Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Matoky ny Raintsika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2024


10:20

Matoky ny Raintsika

Matoky antsika Andriamanitra mba handray fanapahan-kevitra manan-danja maro sy amin’ny lafin-javatra rehetra, miangavy antsika Izy mba hatoky Azy.

Tamin’ny 1 Jona 1843 no niala tao Nauvoo Illinois i Addison Pratt, hitory filazantsara ho any amin’ireo Nosy Haoaiana ka namela an’i Louisa Barnes Pratt vadiny hikarakara ny fianakaviana vao naorin’ izy ireo.

Tao Nauvoo, rehefa nihamafy ny fanenjehana izay nanery ireo Olomasina hiala, ary taty aoriana tany Winter Quarters raha teo am-piomanana ny hifindra monina ho any amin’ny Lohasahan’i Salt Lake izy ireo dia niatrika ny fanapahan-kevitra hoe tokony handeha sa tsia i Louisa. Ho mora kokoa ny mijanona sy miandry ny fiverenan’i Addison toy izay hanao dia samirery.

Amin’ireo tranga roa ireo dia nikatsaka fitarihana avy tamin’ny mpaminany Brigham Young izy, izay namporisika azy handeha. Nahavita tamim-pahombiazana hatrany ny dia izy na dia teo aza ny fahasarotana lehibe sy ny fisalasalany manokana.

Nahita fifaliana kely i Louisa tany am-piandohan’ny dia. Kanefa vetivety foana izy dia nankafy ny haimaitson’ny lohasaha sy ireo voninkazo dia maroloko ary ireo sombin-tany manamorona ireo renirano. “Nihananjavona tsikelikely tao an-tsaiko ny alahelo,” hoy izy nanoratra, “ary tsy nisy vehivavy tena falifaly mihoatra ahy tao amin’ireo mpiray dia rehetra.”

Nampientam-panahy ahy lalina ny tantaran’i Louisa. Deraiko ny finiavany hampandefitra ireo zavatra tiany manokana, sy ny fahaizany mitoky amin’ Andriamanitra ary ny fomba nahafahan’ny fampiharana finoana nanampy azy hahita ilay toe-javatra tamin’ny fomba hafa.

Nampahatsiahy ahy izy fa isika dia manana Ray any An-danitra be fitia izay mikarakara antsika na aiza na aiza misy antsika ary afaka matoky Azy isika mihoatra ny olona rehetra sy ny zavatra rehetra.

Ilay loharanon’ny fahamarinana

Matoky antsika Andriamanitra mba handray fanapahan-kevitra manan-danja maro sy amin’ny lafin-javatra rehetra, miangavy antsika Izy mba hatoky Azy. Sarotra izany indrindra fa rehefa tsy mitovy amin’ny sitrapony ho an’ireo Zanany ny fomba fijerintsika na ny hevitsika eo imasom-bahoaka.

Misy ireo izay mandroso hevitra fa tokony averintsika faritana ny mampiavaka ny hoe tsara sy ny hoe ratsy satria milaza izy ireo fa miovaova arakaraka ny toe-javatra ny fahamarinana, na hoe ny tenanao no mamaritra ny zavatra tena misy, na koa hoe malala-tanana tokoa Andriamanitra ka tsy dia tena raharahiany loatra izay ataontsika.

Rehefa mikatsaka ny hahatakatra sy hanaiky ny sitrapon’ Andriamanitra isika dia manampy be ny mahatsiaro fa tsy anjarantsika ny mamaritra ny marika mampisaraka ny tsara sy ny ratsy. Andriamanitra mihitsy no nametraka ireo marika ireo, izay mifototra amin’ireo fahamarinana mandrakizay ho tombontsoa sy fitahiana ho antsika.

Efa ela no nitsiry ny faniriana hanova ny fahamarinana mandrakizain’ Andriamanitra. Nanomboka talohan’ny niantombohan’izao tontolo izao izany, raha nikomy i Satana nanohitra ny drafitr’ Andriamanitra, nikatsaka tamim-pitiavan-tena handrava ny fahafahan’ny olona misafidy. Araka izay fomba izay, ireo olona tahaka an’i Serema sy Nehôra ary Kôrihôra dia nanizingizina fa fahadalana ny finoana, tsy mitombina ny fanambarana, ary tsara daholo izay rehetra tiantsika hatao. Mampalahelo, fa tena matetika ireny fivaonana amin’ny fahamarinan’ Andriamanitra ireny no nitondra tamin’ny fijaliana lehibe.

Na dia miankina amin’ny toe-javatra misy aza ny zavatra sasantsasany, tsy ny zavatra rehetra no tahaka izany. Nampianatra tsy tapaka ny Filoha Russell M. Nelson fa ireo fahamarinan’ Andriamanitra izay mahavonjy dia tsy miankina na amin’inona na amin’inona, ary Andriamanitra mihitsy no namaritra azy ireny.

Ny safidintsika

Anisan’ireo fanapahan-kevitra manan-danja eo amin’ny fiainana ny fisafidianana hoe iza no hitokisantsika. Nampianatra ny vahoakany i Benjamina Mpanjaka hoe, “Minoa an’ Andriamanitra; minoa fa misy Izy … ; minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra … ; minoa fa ny olona dia tsy mahatakatra ny zava-drehetra izay azon’ ny Tompo takarina.”

Soa ihany fa manana ireo soratra masina isika sy ny fitarihan’ireo mpaminany velona afaka manampy antsika hahatakatra ny fahamarinan’ Andriamanitra. Raha ilaina ny fanazavana ankoatr’izay efa ananantsika dia omen’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Mpaminaniny izany. Ary hamaly ireo vavaka amin-kitsim-po ataontsika Izy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa mikatsaka ny hahatakatra ireo fahamarinana izay mbola tsy tena ankafizintsika tanteraka.

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen indray mandeha hoe tsy tokony ho gaga isika, “raha indraindray ny sasany amin’ireo fomba fijerin[tsika] manokana dia tsy mifanaraka amin’ireo fampianaran’ny mpaminanin’ny Tompo any am-boalohany.” Fotoana hianarana,” hoy izy, “sy hanetrena tena ireny rehefa mandohalika mivavaka isika. Mandroso amim-pinoana isika, matoky an’ Andriamanitra, mahalala fa rehefa mandeha ny fotoana dia handray fahazavana ara-panahy misimisy kokoa avy amin’ny Rai[ntsika] any An-danitra isika.”

Na oviana na oviana dia manampy ny mahatadidy ilay fampianaran’i Almà hoe Andriamanitra dia manome ny teniny araka ny fifantohana sy ny ezaka atokantsika amin’izany. Raha mihaino ny tenin’ Andriamanitra isika, dia handray misimisy kokoa; raha tsy miraharaha ny toroheviny isika, dia mihakely hatrany ny zavatra raisintsika ambara-pahatonga antsika tsy hanana na inona na inona. Izany fahaverezana fahalalana izany dia tsy midika hoe diso ilay fahamarinana, fa mampiseho kosa fa very ny fahafahantsika mahatakatra izany.

Mibanjina ny Mpamonjy

Nampianarin’ny Mpamonjy tao Kapernaomy ny momba ny hoe iza Izy ary inona no nanirahana Azy. Maro no nilaza fa sarotra henoina ireo teniny, ka nahatonga azy ireo hitodi-damosina ka “tsy niara-nandeha taminy intsony.”

Fa nahoana izy ireo no nandao?

Satria tsy tian’izy ireo ny zavatra nolazainy. Koa natoky ny fomba fijerin’izy ireo manokana izy ireo, ka nandao, ary nandà ireo fitahiana izay tokony ho tonga raha toa izy ireo ka nitoetra.

Mora amin’ny hambon-pontsika ny misosoka ka tsy ahafahantsika manaiky fahamarinana mandrakizay. Rehefa tsy mahatakatra isika dia afaka miato kely ka mamela ny fahatsapantsika hitony ary avy eo vao misafidy ny fomba hoenti-miatrika izany. Ny Mpamonjy dia nitaona antsika “[hibanjina Azy] amin’ny eritreritra rehetra; tsy hiroanàhana, tsy hatahotra.” Rehefa mifantoka amin’ny Mpamonjy isika dia afaka manomboka mandresy ireo olana ny finoantsika.

Araka ny namporisihan’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf antsika hoe: “Ny ahiahinareo aloha no ahiahio alohan’ny hiahiahianareo ny finoanareo. Tsy tokony hamela ny ahiahintsika mihitsy isika hanagadra sy hanakana antsika tsy hahazo ilay fitiavan’ Andriamanitra sy ny fiadanany ary ireo fanomezam-pahasoavana izay tonga amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy.”

Tonga amin’ireo izay mitoetra ireo fitahiana

Rehefa niala tamin’ny Mpamonjy ireo mpianatra tamin’io andro io, dia nanontany ireo Roambinifololahy izy avy teo hoe: “Hianareo koa va mba te-hiala?”

Hoy i Petera , namaly:

“Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.

“Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra.”

Raha ny marina dia tontolo iray ihany no nonenan’ireo Apôstôly, ary tsindry ara-piarahamonina iray ihany no natrehan’izy ireo sy ireo mpianatra niala. Kanefa tamin’io fotoana io dia nisafidy ny finoany izy ireo ary natoky an’ Andriamanitra ka nitsinjo ireo fitahiana izay omen’ Andriamanitra ho an’ireo izay mitoetra.

Angamba ianao, tahaka ahy koa matetika dia efa sendra tafalatsaka teo anelanelan’ny lafiny roa amin’io fanapahan-kevitra io. Rehefa hitantsika fa sarotra ny mahatakatra na ny manaiky ny sitrapon’ Andriamanitra, dia mankahery ny mahatsiaro fa tia antsika amin’ny maha-isika antsika Izy, ary na aiza na aiza no misy antsika. Ary manana zavatra tsara kokoa ho antsika Izy. Raha mangataka fanampiana Aminy isika dia hanampy antsika Izy.

Raha toa ka sarotra ny mangataka fanampiana Aminy, tsy misy hafa tamin’ilay raim-pianakaviana izay nikatsaka fanasitranana ho an’ny zanany lahy, ka notenenin’ny Mpamonjy hoe: “Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino,” Isika koa mandritra ireo fotoan-tsarotra andalovantsika dia afaka miantsoantso hoe “Vonjeo mba ho afaka amin’ny tsy finoa[nay].”

Mampandefitra ny sitrapontsika amin’ny sitrapony

Nisy fotoana ny Loholona Neal A. Maxwell dia nampianatra hoe: “Ny fampandeferana ny sitrapon’ny tena no tena ilay hany zavatra tena antsika manokana izay tokony hatolotsika eo ambony alitaran’ Andriamanitra.” Tsy nahagaga i Benjamina Mpanjaka raha naniry fatratra ny vahoakany ho tonga “tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina azy, dia tahaka ny zaza manoa an-drainy.”

Toy ny mahazatra dia naneho ohatra tonga lafatra ho antsika ny Mpamonjy. Tamin’ny fo mavesatra sy ny fahalalana tsara ny asa mampanaintaina izay tsy maintsy ho ataony, no nampandeferany ny sitrapony tamin’ny an’ny Rainy ka nanatanterahany ny iraka tamin’ny naha mesia Azy, ary nanokafany ny fampanantenan’ny mandrakizay ho ahy sy ho anao.

Asa amim-pinoana izay ivon’ny maha-mpianatra antsika ny safidy hampandefitra ny sitrapontsika amin’ny an’ Andriamanitra. Rehefa manao io safidy io isika dia hahita fa tsy mihena ny fahafahantsika misafidy, fa mihamitombo sy ahazoana ny fiarahan’ny Fanahy Masina ho valisoa izany, izay mitondra tanjona, fifaliana, fiadanana ary fanantenana izay tsy hitantsika na aiza na aiza.

Volana vitsivitsy lasa izay izaho sy ny filohan’ny tsatòka iray dia namangy rahavavy iray sy ny zanany lahy mbola tanora tao amin’ny tsatòkany. Taorian’ny taona maro nanalavirany ny Fiangonana dia niverina izy rehefa avy nirenireny tamin’ny lalan-tsarotra sy tsy mahafinaritra. Nanontanianay azy nandritra ny fitsidihanay ny antony niverenany.

“Nosimbaiko ny fiainako,” hoy izy, “ary nahafantatra aho hoe aiza no tokony hisy ahy.”

Avy eo dia nanontaniako azy ny zavatra nianarany avy tamin’izany zavatra nodiaviny izany.

Tamim-pihetseham-po kely no nizarany fa nianatra izy hoe mila manatrika fiangonana elaela izy mba hialana amin’ilay fahazarana tsy tonga, ary mila mijanona mandra-paha tafatoetra azy tsara eo amin’izay tiany hisy azy. Tsy mora ny fiverenany fa nampihatra finoana ny drafitry ny Ray izy, tsapany hoe niverina ny Fanahy.

Ary avy eo dia nampiany hoe: “Izaho mihitsy no nianatra fa tsara Andriamanitra ary tsara kokoa noho ny ahy ny lalany.”

Mijoro ho vavolombelona aho momba an’ Andriamanitra, ilayRaintsika Mandrakizay, izay tia antsika; sy momba ny Zananilahy, Jesoa Kristy izay namonjy antsika. Fantatr’izy ireo ny ratra sy ny olana mahazo antsika. Tsy hahafoy antsika na oviana na oviana Izy ireo ary mahafantatra tanteraka ny fomba hamonjena antsika. Afaka ny ho faly isika raha matoky Azy ireo mihoatra noho ny olona na zavatra hafa. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.