Lehilahy
Ny fanomezana ny fisoronana sy ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray


“Ny fanomezana ny fisoronana sy ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana (2018).

“Ny fanomezana ny fisoronana sy ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana.

Ny fanomezana ny fisoronana sy ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray

Sary
lehilahy mandray ny fisoronana

Ny fanatanterahana ity ôrdônansy ity dia mitaky fahazoan-dalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay mihazona ireo fanalahidy mifanaraka amin’izany na miasa eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidy ireo.

Rehefa vita ireo dinidinika ary nomena ireo fankatoavana nilaina natao dia:

  1. Ny filohan’ny tsatòka (na ny olona iray eo ambany fitarihany) dia afaka manendry ilay olona ho amin’ny anjara fanompoan’ny loholona, na afaka manome lalana olona iray hafa mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka izy mba hanao izany. Ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ihany no afaka mijoro eo amin’ilay faribolana.

  2. Ny filohan’ny tsatòka (na ny olona iray eo ambany fitarihany) dia afaka manendry ilay olona ho amin’ny anjara fanompoan’ny mpisorona avo, na afaka manome lalana ny mpisorona avo iray hafa izy mba hanao izany. Ireo mpisorona avo ihany no afaka mijoro eo amin’ilay faribolana.

  3. Ny eveka (na ny olona iray hafa eo ambany fitarihany) dia afaka manendry ilay olona ho amin’ny anjara fanompoan’ny diakona, na mpampianatra, na mpisorona. Ireo mpisorona sy ireo mpihazona ny fisoronana Melkizedeka ihany no afaka mandray fitenenana na mijoro eo amin’ilay faribolana.

Mba handraisana anjara amin’ny fanendrena, ny olona iray dia tsy maintsy (1) mpisorona na mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ary (2) manana ny fahefan’ny fisoronana mitovy na ambony kokoa noho izay omena amin’ilay ôrdônansy. Ohatra, ny loholona iray dia tsy tokony hijoro eo amin’ilay faribolana rehefa mpisorona avo no tendrena na rehefa misy lehilahy iray atokana ho amin’ny anjara fanompoana izay hitakina azy mba ho mpisorona avo.

Mba hanatanterahana fanendrena iray ao amin’ny fisoronana dia mpihazona ny fisoronana nahazo lalana miisa iray na mihoatra an’izay no mametraka moramora ny tanan’izy ireo eo ambony lohan’ilay olona. Aorian’izay ilay mpihazona ny fisoronana izay manatanteraka ilay fanendrena dia:

  1. Miantso ilay olona amin’ny anarany feno.

  2. Manambara ilay fahefana izay hanatanterahana ilay fanendrena (Fisoronana Aharôna na Melkizedeka).

  3. Manome ny Fisoronana Aharôna na Melkizedeka raha tsy hoe efa nomena izany.

  4. Manendry ilay olona ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana Aharôna na Melkizedeka ary manome ireo zo sy hery ary fahefana ao amin’izany anjara fanompoana izany. (Tsy misy fanalahidin’ny fisoronana omena mandritra ny fanomezana ilay fisoronana na ny fanendrena ho amin’ny iray amin’ireo anjara fanompoana ireo.)

  5. Manome tsodrano araka izay hitarihan’ny Fanahy.

  6. Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Ny fanendrena dia fotoana iray hahafahana hanome tsodrano. Raha ny tokony ho izy dia omena ny olona iray amin’ny fotoana ampianarana azy ny andraikiny ireo torohevitra sy fampianarana fa tsy mandritra ny fanaovana ilay fanendrena.

Tsy tokony havadika ho fotoam-pivoriana ôfisialy ny fanendrena. Tsy ilaina ny manao vavaka, na fijoroana ho vavolombelona, na fampianarana rehefa misy olona atokana.

Hamoaka printy