Toko 4
(Jona—Ôktôbra 1830)
Ny nahatonga an’i Satana ho devoly—Naka fanahy an’i Eva izy—Lavo i Adama sy i Eva, ary niditra teo amin’izao tontolo izao ny fahafatesana.
1 Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia niteny tamin’i Mosesy nanao hoe: Io Satana izay nodidinao tamin’ny anaran’ny Lahitokako io ilay efa hatrany am-piandohana, ary tonga teo Amiko izy, nanao hoe—Indro, inty aho, iraho aho, ho zanakalahinao aho ary havotako ny olombelona rehetra ka tsy hisy olona iray ho very, ary hataoko marina tokoa izany; koa omeo ahy ny voninahitrao.
2 Nefa indro, ny Zanaka Malalako, izay Malalako sy nofidiko hatrany am-piandohana, dia niteny Tamiko hoe—Ray ô, hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay.
3 Koa satria nikomy Tamiko i Satana ary nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona, izay efa nomeko, Izaho Tompo Andriamanitra azy, ary nikatsaka ny hanomezako azy koa ny heriko; tamin’ny alalan’ny fahefan’ny Lahitokako, dia nasaiko nazera ety ambany izy;
4 Ary tonga Satana izy, eny dia ny devoly, ny rain’ny lainga rehetra, mba hamitaka sy hanajamba ny olona, mba hitarika azy ho babo araka ny sitrapony, dia izay rehetra tsy te hihaino ny feoko.
5 Ary ankehitriny ny menarana dia fetsy kokoa noho ny bibidia rehetra any an-tsaha, izay efa nataoko, Izaho Tompo Andriamanitra.
6 Ary napetrak’i Satana tao am-pon’ny menarana izany (fa efa notarihiny hanaraka azy ny maro) ary nokatsahiny koa ny hanangoly an’i Eva, satria tsy fantany ny sain’ Andriamanitra, koa nokatsahiny ny handrava izao tontolo izao.
7 Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky efa nataon’ Andriamanitra hoe—Tsy hihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha? (Ary niteny tamin’ny vavan’ny menarana izy.)
8 Ary hoy ravehivavy tamin’ny menarana: Azonay ihinanana ny voan’ny hazo eo amin’ny saha;
9 Fa ny voan’ny hazo izay tazanao eo afovoan’ny saha kosa no efa nataon’ Andriamanitra hoe—Tsy hihinananareo na hokasihinareo izany, fandrao maty ianareo.
10 Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty marina tokoa ianareo;
11 Fa Andriamanitra dia mahalala fa amin’ny andro izay ihinananareo azy, dia hahiratra ny masonareo ka ho toy ireo andriamanitra ianareo, mahafantatra ny tsara sy ny ratsy.
12 Ary nony nahita ravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo ary nanjary fahafinaretan’ny maso izany, fa mampitsiriritra hampahendry azy ny hazo, dia nanotazany ny voany ka nihinanany ary nomeny ny vadiny izay teo anilany, ka dia nihinana izy.
13 Ary samy nahiratra ny masony ka fantany fa nitanjaka izy ireo. Dia nozairiny ny ravin’aviavy ary nasikiny ny tenany.
14 Ary nandre ny feon’ny Tompo Andriamanitra izy ireo raha nitsangatsangana teo amin’ny saha nony tolaka ny andro; ary i Adama sy ny vadiny dia nandeha tao anaty hazo tao amin’ny saha, nanafina ny tenany tsy ho eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitra.
15 Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia niantso an’i Adama ary nanao taminy hoe: Nankaiza ianao?
16 Ary hoy izy: Nandre ny feonao tao amin’ny saha aho ka natahotra, satria hitako fa nitanjaka aho ka dia niery.
17 Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia niteny tamin’i Adama hoe: Iza no nilaza taminao fa nitanjaka ianao? Efa nihinananao va ny hazo izay nandidiako anao tsy hihinananao, fa raha tsy izany dia ho faty marina tokoa ianao?
18 Ary hoy ralehilahy: Ny vehivavy nomenao ahy ary nodidinao hiara-mitoetra amiko, izy no nanome ahy ny voankazo ka dia nihinana aho.
19 Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia niteny tamin-dravehivavy hoe: Inona ity zavatra nataonao ity? Ary hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.
20 Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia niteny tamin’ny menarana hoe: Satria nanao izany ianao dia ho voaozona mihoatra noho ny biby rehetra, mihoatra noho ny biby rehetra any an-tsaha; ny kibonao no handehananao, ary ny vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao;
21 Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; ary hanorotoro ny lohanao izy ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahintongony.
22 Tamin-dravehivavy no nitenenako, Izaho Tompo Andriamanitra, hoe: Hampitomboiko be dia be tokoa ny fahorianao rehefa mihetsi-jaza ianao. Amin’ny fahoriana no hiterahanao ny zanakao ary ny fanirianao dia ny ho an’ny vadinao, ka izy no hanapaka anao.
23 Ary tamin’i Adama no nitenenako, Izaho Tompo Andriamanitra, hoe: Satria efa nihaino ny feon’ny vadinao ianao ary nihinana tamin’ny voan’ny hazo izay nandidiako anao, nanao hoe: Tsy hihinananao izany, dia ho voaozona ny tany noho ny aminao; amin’ny fahoriana no hihinananao amin’izany amin’ny andro rehetra hiainanao.
24 Haniry songosongo sy tsilo ho anao izany, ary anana famboly no hohaninao.
25 Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao mofo mandra-piverinao ho amin’ny tany—fa ho faty marina tokoa ianao—fa avy tamin’izany no nanalana anao: fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka.
26 Ary i Adama dia nanao ny anaran’ny vadiny hoe, Eva satria izy no renin’ny olombelona rehetra; fa toy izany no efa niantsoako, Izaho Tompo Andriamanitra, ny voalohany amin’ny vehivavy rehetra izay maro.
27 Ho an’i Adama, ary koa ho an’ny vadiny, no nanaovako, Izaho Tompo Andriamanitra, akanjo hoditra izay nampiakanjoako azy ireo.
28 Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia niteny tamin’ny Lahitokako hoe: Indro, efa tonga tahaka ny anankiray Amintsika ny olona, mahalala ny tsara sy ny ratsy; Ary ankehitriny, fandrao haninjitra ny tanany izy ka haka koa amin’ny hazon’aina, dia hihinana ary ho velona mandrakizay,
29 Koa Izaho Tompo Andriamanitra dia handefa azy hiala ao amin’ny Saha Edena, hiasa ny tany izay nanalana azy;
30 Fa raha velona koa Izaho Tompo Andriamanitra, dia toy izany koa no tsy hiverenan’ny teniko foana, fa araka ny ivoahany ny vavako no tsy maintsy ahatanterahany.
31 Koa noroahiko ny olona ary nampitoeriko tao atsinanan’ny Saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankamin’ny hazon’aina.
32 (Ary izany no teny izay noteneniko tamin’i Mosesy mpanompoko, ary marina izany, araka izay sitrako; ary efa noteneniko anao izany. Ezaho mba tsy haseho olona izany mandra-pandidiako anao, afa-tsy ireo izay mino. Amena.)