalahy vitsivitsy aza no mijoro mandrafitra ilay faribolana rehefa misy olona iray mandray ôrdônansy na fitsofan-drano dia mazàna no asaina ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hanatrika.

Ireo mpitarika dia mamporisika ireo rahalahy mendrika izay mihazona ny fisoronana ilaina mba hanatanteraka na handray anjara amin’ireo ôrdônansy sy fitsofan-drano ho an’ireo olona ao amin’ny fianakavian’izy ireo.

Ny fahamendrehana mba handray anjara amin’ny ôrdônansy na ny fitsofan-drano iray

Ny lehilahy iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka izay mendrika ny hihazona fahazoan-dalana hidirana any amin’ny tempoly ihany no afaka mandray fitenenana amin’ny fandraisana ny olona iray ho mpikamban’ny Fiangonana, ny fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka, ny fanendrena olona iray ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’izany fisoronana izany, na ny fanokanana olona iray mba hanompo amin’ny antso iray ao amin’ny Fiangonana.

Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka araka izay fitarihan’ny Fanahy sy ireo torolalana ao anatin’ny andinin-tsoratra manaraka dia afaka manapa-kevitra ny hamela mpihazona fisoronana tsy mbola manana fahamendrehana ampy hidirana ny tempoly mba hanatanteraka ôrdônansy sy tsodrano sasantsasany na handray anjara amin’ny fanatanterahana izany. Na dia izany aza dia tsy tokony manome lalana ny fandraisana anjara toy izany ny mpiandraikitra mpiahy raha toa ka nahavita fahotana goavana izay mbola tsy voavaha ilay mpihazona ny fisoronana.

Afaka mamela ny raim-pianakaviana iray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka mba hanome anarana sy hitsodrano ny zanany ny eveka na dia mbola tsy ampy fahamendrehana ny hiditra ny tempoly aza izy. Ny eveka koa dia afaka mamela ny raim-pianakaviana iray izay mpisorona na mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka mba hanao batisa ny zanany na hanendry ny zanany lahy ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna. Ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka iray izay ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izany dia afaka mijoro ao anatin’ilay faribolana rehefa hitsodrano ny zanany, na rehefa hanome ny Fisoronana Melkizedeka ny zanany lahy na rehefa hanokana ny vadiny na ny zanany. Tsy afaka ny ho mpitondra teny anefa izy.

Fanatanterahana ôrdônansy na tsodrano any amin’ny paroasy hafa

Mba hahafahana ho mpitondra teny rehefa manome anarana sy mitsodrano zaza iray na mba hahafahana manao batisa na mandray ho mpikambana olona iray, na manendry olona iray ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana, na manokana fasana iray dia tsy maintsy mampiseho amin’ny mpiandraikitra mpiahy fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery na Recommandation pour accomplir une ordonnance (taratasy fanolorana olona hanatanteraka ôrdônansy iray) izay voasonian’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà ao amin’ny paroasiny ilay mpihazona fisoronana izay any ivelan’ny paroasiny.

Ny fanatanterahana ireo ôrdônansy ataon’ny olona iray manana fahasembanana na ho an’ny olona toy izany

Ireo torolalana mikasika ny fanatanterahana ireo ôrdônansy ataon’ny olona iray manana fahasembanana na ho an’ny olona toy izany dia omena ao amin’ny Boky torolalana 1, 16.1.8 sy ny 16.1.9.

Raha te hahita ireo torolalana mikasika ny fandikana ireo ôrdônansy ho an’ireo olona marenina na manana olana amin’ny fandrenesana dia jereo ny Boky torolalana 1 21.1.26.

Ny fandikana ireo ôrdônansy sy ireo fitsofan-drano

Ireo torolalana mikasika ny fandikana ireo ôrdônansy sy ireo fitsofan-drano dia omena ao amin’ny Boky torolalana 1, 16.1.2.

Ireo torolalana mikasika ny fanatanterahana ireo ôrdônansy sy ireo fitsofan-drano

Ireto boky navoaka manaraka ireto dia manome ireo torolalana mikasika ny fanatanterahana ireo ôrdônansy sy ireo fitsofan-drano:

  1. Boky torolalana 2, fizarana faha 20

  2. Torolalana ho an’ny fianakaviana, pejy 18–25

  3. Devoirs et bénédictions de la prêtrise, Tome 2 (Ny adidy sy ny fitahian’ny fisoronana, Boky 2), pejy 42–47

Amin’ny alalan’ireo boky ireo no ampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ireo rahalahy mikasika ny fomba fanatanterahana ireo ôrdônansy sy tsodrano. Ireo mpitarika dia manao izay hananan’ny mpihazona fisoronana tsirairay avy ny Torolalana ho an’ny fianakaviana na na ny Devoirs et bénédictions de la prêtrise, Tome 2 (Ny adidy sy ny fitahian’ny fisoronana, Boky 2), mba hahafahany manana ny bokiny manokana izay ahitana ireo torolalana ireo.

Ireo mpitarika dia tsy tokony hamokatra na hampiasa boky hafa izay manome torolalana hanatanterahana ireo ôrdônansy, na ireo fitsofan-drano, na ireo vavaka raha tsy nahazoana lalana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany izany boky izany.

Hamoaka printy