Lehilahy
Ireo tsodranon’ny raim-pianakaviana sy ireo tsodrano fampaherezana sy torohevitra hafa


“Ireo tsodranon’ny raim-pianakaviana sy ireo tsodrano fampaherezana sy torohevitra hafa,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana (2018).

“Ireo tsodranon’ny raim-pianakaviana sy ireo tsodrano fampaherezana sy torohevitra hafa,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana.

Ireo tsodranon’ny raim-pianakaviana sy ireo tsodrano fampaherezana sy torohevitra hafa

Sary
lehilahy manome tsodrano ny zanany vavy

Ireo tsodranon’ny raim-pianakaviana sy ireo tsodrano hafan’ny fisoronana dia omena mba hanomezana torolalana sy fampaherezana araka izay hitarihan’ny Fanahy.

Ny raim-pianakaviana izay mihazona Fisoronana Melkizedeka dia afaka manome ireo tsodranon’ny raim-pianakaviana ho an’ireo zanany. Ireo tsodrano ireo dia mety hanampy indrindra fa rehefa mandeha any am-pianarana ireo zanaka, na mandeha hanao asa fitoriana, na manambady, na mirotsaka amin’ny fanaovana fanompoana miaramila, na rehefa miatrika olana manokana. Azon’ny fianakaviana iray atao ny mirakitra ny tsodranon’ny raim-pianakaviana mba ho ao amin’ireo rakitsoratry ny fianakaviana, saingy tsy tehirizina ao amin’ireo rakitsoratry ny Fiangonana ireo tsodrano ireo. Tokony hamporisika ireo zanany hangataka ireo tsodranon’ny raim-pianakaviana amin’ny fotoam-pahasahiranan’izy ireo ny ray aman-dreny.

Afaka manome tsodrano fampaherezana sy torohevitra amin’ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana izay mangataka amin’izy ireo ihany koa ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka.

Mba hanomezana tsodranon’ny raim-pianakaviana na tsodrano fampaherezana sy torohevitra hafa dia mametraka moramora ny tanany eo ambony lohan’ilay olona ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka miisa iray na mihoatra izany. Aorian’izay ilay mpihazona ny fisoronana izay manome ilay tsodrano dia:

  1. Miantso ilay olona amin’ny anarany feno.

  2. Manambara fa ilay tsodrano dia tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka.

  3. Manome tsodrano araka izay hitarihan’ny Fanahy.

  4. Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy