Lehilahy
Fanasan’ny Tompo


“Fanasan’ny Tompo,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana (2018).

“Fanasan’ny Tompo,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana.

Fanasan’ny Tompo

Sary
zatovolahy mizara ny fanasan’ny Tompo

Ny fanatanterahana ity ôrdônansy ity dia mitaky fahazoan-dalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay mihazona ireo fanalahidy mifanaraka amin’izany na miasa eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidy ireo.

Torolalana ankapobeny

Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia miara-mivory rehefa Sabata mba hitsaoka an’Andriamanitra sy handray ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75; 59:9). Mandritra ity ôrdônansy masina ity dia mandray ny mofo sy ny rano izy ireo ho fahatsiarovana ny sorona nataon’ny Mpamonjy tamin’ny nofony sy ny ràny ary mba hanavaozana ny fanekempihavanana izay nataon’izy ireo (jereo ny Matio 26:26–28; Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 14:20–25; Lioka 22:15–20; 3 Nefia 18; Môrônia 6:6).

Ny fanamasinana sy ny fizarana ny fanasan’ny Tompo

Afaka manamasina ny fanasan’ny Tompo ny mpisorona sy ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Afaka mizara ny fanasan’ny Tompo ny diakona, ny mpampianatra, ny mpisorona ary ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka.

Rehefa mihira ny hiran’ny fanasan’ny Tompo ny daholobe dia mitsangana amim-panajana ireo mpihazona ny fisoronana izay hanamasina ny fanasan’ny Tompo, manala ilay lamba manarona ireo lovia, ary mamaky ny mofo ho madinidinika izay azo atao indray am-bava. Rehefa vitan’izy ireo ny famakina ny mofo dia mipetraka izy ireo ary mihira ilay fihirana miaraka amin’ny olona.

Aorian’ilay hira dia mandohalika ilay olona manamasina ny mofo ary manolotra ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ho an’ny mofo. Ny vavaky ny fanasan’ny Tompo dia nambaran’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79; Môrônia 4–5). Maka antoka ny eveka fa tononina mazava tsara sy marina tsara ary amim-pahamendrehana izy ireo. Raha manao fahadisoana ilay olona manamasina ny fanasan’ny Tompo amin’ny fanononana ireo teny kanefa hitsian’ny tenany ihany izany, dia tsy takina intsony ny hanaovana fanitsiana fanampiny. Raha tsy manitsy ny fahadisoana nataony ilay olona dia milaza aminy ny eveka fa tokony haveriny marina tsara ilay vavaka.

Aorian’ilay vavaka dia mizara ilay mofo amin’ny daholobe amin’ny fomba feno fanajana sy milamina ireo diakona sy ireo mpihazona ny fisoronana hafa. Ny mpiandraikitra mpiahy no mandray voalohany ny fanasan’ny Tompo. Ny eveka (na ny mpanolotsaina iray raha sendra tsy eo izy) no miahy ny fivoriana fanasan’ny Tompo raha tsy hoe misy mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, na Manampahefana Ambony mipetraka eny amin’ny lampihazo. Tsy miahy ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo ary tsy mandray voalohany ny fanasan’ny Tompo.

Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ny mpiandraikitra mpiahy dia afaka mandeha any amin’ny toerana notendrena halehany ireo olona hafa mizara ny fanasan’ny Tompo.

Rehefa avy manolotra ny lovian’ny fanasan’ny Tompo amin’ny mpikambana iray ny mpihazona ny fisoronana iray dia afaka mampitampita an’ilay lovian’ny fanasan’ny Tompo ireo mpikambana hafa mba tsy hisian’ny fanembantsembanana.

Rehefa vitan’ireo rahalahy ny fizarana ny mofo dia mamerina ireo lovia eny amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo izy ireo. Ireo izay mitantana ny fanasan’ny Tompo eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo dia mametraka ilay lamba eo ambonin’ireo lovia fasiana mofo ary manala ny lamba eo amin’ireo lovia fasiana rano. Aorian’izay dia mandohalika sy manolotra ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ho an’ny rano ilay olona manamasina ny rano (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:79), dia soloina hoe rano ilay hoe divay.

Aorian’ilay vavaka dia mizara ny rano amin’ny daholobe ireo diakona sy ireo mpihazona ny fisoronana hafa. Rehefa vitan’izy ireo izany dia averin’izy ireo eny amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo ireo lovia, dia miandry ireo mpitantana ny fanasan’ny Tompo izy ireo mba hanarona ireo lovia, ary avy eo dia maka amim-panajana ny toerany.

Hamoaka printy