Ny soratra masina
2 Nefia 25


Toko 25

Nirehareha ny amin’ny fanazavan-tsaina i Nefia—Hazava ny faminanian’i Isaia amin’ny andro farany—Ny Jiosy dia hiverina avy any Babylona, hanombo ny Mesia sy haely patrana ary hampahoriana—Hampodiana izy rehefa mino ny Mesia—Ho tonga voalohany Izy, eninjato taona taorian’ny nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema—Nitandrina ny lalàn’i Mosesy ny Nefita sady nino an’i Kristy, dia ny Iray Masin’ny Isiraely. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Ankehitriny, izaho Nefia dia somary miresaka momba ny teny izay efa nosoratako, izay efa notenenin’ny vavan’i Isaia. Fa indro, i Isaia dia nilaza zavatra maro izay sarotra ho an’ny ankamaroan’ny oloko ny mahazo izany; noho izy tsy mahalala ny fomban’ny faminaniana teo amin’ny Jiosy.

2 Fa izaho Nefia dia tsy nampianatra azy zavatra maro momba ny fomban’ny Jiosy; satria ny asany dia asan’ny maizina ary ny ataony dia naneho fahavetavetana.

3 Koa manoratra ho an’ny oloko aho, ho an’ireo rehetra izay handray ireto zavatra izay soratako ireto rahatrizay mba hahazoany mahalala ny fitsaran’ Andriamanitra izay hihatra amin’ny firenena rehetra, araka ny teny izay efa nolazainy.

4 Koa mihainoa ry vahoakako izay isan’ny mpianakavin’i Isiraely ary atongilano amin’ny teniko ny sofina; satria na dia tsy mazava aminareo aza ny tenin’i Isaia, dia mazava kosa izany amin’ireo rehetra izay heniky ny fanahin’ny faminaniana. Fa omeko faminaniana iray ianareo araka ny fanahy izay ao anatiko; koa haminany aho araka ny fahazavana izay efa nomba ahy hatry ny fotoana izay nandaozako an’i Jerosalema niaraka tamin-draiko; satria indro, finaritra ao amin’ny fanazavana ny sain’ny oloko ny fanahiko mba hahazoany mianatra.

5 Eny, finaritra amin’ny tenin’i Isaia ny fanahiko fa nivoaka avy tany Jerosalema aho, ary ny masoko efa nahita ny zavatry ny Jiosy, ary fantatro fa ny Jiosy dia mahazo ny zavatry ny mpaminany, ary tsy misy olona hafa izay mahatakatra ny zavatra izay efa nolazaina ny Jiosy tahaka azy, raha tsy hoe efa nampianarina araka ny fomban-javatra teo amin’ny Jiosy izy.

6 Nefa indro izaho Nefia dia tsy nampianatra ny zanako araka ny fomban’ny Jiosy; nefa indro, izao tenako izao dia efa nonina tao Jerosalema, koa fantatro ny amin’ireo toerana manodidina; ary efa nasiako teny tamin’ny zanako ny momba ny fitsaran’ Andriamanitra izay efa nitranga teo anivon’ny Jiosy araka izay rehetra efa nolazain’i Isaia ka tsy hanoratra izany aho.

7 Nefa indro tohiziko ny faminaniako araka ny fahazavan-tsaiko; izay nahalalako fa tsy misy olona afaka mandiso hevitra; kanefa, amin’ny andro izay hahato ireny faminanian’i Isaia ireny, dia hahafantatra marina tokoa ny olona rehefa ho tanteraka izy ireny amin’ny fotoany.

8 Koa manan-danja ho an’ny zanak’olombelona izy ireny, ary izay mihevitra fa tsy izany, dia ho azy indrindra no hitenenako, ary ferako ho an’ny oloko ihany ny teniko; satria fantatro fa izy ireny dia hanan-danja lehibe ho azy amin’ny andro farany; satria amin’izany andro izany no hahatakarany azy ireny; koa mba hahasoa azy no nanoratako azy ireny.

9 Ary toy ny efa namongorana ny taranaka iray teo amin’ny Jiosy noho ny helony, no efa namongorana ihany koa ny taranaka fara mandimby noho ny helony ary tsy nisy na oviana na oviana nofongorana taminy raha tsy efa nampilaza mialoha taminy ny mpaminanin’ny Tompo.

10 Noho izany dia efa nolazaina azy ny amin’ny famongorana izay hihatra aminy avy hatrany, taorian’ny nandaozan-draiko an’i Jerosalema; kanefa nanamafy ny fony izy; ary araka ny faminaniako, dia efa fongana izy afa-tsy ireo izay nentina ho babo tany Babylona.

11 Ary ankehitriny, izany no lazaiko noho ny fanahy izay ato anatiko. Ary na dia nentina any aza anefa izy dia mbola hiverina indray mba hizaka ny tanin’i Jerosalema; noho izany izy dia hampodiana ho amin’ny laoniny indray any amin’ny tany lovany.

12 Nefa indro, ho tojo ady sy tabataban’ady izy; ary raha avy ny andro izay hanehoan’ny Zanaka Lahitokan’ny Ray, eny, dia ny Rain’ny lanitra sy ny tany, ny tenany ao amin’ny nofo aminy, dia indro hitsipaka Azy izy noho ny helony sy ny hamafin’ny fony ary ny fihenjanan’ny hatony.

13 Indro, hohomboany Izy; ary rehefa avy nampandriana tao am-pasana nandritra ny telo andro Izy, dia hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany; ary ireo rehetra izay hino ny anarany no hovonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Koa finaritra amin’ny faminaniana ny momba Azy ny fanahiko, satria efa nahita ny androny aho, ary ny foko dia midera ny anarany masina.

14 Ary indro, ny zavatra hitranga, rehefa avy nitsangana tamin’ny maty ny Mesia sy naneho ny tenany tamin’ny olony, tamin’ny rehetra izay nety nino ny anarany, dia indro, horavana indray i Jerosalema; ka lozan’ireo izay miady amin’ Andriamanitra mbamin’ny olon’ny fiangonany.

15 Koa haely patrana any anivon’ny firenena rehetra ny Jiosy; eny, ary horavana koa i Babylona; noho izany dia haelin’ny firenen-kafa ny Jiosy.

16 Ary rehefa avy naely patrana izy, ary ny Tompo Andriamanitra efa nikaravasy azy tamin’ny alalan’ny firenen-kafa nandritra ny taranaka maro, eny, na dia hatramin’ny taranaka fara mandimby aza izany, mandra-paharesy lahatra azy ka hinoany an’i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra sy ny sorompanavotana izay tsisy fetra ho an’ny olombelona rehetra—ary rehefa ho avy izany andro izany, izay hinoany an’i Kristy sy hiderany ny Ray amin’ny anarany amin’ny fo mahitsy sy ny tanana madio ary tsy hiandrandrany Mesia hafa intsony, amin’izany fotoana izany dia ho tonga ny andro izay tsy maintsy ilaina ny hinoany ireo zavatra ireo.

17 Ary haninjitra ny tanany fanindroany indray ny Tompo hampodiana amin’ny laoniny ny olony ho afaka amin’ny toetry ny fahaverezana sy ny fahalavoana. Noho izany Izy dia hanomboka hanao asa mahagaga sy mahatalanjona eo anivon’ny zanak’olombelona.

18 Noho izany Izy dia hampitondra ny teniny any aminy, dia ny teny izay hitsara azy amin’ny andro farany, satria homena ireny izy hoenti-mandresy lahatra azy ny amin’ny tena Mesia izay notsipahiny; sy handresen-dahatra azy fa tsy ilainy ny hiandrandrany intsony Mesia iray izay ho avy, satria tsy hisy ho avy intsony afa-tsy Mesia sandoka izay hamitaka ny olona; satria tsy misy afa-tsy Mesia iray ihany no voalazan’ny mpaminany, ary io no Ilay Mesia izay hotsipahan’ny Jiosy.

19 Fa araka ny tenin’ny mpaminany, dia ho avy ny Mesia, eninjato taona taorian’ny fotoana nandaozan-draiko an’i Jerosalema; ary araka ny tenin’ny mpaminany ary koa ny tenin’ilay anjelin’ Andriamanitra, dia ho Jesoa Kristy no anarany, ilay Zanak’ Andriamanitra.

20 Ary ankehitriny ry rahalahiko, efa nilaza mazava tsara taminareo aho mba tsy hahafahanareo mandiso hevitra. Ary raha velona koa ny Tompo Andriamanitra izay nitondra ny Isiraely hiala ny tany Egypta sy nanome fahefana an’i Mosesy hanasitranany ny vahoaka rehefa avy nokaikerin’ny menarana misy poizina ireo, raha atopin’izy ireo ny masony any amin’ilay menarana izay natsangany teo anoloany, ary nanome azy koa fahefana hikapoka ny vatolampy ka dia niboiboika ny rano; eny, indro hoy aho aminareo, fa raha marina ireo zavatra ireo ary raha velona koa ny Tompo Andriamanitra, dia tsy misy anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra hahafahana mamonjy ny olona afa-tsy ny anaran’i Jesoa Kristy, izay efa noteneniko.

21 Koa noho izany antony izany no efa nampanantenain’ny Tompo Andriamanitra ahy fa horaketina sy hotehirizina ireto zavatra izay soratako ireto ka hatolotra ny solofoko sy ny taranaka fara mandimby mba ho tanteraka ny fampanantenana natao tamin’i Josefa, fa tsy ho fongana na oviana na oviana ny taranany raha mbola mijoro koa ny tany.

22 Noho izany ireto zavatra ireto dia hatolotra ny taranaka fara mandimby raha mbola mijoro koa ny tany; ary handeha ireto araka ny sitrapo sy ny safidin’ Andriamanitra, ka ny firenena izay hanana ireto dia hotsarainy araka ny teny izay voasoratra.

23 Fa miasa araka ny zotom-po isika hanoratra mba handresy lahatra ny zanatsika ary koa ny rahalahintsika mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra; satria fantatsika fa noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.

24 Ary na dia mino an’i Kristy aza isika dia mitandrina ny lalàn’i Mosesy sady miandrandra an’i Kristy amin’ny fiorenana mafy, mandra-pahatanteraky ny lalàna.

25 Fa izany no antony nanomezana ny lalàna; koa ny lalàna dia tonga maty amintsika, ary velomina ao amin’i Kristy isika noho ny finoantsika; kanefa dia mitandrina ny lalàna isika noho ny didy.

26 Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, mamin’ny ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.

27 Koa miresaka ny amin’ny lalàna isika mba hahalalan’ny zanatsika ny fahafatesan’ny lalàna; ary ny fahalalany ny fahafatesan’ny lalàna no hahazoany miandrandra ny fiainana izay ao amin’i Kristy sy mahafantatra ny zava-kinendry tamin’ny nanomezana ny lalàna. Ary rehefa tanteraka ao amin’i Kristy ny lalàna, dia tsy ilaina ny hanamafisany ny fony Aminy rehefa tsy maintsy hofoanana ny lalàna.

28 Ary ankehitriny indro rey olona, ianareo dia olona mafy hatoka; izany no efa niresahako mazava tsara taminareo mba tsy hahafahanareo mandiso hevitra. Ary ny teny efa nolazaiko dia hijoro ho toy ny vavolombelona hanohitra anareo; satria ireny dia ampy hampianatra ny tsirairay ny lala-mahitsy; satria ny lala-mahitsy dia ny mino an’i Kristy fa tsy ny mandà Azy; fa amin’ny fandavanareo Azy, dia mandà ihany koa ny mpaminany sy ny lalàna ianareo.

29 Ary ankehitriny, indro lazaiko aminareo fa ny mino an’i Kristy no lala-mahitsy fa tsy ny mandà Azy; ary i Kristy no Iray Masin’ny Isiraely; koa ianareo dia tsy maintsy miankohoka eo anoloany sy mitsaoka Azy amin’ny hery, ny saina ny tanjaka, ary ny fanahinareo rehetra; ary raha manao izany ianareo dia tsy holavina velively.

30 Ary raha tany ka mbola ilaina izany, dia tsy maintsy mitandrina ny fomba sy ny ôrdônansin’ Andriamanitra ianareo mandra-pahatanteraky ny lalàna izay nomena an’i Mosesy.