Lehilahy
Ny fanokanana trano


“Ny fanokanana trano,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana (2018).

“Ny fanokanana trano,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana.

Ny fanokanana trano

Sary
fianakaviana miara-mandohalika mivavaka

Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia afaka manokana ny tranony ho trano masina izay azon’ny Fanahy Masina hitoerana ary ahafahan’ireo olona ao amin’ny fianakaviana mivavaka, mahazo fiarovana amin’izao tontolo izao, mitombo ara-panahy, ary miomana ho amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana mandrakizay. Tsy mila hoe afa-trosa tanteraka ireo trano vao azo atokana. Ireo trano dia tsy atokana ho an’ny Tompo tahaka ireo tranon’ny Fiangonana.

Ny rahalahy iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia afaka manokana trano iray amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana. Raha tsy misy mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ao amin’ilay tokantrano dia afaka manasa havana akaiky, na rahalahy mpanompo, na olona iray hafa mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ilay fianakaviana mba hanokana ilay trano. Na afaka mivory ilay fianakaviana dia manao vavaka izay ahitana ireo zavatra voatanisa ao amin’ilay andiam-pehezanteny teo alohan’ity iray ity sy ireo teny hafa araka izay hitarihan’ny Fanahy.

Hamoaka printy