Lehilahy
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Batisa sy fandraisana ho mpikambana,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana (2018).

“Batisa sy fandraisana ho mpikambana,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana.

Batisa sy fandraisana ho mpikambana

Sary
lehilahy iray manao batisa vehivavy iray

Ny fanatanterahana ity ôrdônansy ity dia mitaky fahazoan-dalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay mihazona ireo fanalahidy mifanaraka amin’izany na miasa eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidy ireo.

Ireo vavolombelona amin’ny batisa

Mpisorona na mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka miisa roa no manao vavolombelon’ny batisa tsirairay mba haka antoka fa notanterahina araka ny tokony ho izy izany. Tsy maintsy averina ilay batisa raha tsy voatonona tsara araka izay omena ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:73 ireo teny, na tsy nilentika tanteraka ny ampahany tamin’ny vatan’ilay olona na ny akanjony.

Ireo torolalana amin’ny fanatanterahana batisa

Eo ambany fitarihan’ny manampahefana mpiahy, ny mpisorona iray na ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray dia afaka manatanteraka ôrdônansin’ny batisa. Mba hanaovany izany dia:

  1. Mijoro ao anaty rano miaraka amin’ilay olona atao batisa izy.

  2. Mitazona ny hato-tanana havanan’ilay olona amin’ny tanany havia izy (mba hahazoana aina sy ho fiarovana). Ilay olona atao batisa dia mitazona ny hato-tanana havian’ilay mpihazona ny fisoronana amin’ny tanany havia.

  3. Manangana ny tanany havanana haka endrika zoro mahitsy izy.

  4. Milaza ny anaran’ilay olona feno izy dia miteny hoe: “Rehefa nomen’i Jesoa Kristy fahefana aho, izaho dia manao batisa anao amin’ny anaran’ny Ray sy ny an’ny Zanaka ary ny an’ny Fanahy Masina. Amena” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:73).

  5. Manasa ilay olona hanampina ny orony amin’ny tanana havanana izy (mba hahazoana aina); dia mametraka ny tanany havanana ambony eo amin’ny lamosin’ilay olona ilay mpihazona ny fisoronana avy eo ary mandetika tanteraka an’ilay olona, ka tafiditra ao anatin’izany ny akanjon’ilay olona.

  6. Manampy ilay olona hivoaka avy ao anaty rano izy.

Fandraisana ho mpikambana sy fanomezana ny Fanahy Masina

Ny olona iray dia raisina ho mpikamban’ny Fiangonana sy mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina rehefa vita batisa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:41). Tsy lasa mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray raha tsy efa vita ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ary voasoratra anarana araka ny tokony ho izy (jereo ny Jaona 3:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:11).

Afaka mandray anjara amin’ny fandraisana ho mpikambana, eo ambany fitarihan’ny episkôpà, ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray na maromaro. Mametraka ny tanany moramora eo ambony lohan’ilay olona izy ireo. Aorian’izay ilay olona manatanteraka ilay ôrdônansy dia:

  1. Milaza ny anaran’ilay olona feno.

  2. Manambara fa ilay ôrdônansy dia tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka.

  3. Mandray ilay olona ho mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  4. Mampiasa ireo teny hoe “Raiso ny Fanahy Masina” (fa tsy hoe “raiso ny fanomezana ny Fanahy Masina”).

  5. Manome tsodrano araka izay hitarihan’ny Fanahy.

  6. Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy