Lehilahy
Fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza


“Fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana (2018).

“Fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza,” Ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana.

Fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza

Sary
lehilahy manome anarana sy tsodrano zazakely

Ny fanatanterahana ity ôrdônansy ity dia mitaky fahazoan-dalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay mihazona ireo fanalahidy mifanaraka amin’izany na miasa eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidy ireo.

Torolalana ankapobeny

“Ny mpikambana tsirairay amin’ny fiangonan’i Kristy izay manan-janaka dia tokony hitondra azy eo anoloan’ny fiangonana, amin’ireo loholona izay hametra-tanana aminy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ka hitso-drano azy amin’ny anarany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:70). Araka io fanambarana io dia ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ihany no afaka mandray anjara amin’ny fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza. Tsy maintsy ampahafantarin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ny mpikambana io torolalana io mialoha ny hanomezana anarana sy hitsofan-drano ny zanany. Tokony hanao izay azo atao rehetra, ao anatin’ny fiarovana ny maha-masina ilay fitsofan-drano, ireo mpitarika mba hisorohana ny fahafaham-baraka na ny fahatafintohinan’ny olona na ny fianakaviana.

Raha ny mahazatra dia mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona ny zaza no omena anarana sy tsofina rano ao amin’ny paroasy izay misy ny taratasy firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo ray aman-dreniny.

Ireo torolalana amin’ny fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza

Rehefa manome tsodrano zazakely iray dia mivondrona ho fari-bolana iray ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ary mametraka ny tanany ao ambanin’ilay zaza. Rehefa manome tsodrano ny zaza lehibe kokoa iray dia mametraka moramora ny tanany eo ambony lohan’ilay zaza ireo rahalahy. Ilay olona manome ilay tsodrano dia:

  1. Miresaka amin’ny Ray any An-danitra.

  2. Manambara fa ilay tsodrano dia tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka.

  3. Manome anarana ilay zaza.

  4. Manome tsodrano araka izay hitarihan’ny Fanahy.

  5. Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy