Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Hiverina indray i Jesoa Kristy Tompo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2024


14:50

Hiverina indray i Jesoa Kristy Tompo

Izao no fotoana ho anao sy ho ahy mba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany an’ny Tompo sy Mpamonjintsika, Jesoa Kristy.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, feno fankasitrahana aho fa nitahy ahy ny Tompo mba hahafahako miresaka aminareo.

Tamin’ity fihaonambe ity dia niresaka tamintsika tamin’ny alalan’ireo mpanompony ny Tompo. Mamporisika anareo aho handalina ny hafatr’izy ireo. Ampiasao ho toy ny andrana hamantarana amin’ny fomba tsy azo iadian-kevitra izay marina sy izay tsy marina izany mandritra ireo enim-bolana manaraka.

Ny fitazonana sy ny fanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake, ary ireo faritra hafa eo Temple Square dia efa natomboka efa ho dimy taona izao. Ny vinavina amin’izao fotoana izao dia milaza fa ho vita any amin’ny fiafaran’ny taona 2026 io asa io. Feno fankasitrahana izahay noho ireo olona rehetra izay miasa amin’ny fanatontosana io tetikasa goavana io.

Nandritra ireo enim-bolana farany dia nanokana na namerina nanokana tempoly sivy tao anatina firenena dimy izahay. Manomboka izao ka hatramin’ny faran’ny taona dia hanokana dimy hafa izahay.

Androany izahay dia faly manambara drafitra hanorenana tempoly 17 fanampiny. Mihainoa amim-panajana fatratra azafady eo am-panononako ireo toerana.

  • Juchitán de Zaragoza, Meksika

  • San Salvador, El Salvador

  • Bogotá, Colombie

  • Santiago, République Dominicaine

  • Puerto Montt, Chili

  • Dublin, Irelande

  • Milan, Italia

  • Abuja, Nigéria

  • Kampala, Oganda

  • Beira, Mozambique

  • Coeur d’Alene, Idaho

  • Queen Creek, Arizona

  • El Paso, Texas

  • Huntsville, Alabama

  • Milwaukee, Wisconsin

  • Summit, New Jersey

  • Price, Utah

Ry rahalahy sy anabaviko malala, hitanareo ve ny zavatra mitranga izay eo ambany masontsika mihitsy? Mivavaka aho mba ho tsikaritsika ny maha-be voninahitra izao fotoana izao! Tena manafaingana ny asany tokoa ny Tompo.

Fa nahoana isika no manorina tempoly amin’ny hafainganana tsy mbola nisy toy izany? Nahoana? Satria asain’ny Tompo isika hanao toy izany. Manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely ao amin’ny lafiny roan’ny voaly ireo fitahian’ny tempoly. Manampy amin’ny fanomanana olona izay hanomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany koa ireo fitahiana ireo!

Ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Araka ny nolazain’i Isaia tamin’ny faminaniana sy izay voalaza amin’ny fomba tsy hay hadinoina ao amin’ny Le Messie an’i Handel, rehefa miverina i Jesoa Kristy, dia “hiseho ny voninahitr’i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany.”

Amin’izany andro izany “ny fanapahana dia ho eo an-tsorony; ary ny anarany antsoina hoe: Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Ny Ray Maharitra Mandrakizay, Ny Andrian’ny Fiadanana.”

Sady hanapaka avy ao Jerosalema fahiny i Jesoa Kristy no hanjaka ao Jerosalema Vaovao izay “haorina eo amin’ny kaontinanta Amerikana.” Hotarihiny avy any amin’ireo ivon-toerana roa ireo ny raharahan’ny Fiangonany.

Amin’izany andro izany ny Tompo dia ho fantatra amin’ny hoe “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.” Ireo izay miaraka Aminy dia ho “voantso sy voafidy ary mahatoky.”

Ry rahalahy sy anabavy, izao no fotoana ho anao sy ho ahy mba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany an’ilay Tompo sy Mpamonjintsika, dia i Jesoa Kristy. Izao no fotoana tokony hanaovantsika ho laharampahamehana ambony indrindra ny maha-mpianatry ny Tompo antsika. Ahoana no ahafahantsika manao izany ao anatina tontolo feno zava-mahavariana mahafanina?

Ny tempolin’i Rome Italie.

Hanampy antsika ny fitsaohana tsy tapaka ao amin’ny tempoly. Mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika ao amin’ny tranon’ny Tompo. Mianatra Aminy isika. Manao fanekempihavanana hanara-dia Azy isika. Lasa mahafantatra Azy isika. Rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika tany amin’ny tempoly isika, dia mahazo misimisy kokoa amin’ny hery mampatanjaky ny Tompo. Mahazo fiarovana amin’ny fampijalian’izao tontolo izao isika ao amin’ny tempoly. Mahatsapa be dia be ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy sy ny an’ny Raintsika any An-danitra isika! Mahatsapa fiadanana sy fanomezan-toky ara-panahy isika, izay mifanohitra amin’ny fikorontanana eto amin’izao tontolo izao.

Izao no fampanantenako aminareo: Hahita Azy ao amin’ny tempoly izay rehetra mikatsaka marina an’i Jesoa Kristy. Hahatsapa ny famindram-pony ianareo. Hahazo valiny amin’ireo fanontaniana manahirana anareo indrindra ianareo. Ho takatrareo misimisy kokoa ny fifaliana avy amin’ny filazantsarany.

Nianatra aho fa ity no fanontaniana manan-danja indrindra tsy maintsy valiantsika tsirairay avy: Ho an’iza na amin’ny inona no hanolorako ny aiko?

Ny Filoha Nelson amin’ny maha-mpandidy azy.

Ny fanapahan-kevitro hanara-dia an’i Jesoa Kristy no fanapahan-kevitra manan-danja indrindra nataoko hatrizay. Nandritra ny fianarana ho mpitsabo dia nahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny maha-Andriamanitra an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany aho. Hatramin’izay fotoana izay dia ny Mpamonjintsika no vatolampy nanorenako ny fiainako. Nanova zavatra lehibe izany safidy izany! Nanamora ireo fanapahan-kevitra maro hafa izany fanapahan-kevitra izany. Nanampy ahy hanana tanjona sy hahalala ny lalana ombako izany fanapahan-kevitra izany. Nanampy ahy hiaritra ireo fitsapana teo amin’ny fiainako koa izany. Mamelà ahy hizara ohatra roa:

Voalohany, rehefa nodimandry tampoka i Dantzel vadiko, dia tsy nisy tratrako antso ireo zanakay. Tamin’izay aho dia irery, kivy ary niantso vonjy hahazo fanampiana. Soa ihany fa nampianarin’ny Tompo ahy tamin’ny alalan’ny Fanahiny ny antony nakana an’i Dantzel hody any amin’ny Ray. Nahazo fampiononana aho noho izany fahatakarana izany. Rehefa nandeha ny fotoana dia nitombo ny fahafahako niaritra ny alaheloko. Taty aoriana dia nampakatra an’i Wendy vadiko aho. Mitana anjara toerana manan-danja ao amin’ny ohatra faharoa hozaraiko izy.

Rehefa nandeha namita andraikitra tany amin’ny tany lavitra iray izaho sy i Wendy, dia notohofan’ny jiolahy mitam-piadiana basy ny lohako dia notsindriany ilay fihatsim-basy. Saingy tsy nipoaka ilay basy. Tao anatin’izany zavatra niainana izany dia notandindomin-doza ny ainay roa. Kanefa nahatsapa fiadanana tsy azo lavina izaho sy i Wendy. Ilay fiadanana “mihoatra noho ny fahalalana rehetra” izany.

Ry rahalahy sy anabavy, hampahery anareo koa ny Tompo! Hampatanjaka anareo Izy. Hanome fiadanana anareo Izy, na dia ao anatin’ny korontana aza.

Jesoa Kristy Tompo.

Mba henoy ity fampanantenana omen’i Jesoa Kristy anareo ity: “Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo.”

Tsy misy fetra ny fahaizan’ny Mpamonjy manampy anao. Ho anao ny fijaliany tsy takatry ny saina tao Getsemane sy teo Kalvary! Ho anao ny Sorompanavotany tsy misy fetra!

Mamporisika anao aho hanokana fotoana isan-kerinandro, mandritra ny androm-piainanao sisa, mba hampitombo ny fahatakaranao ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Marary ny foko ho an’ireo izay mahatsapa ho voafandriky ny fahotana kanefa tsy mahalala ny fomba hivoahana amin’izany. Mitomany aho ho an’ireo izay manana ady ara-panahy na mitondra enta-mavesatra irery satria tsy takany izay nataon’i Jesoa Kristy ho azy ireo.

Nentin’i Jesoa Kristy teo Aminy ny fahotanao, ny fanaintainanao, ny ratram-ponao, ary ny rofinao. Tsy voatery hizaka izany irery ianao! Hamela anao Izy rehefa mibebaka ianao. Hanome anao ny zavatra ilainao Izy. Hanasitrana ny fanahinao maratra Izy. Rehefa miray zioga Aminy ianao, dia ho maivana kokoa ny enta-mavesatrao. Raha hanao sy hitandrina fanekempihavanana hanara-dia an’i Jesoa Kristy ianao, dia ho hitanao fa mandalo ihany ireo fotoam-pahoriana eo amin’ny fiainanao. Ho “voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy” ny fahorianao.

Tsy misy izany hoe aloha loatra na tara loatra izany ho anao mba hahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy manolo-tena. Dia hahatsapa feno ny fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany ianao avy eo. Hahomby kokoa ihany koa ianao amin’ny fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, ho avy ny andro iray izay hiverenan’i Jesoa Kristy eto an-tany amin’ny maha-Mesian’ny arivotaona Azy. Koa androany aho dia miantso anareo mba hanokana indray ny fiainanareo ho an’i Jesoa Kristy. Miantso anareo aho hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely niely patrana sy hanomana an’izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Miantso anareo aho hiresaka an’i Kristy, hijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy, hino an’i Kristy, ary hifaly ao amin’i Kristy!

Manatòna an’i Kristy dia “atolory … Azy ny fanahinareo manontolo”. Izany no tsiambaratelon’ny fiainana feno fifaliana!

Mbola ho avy ny maraina, ry rahalahy sy anabavy malalako, satria hiverina indray ny Mpamonjy! Mbola ho avy ny maraina satria manafaingana ny asany ny Tompo. Mbola ho avy ny maraina rehefa mampitodika tanteraka ny fontsika sy ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy isika.

Mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba manetriketrika aho fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra. Mpianany aho. Voninahitra ho ahy ny maha-mpanompony ahy. Amin’ny Fiaviany Fanindroany “dia hiseho ny voninahitr’i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany.” Ho feno fifaliana io andro io ho an’ny olo-marina!

Amin’ny alalan’ny herin’ny fanalahidin’ny fisoronana masina hazoniko no hanambarako io fahamarinana io aminareo sy amin’izao tontolo izao iray manontolo! Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.