Lehilahy
Ny fanokanana fasana


“Ny fanokanana fasana,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana (2018).

“Ny fanokanana fasana,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana.

Ny fanokanana fasana

Sary
tsangambato

Ny fanatanterahana ity ôrdônansy ity dia mitaky fahazoan-dalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay mihazona ireo fanalahidy mifanaraka amin’izany na miasa eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidy ireo.

Ny olona iray manokana fasana dia tokony hihazona ny Fisoronana Melkizedeka ary nahazo lalana avy amin’ny mpiandraikitra ao amin’ny fisoronana izay mitarika ilay fotoana. Rehefa manokana fasana iray izy dia:

  1. Miresaka amin’ny Ray any An-danitra.

  2. Manambara fa izy dia manao izany amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka.

  3. Manokana ilay toeram-pandevenana mba ho toerana fialan-tsasatra ho an’ny vatan’ilay maty.

  4. Mivavaka mba hanamasinana sy hiarovana ilay toerana mandra-pahatongan’ny Fitsanganana amin’ny maty (raha mety ny hanaovana izany).

  5. Mangataka ny Tompo mba hampahery ilay fianakaviana ary milaza ireo zavatra tonga ao an-tsainy araka izay hitarihan’ny Fanahy.

  6. Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Raha izay no tian’ilay fianakaviana dia azo atao ny manolotra vavaka eo akaikin’ilay fasana fa tsy vavaka fanokanana.

Raha dorana ny vata-mangatsiakan’ny mpikambana iray ao amin’ny Fiangonana dia afaka manapa-kevitra ilay mpiandraikitra mpiahy ao amin’ny fisoronana hoe hotokanana ve ilay toerana izay hitehirizana ny lavenona. Omeny lanja lehibe ny fanirian’ilay fianakaviana sy ireo fomba amam-panao eo an-toerana ary ireo lalàna eo an-toerana. Raha atokana ilay toerana dia afaka mampifanaraka ireo torolalana ho an’ny fanokanana fasana amin’izany ilay mpihazona ny fisoronana.

Hamoaka printy