Ny fifaliana noho ny fanavotana antsika
Ny fitiavan’i Jesoa Kristy sy ny heriny dia afaka mamonjy antsika tsirairay amin’ny fahadisoantsika, ny fahalementsika ary ny fahotantsika sy afaka manampy antsika ho tonga olona miavaka kokoa.
Folo taona lasa teo ho eo izay dia nisy nanosika ahy hanao sary hosodokon’ny Mpamonjy. Na dia mpahaikanto aza aho dia somary nanahirana izany. Ahoana no hanaovako ny sarin’i Jesoa Kristy izay maneho ny fanahiny? Aiza no hanombohako izany? Ary aiza no hahitako fotoana?
Na dia teo aza ireo fanontaniako ireo dia nanapa-kevitra ny handroso aho ary natoky fa hanampy ahy ny Tompo. Saingy nila nandroso hatrany aho sy nametraka teo Aminy ireo zavatra azo atao. Nivavaka aho, nisaintsaina, nikaroka sy nanao sary ary voatahy tamin’ny fahitana fanampiana sy loharanom-pitaovana. Ary nanomboka ho lasa zavatra hafa kokoa ilay fitaovana fanaovana sary hosodoko niloko fotsy.
Tsy mora ilay dingana narahina. Indraindray tsy araka ilay nantenaiko izany. Indraindray nisy fotoana nisehoan’ny diam-borosin-doko sy hevitra tena tsara. Imbetsaka koa anefa aho no nila namerimberina nanandrana tsotra izao.
Raha nihevitra aho fa vita sy maina tanteraka ilay peinture à l’huile dia nanomboka nanisy vernis transparent aho hiarovana izany amin’ny loto sy ny vovoka. Rehefa nanao izany aho dia nahatsikaritra fa nanomboka niova sy nitsonika ary levona ilay volo teo amin’ilay sary hosodoko. Tonga dia takatro hoe aloha loatra ny nanosorako ilay vernis nefa mbola nisy lena ny ampahany tamin’ilay sary hosodoko.
Voafafako tanteraka tamin’ilay vernis ny ampahany tamin’ilay sary hosodoko nataoko. Tena nalahelo ny foko. Nahatsapa ho toy ireny nanimba ny zavatra nanampian’ Andriamanitra ahy mba hataoko ireny aho. Nitomany aho ary narary ny aiko. Tao anatin’ny fahakiviana dia nanao izay mety ho nataon’ny olona mahazatra tao anatin’ny toe-javatra toy izany aho: niantso ny reniko aho. Niteny tamim-pahendrena sy tamim-pitoniana izy hoe, “tsy hiverina aminao intsony ilay zavatra nanananao, fa ataovy izay tsara indrindra azonao atao eo anatrehan’ny zavatra eo am-pelatananao.
Noho izany dia nivavaka sy nangataka fanampiana aho, ary nandoko nandritra ny alina mba hanarenana ny zavatra tsy nety. Ary tsaroako aho nijery ilay sary hosodoko ny ampitson’izany ka tena tsara noho ilay vitako teo aloha izany. Ahoana no nahatanterahan’izany? Ilay noheveriko ho fahadisoana tsy azo narenina dia lasa fahafahana iray nisehoan’ilay tanany feno famindram-po. Tsy mbola tapitra ny fanaovany ilay sary hosodoko ary tsy mbola tapitra ny zavatra tiany hatao amiko. Tena feno fifaliana sy fahamaivanana ny foko. Nidera ny Tompo noho ny famindram-pony aho, noho izany fahagagana izany izay tsy namonjy ilay sary hosodoko fotsiny fa nampianatra ahy bebe kokoa momba ny fitiavany sy ny hery ananany mba hamonjena ny tsirairay avy amintsika amin’ny fahadisoantsika, ny fahalementsika, ary ny fahotantsika sy mba hanampiana antsika ho tonga olona miavaka kokoa.
Rehefa nitombo ny halehiben’ny fankasitrahako ny Mpamonjy noho ny nanampiany ahy tamim-pamindram-po hanarina ny “tsy azo amboarina” teo amin’ilay sary hosodoko, dia nitombo koa ilay fitiavako manokana ny Mpamonjy sy ny fankasitrahako Azy rehefa nikatsaka ny hiara-hiasa Aminy aho mba handresy ny fahalemeko sy mba ho voavela amin’ireo fahadisoako. Ho feno fankasitrahana mandrakizay ny Mpamonjy aho satria afaka miova ary afaka ny ho voadio. Eo am-pelatanany ny foko ary manantena ny hanao izay zavatra tiany hataoko sy tiany hahatongavako aho.
Ny fibebahana dia manome fahafahana antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy hahafantatra Azy ary hitia Azy amin’ny fomba izay tsy ho fantatsika mihitsy raha tamin’ny fomba hafa. Hoy ny Mpamonjy mikasika an’ilay vehivavy nanosotra diloilo ny tongony: “Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ny kely dia kely fitiavana.” Tena tia an’i Jesoa izy satria tena namela tokoa ny helony izy.
Misy fahamaivanana sy fanantenana toy izany ao amin’ny fahafantarana fa afaka manandrana indray isika, ka araka ny nampianarin’ny Loholona David A. Bednar, dia afaka mandray tsy tapaka ny famelana ny fahotantsika isika amin’ny alalan’ny hery manamasin’ny Fanahy Masina rehefa mibebaka marina amin-kitsimpo.
Ny hery manavotra ananan’i Jesoa Kristy dia iray amin’ireo fitahiana lehibe indrindra avy amin’ny fanekempihavanana nataontsika. Saintsaino ny momba izany rehefa mandray anjara amin’ireo ôrdônansy masina ianareo. Raha tsy misy an’izany dia tsy afaka miverina mody eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra sy ireo olona tiantsika isika.
Fantatro fa i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika dia mahery ka mahavonjy. Amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy izay nanonitra ny fahotan’izao tontolo izao sy nanolotra ny ainy ary nandray izany indray dia mihazona ny herin’ny fanavotana sy ny fitsanganana amin’ny maty Izy. Nanao izay nahatanterahan’ny tsy fahafatesana ho an’ny rehetra sy ny fiainana mandrakizay ho an’izay misafidy Azy Izy. Fantatro fa amin’ny alalan’ny sorompanavotany dia afaka mibebaka sy afaka ny ho voadio sy ho voavonjy tokoa isika. Fahagagana ny fitiavany ahy sy ianao amin’izany fomba izany.
Nilaza Izy hoe: “Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo sy hibebaka amin’ny fahotanareo, ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?” Afaka manarina ny “rava rehetra” ao amin’ny fanahinao Izy, ny toerana maina, maraorao, karankaina noho ny fahotana sy ny alahelo ka “manao ny efitr[ao] ho tahaka an’i Edena.”
Toy ny tsy fahatakarantsika ny fangirifiriana sy ny halalin’ny fijalian’i Kristy tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana, no “tsy ahafahantsika mandrefy ny fetra na maka sary an-tsaina ny halalin’ny famelan-kelony masina,” sy ny famindram-pony ary ny fitiavany.
Mety mahatsapa ianao indraindray fa angamba tsy afaka ny hahazo anjara amin’ny fitiavan’ Andriamanitra na ny herin’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy noho ny zava-manahirana anao na noho ny zavatra nataonao. Saingy mijoro ho vavolombelona aho fa afaka ny hanakatra anao foana ny Mpampianatra. “Nidina [ho] ambanin’ny zava-drehetra” ny Mpamonjy ary mitana anjara toerana masina ahafahana manainga anao sy mampiakatra anao avy ao amin’ny hantsambe faran’izay maizina mba hitondra anao eo amin’ny “fahazavany mahagaga.” Tamin’ny alalan’ny fijaliany dia nanao lalana ho antsika tsirairay Izy mba handresentsika ny fahalementsika manokana sy ny fahotantsika. “Manana ny hery rehetra hamonjena ny olona tsirairay izay mino ny anarany sy mamoa voa miendrika fibebahana Izy.”
Toy ny fanarenana ilay hosodoko izay nitaky asa sy fitalahoana ny fanampian’ny lanitra, dia mitaky asa sy fahatsoram-po ary fanetrentena vao afaka mamoa “voa miendrika fibebahana.” Ireo voa ireo dia ahitana ny fampiharana finoana sy fahatokiana an’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany, manolotra fo torotoro sy fanahy manenina amin’ Andriamanitra, mibaboka sy mamoy ny fahotana, mamerina amin’ny laoniny araka izay azontsika atao ny zavatra rava, ary miezaka miaina amim-pahamarinana.
Mba hibebahana marina sy hiovana dia tsy maintsy “[resy lahatra] ny amin’ny fahotantsika isika” aloha. Tsy ho hitan’ny olona iray ny hoe mila mihinana fanafody izy raha tsy takany fa marary izy. Mety misy fotoana tsy te hijery ny ao anatintsika isika sy tsy te hahita ny zavatra tena ilaina fanasitranana sy fanamboarana.
Tao anatin’ny asa soratr’i C. S. Lewis, dia nanambara ireto teny ireto tamin’ny lehilahy iray izay voafandriky ny heviny manokana i Aslan hoe: “[Raolombelona] ô! Tena kinga ianareo manakana ny tenanareo tsy hisitraka ny zavatra rehetra mety hahasoa anareo.”
Rehefa inona izaho sy ianao no mety hanakana ny tenantsika tsy hisitraka ireo zavatra mety hahasoa antsika?
Aoka isika tsy hanakana ny tenantsika tsy hisitraka ny soa izay irin’ Andriamanitra homena antsika Ny fitiavana sy ny famindram-po izay iriny ho tsapatsika. Ny fahazavana sy ny fahalalana iriny harotsaka amintsika. Ny fanasitranana izay fantany fa tena ilaintsika. Ny fifandraisana ara-panekempihavanana izay kasainy ho an’ny zanany lahy sy ny zanany vavy rehetra.
Mivavaka aho mba hametrahantsika izay mety ho “fiadian’ny fikomiana” izay nampiasaintsika tamim-pahatsiarovan-tena na nampiasaintsika tsy nahy mba hanakanana ny tenantsika tsy hisitraka ireo fitahian’ny fitiavan’ Andriamanitra. Ny fiadian’ny avonavona, ny fitiavan-tena, ny tahotra, ny fankahalana, ny faniratsirana, ny baranahiny, ny fitsaratsarana tsy ara-drariny, ny fialonana—ary ny zavatra izay manakana antsika tsy hitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy tsy hitandrina ireo fanekempihavanana rehetra nataontsika Taminy.
Rehefa miaina ireo fanekempihavanana nataontsika isika, dia afaka manome antsika ny fanampiana sy ny hery ilaintsika hamantarana sy handresena ny fahalementsika ny Tompo, ka ao anatin’izany ilay bibikely manimba ny ara-panahy dia ny avonavona. Nilaza ny mpaminanintsika hoe:
“Ny fibebahana no lalana mitondra any amin’ny fahadiovana ary ny fahadiovana dia mitondra hery.”
“Ary tena hilaintsika tokoa ny heriny amin’ireo andro ho avy.”
Toy ilay tamin’ny sary hosodokoko, ny Tompo dia tsy mandao antsika rehefa manao fahadisoana isika ary tsy mandositra Izy rehefa mihozongozona isika. Ny filantsika fanasitranana sy fanampiana dia tsy enta-mavesatra ho Azy fa izany no tena antony nahantongavany. Hoy ny Mpamonjy hoe:
“Indro, efa tonga teo amin’izao tontolo izao Aho mba hitondra ny fanavotana ho an’izao tontolo izao, mba hamonjy izao tontolo izao amin’ny fahotana.”
“Indro, ny sandrin’ny famindram-poko dia mitsotra aminareo, ary na zovy na zovy no ho avy, dia izy no horaisiko; ary [hotahina] ireo izay mankaty Amiko.”
Noho izany avia, avia ianao izay reraka, trotraka ary malahelo, avia ary avelao ny asa mafinao ary mahazoa fitsaharana ao Aminy izay tena tia anao. Ento ny ziogany; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Izy.
Mahita anao ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika. Fantany ny ao am-ponao. Miraharaha ny zavatra izay raharahainao Izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ireo olona akaikin’ny fonao.
Afaka manavotra izay nafoy ny Mpamonjy, tafiditra ao anatin’izany ny fifandraisana simba na mikorontana. Nanamboatra lalana ho an’ireo rehetra lavo Izy mba ho voavotra sy mba ho velona ao anatina fiainana izay toy ny efa maty sy tsy nisy fanantenana.
Raha toa ianao ka sahirana eo anatrehan’ny toe-javatra iray izay heverinao fa tokony ho efa mba nilamina raha amin’izao fotoana izao, dia aza milavo lefona. Manàna faharetana amin’ny tenanao, hajao ny fanekempihavanana nataonao, mibebaha matetika, mitadiava fanampiana avy amin’ny mpitarika anao raha ilaina izany ary mandehana tsy tapaka any amin’ny tranon’ny Tompo araka izay azonao atao. Henoy sy araho ireo bitsika alefany aminao. Tsy hiala amin’ny fifandraisana ara-panekempihavanana nataony taminao Izy.
Nisy fifandraisana sarotra izay nanahirana ahy teo amin’ny fiainako ary nikatsaka tamin-kitsimpo ny hanatsara izany aho. Indraindray dia tsapako ho toy ny tsy fahombiazana no maro kokoa noho ny fahombiazana. Nanontany tena aho hoe, “tsy nisy zavatra nalamiko ve tamin’ny farany teo? Tena tsy resiko ve ny fahalemeko?” Nianatra aho rehefa nandeha ny fotoana fa tsy voatery ny tenako no manan-tsiny, fa matetika misy asa bebe kokoa tokony hatao sy fanasitranana bebe kokoa ilaina.
Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Tena azo antoka fa hitahy ilay olona izay maniry ny hijoro manoloana ny fitsarana amim-pahamendrehana ny Tompo. Olona izay niasa mafy isan’andro isan’andro mba hanova ny fahalemena ho tanjaka. Mety mitaky andrana miverimberina ny fibebahana sy ny fiovana marina, kanefa misy zavatra manadio sy manamasina ao anatin’ny fiezahana toy izany. Mirotsaka ho azy amin’ny fanahy toy izany ny famelan-keloka sy ny fanasitranana avy any an-danitra.”
Ny andro tsirairay dia andro vaovao feno fanantenana sy fahafahana manao zavatra azo araraotina noho i Jesoa Kristy. Isan’andro izaho sy ianao dia afaka ny hahafantatra, ilay nambaran’i Eva Renintsika hoe, “ny fifaliana noho ny fanavotana antsika,” ilay fifaliana noho ny fahasitranana, ilay fifaliana noho ny fahatsapana ilay fitiavan’ny Ray anao izay tsy mety lefy.
Fantatro fa tia anareo ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy. I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra ny olon-drehetra. Velona Izy. Tamin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony, ny fatotry ny ota sy fahafatesana dia rava mandrakizay ka malalaka isika ny hisafidy ny fahasitranana, fanavotana, ary fiainana mandrakizay miaraka amin’ireo olon-tiantsika. Ary mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra ireo aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.