Lehilahy
Ny fanamasinana menaka


“Ny fanamasinana menaka,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana (2018).

“Ny fanamasinana menaka,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana.

Ny fanamasinana menaka

Sary
Menaka voahasina

Tsy maintsy manamasina ny menaka ôliva ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray na maromaro alohan’ny hampiasana izany mba hanosorana ny marary na ny ory. Tsy misy menaka hafa azo ampiasaina ankoatra izay. Rehefa hanamasina ny menaka ny mpihazona ny fisoronana iray dia:

  1. Mitazona fitoerana menaka ôliva iray misokatra.

  2. Miresaka amin’ny Ray any An-danitra.

  3. Manambara fa izy dia manao izany amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka.

  4. Manamasina ny menaka (fa tsy ilay fitoerany) ary manokana izany mba hanosorana sy hitsofan-drano ny marary sy ny ory.

  5. Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Tsy tokony hisotro ilay menaka ireo mpikambana na hanosotra izany amin’ireo faritra marary eo amin’ny vatana.


Hamoaka printy