Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Soratra masina, ilay fototry ny finoana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2024


14:7

Soratra masina, ilay fototry ny finoana

Tsy azontsika atao tsinontsinona ny maha zava-dehibe ny soratra masina eo amin’ny fiovam-po sy ny fijanonana ho mahatoky ao amin’ny filazantsara.

Vao haingana izaho sy i Mary vadiko no nahita T-shirt nisy sarina boky niaraka tamin’ny hafatra teo aminy nivaky hoe: “Boky: ilay maodelina finday nisy voalohany.”

T-shirt manambara hoe: “boky: ilay maodelina finday nisy voalohany”.

Nieritreritra momba an’io hafatra mahaliana io sy ny nahatonga an’ireo karazana fitaovana finday ho manan-danja aho. Rehefa nandinika lalindalina kokoa aho dia tsikaritro fa na inona na inona ilay fitaovana, na mety manana ilon-tsaina artifisialy (intelligence artificielle) aza izany, dia tsy hitovy lanja na ho zava-dehibe kokoa noho ny fitarihana avy amin’ny fanambarana avy any an-danitra.

Na vimbinina na amin’ny endriny nomerika, Ny Baiboly Masina sy Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy dia manome fitarihana sy fampianarana avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao. Sarobidy amintsika ireo boky ireo noho ny anjara asa lehibe ananan’izy ireo tamin’ny firaketana ny tari-dalana nomen’ Andriamanitra an’ireo mpaminany sy vahoaka fahiny ary ny fitarihana omen’izy ireo ho an’ny fiainantsika manokana.

Rehefa atambatra amin’ny fampianaran’ny mpaminany velona ireo soratra masina ireo dia manome tari-dalana ho antsika amin’izao tontolo ankehitriny izao. Manan-kery indrindra ireo soratra masina ireo rehefa manome toromarika, fanitsiana, fampiononana, ary fampaherezana ho an’ny isam-batan’olona sy fianakaviana izay mikatsaka fitarihana avy amin’ny Tompo.

Ny soratra masina, miaraka amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina, dia mitoetra hatrany ho loharanom-pahalalana fototra izay manamora ny fiovam-pon’ireo manana fo torotoro sy fanahy manenina sy maniry ny hanaraka an’i Jesoa Kristy. Manampy amin’ny fanorenana fototra izay mahatosika ireo ezaka tsy tapaka ataon’ny fahavalo mba hanamaivana ny finoana ny soratra masina.

Nitahy sy nanome aina ny Fiangonana teo amin’ny tantarany ireo mpikambana vao niova fo. Misy ohatra iray izay sarobidy ho ahy manokana. Fony aho eveka tanora dia nisy rahavavy misiônera mahavariana roa nampianatra ny fianakavian’i William Edward Mussman. Ilay raim-pianakaviana, izay mpisolovava manam-pahaizana, dia mpanoro hevitra momba ny lalàna tao amina orinasa lehibe iray. Ny vadiny izay feno fanolorantena, i Janet, dia nanampy kosa ny fianakaviana mba hiezaka hanana fiainana tahaka ny an’ny Kristy kokoa.

Ny zanak’izy ireo vavy sy lahy izay namiratra tokoa, teo amin’ny faha-20 taonan’izy ireo dia samy nampianarina avokoa. Nandray ireo fampianarana sy nanatrika fotoana tany am-piangonana avokoa izy efatra. Nanantitrantitra ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna sy ny fivavahana mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba izany soratra masina izany ireo rahavavy misiônera. Nahagaga tokoa fa namaky ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo tanaty fotoana fohy ilay fianakaviana.

Niaraka tamin’izy ireo ho any amin’ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo ireo misiôneran’ny Tsatoka, izay samy efa filohan’ny Fikambanana Ifanampiana tamina paroasy teo aloha.

Nony akaiky ny fotoana hanaovana batisa ilay fianakaviana dia naharay lahatsoratra miavoavo mitsikera ny Fiangonana izy ireo. Talohan’ny internet izany, kanefa nameno baoritra iray lehibe ilay izy.

Nanasa ahy amin’ny maha-eveka vao erotrerony, 34 taona, ireo rahavavy misiônera mba hanampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana mipetraka. Rehefa nivory tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny izahay dia teo afovoan’ny efitra ilay baoritra lehibe misy ireo kiboky mitsikera ny Fiangonana. Noraisiko niaraka tamin’ny vavaka izany andraikitra izany. Nandritra ny vavaka fanokafana dia nibitsika tamiko ny Fanahy hoe: “Efa fantany fa marina ilay izy”. Zava-dehibe izany. Nino ireo rahavavy misiônera fa ny renim-pianakaviana sy ireo zanaka dia efa manana fijoroana ho vavolombelona. Tsy nanana antoka anefa izy ireo ny amin’ilay raim-pianakaviana.

Nampahafantariko azy avy hatrany fa nibitsika ahy ny Fanahy fa efa nanana fijoroana ho vavolombelona izy. “Marina ve izany?” Nijery ahy tamim-pahamatorana izy ary nilaza fa efa nanamafy taminy ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fiangonana ny Fanahy.

Nanontany aho avy eo raha ilaina ny hiresaka momba ireo bokikely raha toa izy ireo ka efa nahazo fanamafisana ara-panahy ihany.

Namaly ilay raim-pianakaviana fa tsy ilaina izany. Niombon-kevitra tamin’izany ny olona ambiny tao amin’ny fianakaviana.

Nilaza izy fa manana fanontaniana tena lehibe iray: Anisan’ireo antony nahazoan’izy ireo lahatsoratra manohitra ny Fiangonana ny naha-mpikambana azy ireo tany amin’ny finoana hafa. Fanampin’izany, nanao fanoloran-tena ara-bola lehibe izy mba hanampiana amin’ny fanorenana trano fiangonana ho an’io finoana io. Nampahafantariny ahy fa nampianatra azy ny maha zava-dehibe ny fahafolonkarena ireo misiônera, izay nekeny amim-pankasitrahana, saingy nanontany tena izy raha toa ka tsy mety ny fanajany ilay fanoloran-tena ara-bola efa nataony. Nanome toky azy aho fa sady mendri-kaja no mety ny handoavany izany fanoloran-tena ara-bola izany.

Ny Fianakaviana Mussman.

Mussman mivady miaraka amin’ny zanany lahy sy ny vinantovaviny ary ny zanany vavy.

Natao batisa ny fianakaviana manontolo. Nofehezina ho fianakaviana tao amin’ny Tempolin’i Oakland Californie izy ireo herintaona taty aoriana. Nanana tombontsoa manokana aho nanatrika izany. Nahavita ny fianarana lalàna ilay zanaka lahy, afaka fanadinana ho mpahay lalàna tao Californie, ary nanompo tamim-pahatokiana tamin’ny fotoana feno avy hatrany tany Japana. Nahita ireo taranaka nifandimby izay nitoetra ho mahatoky tamin’ny filazantsara aho nandritra ny taona maro. Nanana tombontsoa manokana aho nanatanteraka ny famehezana ny iray tamin’ireo zafikely vavy.

Mahatalanjona toy izany koa ireo fiovam-po mitranga amin’izao vaninandrontsika izao. Tamin’ny volana jona lasa teo izaho sy Coach Andy Reid, mpanazatra mpitarika ny ekipa football américain Kansas City Chiefs, niaraka tamin’ny olona hafa misolo tena ny finoanay sy ny finoana hafa, dia nandray fitenenana nandritrana fivoriana hiarahan’ny samy hafa finoana tao amin’ny Riverside Church tao amin’ny tanànan’i New York. Nanantitrantitra mikasika ny fahafahana mamerina indray sy ny fandraisana ireo fanasana sy tranga fanararaotra, izay ifantohan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, i Coach Reid. Nanatrika ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo tao amin’ny Paroasy Manhattan Faharoa izahay ny ampitso marainan’iny niaraka tamin’ny vadinay, i Tammy Reid sy Mary. Fivoriana ara-panahy izany. Maro ireo mpikambana vao niova fo mpanatrika. Isan’ireo mpikambana nihazona ny Fisoronana Aharôna nizara ny fanasan’ny Tompo ny mpikambana vao vita batisa miisa dimy, lehilahy efatra ary zatovolahy iray. Mahafaly ahy ny manao tatitra fa misy fitomboana mpikambana vao niova fo toy izany manerana ny Fiangonana.

Feno fankasitrahana isika noho ny fitomboana goavana eo amin’ireo izay mamaly fanasana masina sy manova ny fianan’izy ireo ary manaiky ilay fahafahana hanara-dia an’i Jesoa Kristy. Miditra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’ny finoana, ny fibebahana, ny batisa, ary ny fandraisana ho mpikambana izy ireo, araka ny ampianarina ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Tsy azontsika atao tsinontsinona ny maha zava-dehibe ny soratra masina eo amin’ny fiovam-po sy ny fijanonana ho mahatoky ao amin’ny filazantsara. Nahafantatra momba ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy sy nampianatra ny filazantsarany ireo mpaminany fahiny voafariparitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny Bokin’i Môrmôna dia manampy antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra rehefa mianatra sy mahatakatra ary mampihatra ny fampianarany isika. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra [ny lehilahy na vehivavy iray] amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatin[’ilay boky] toy izay ny ao anatin’ny boky hafa.”

Mba hahafantarana fa ny Bokin’i Môrmôna dia tenin’ Andriamanitra dia mila mamaky sy misaintsaina ary mivavaka momba izany isika, ary manao ireo asa mifanaraka amin’ny fampianarany avy eo. Nampanantena ny mpaminany Môrônia fa hanambara amintsika ny fahamarinan’ny boky Andriamanitra rehefa mivavaka aminy amin-kitsim-po, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy isika. Tena ilaina ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna mba hananana fiovam-po maharitra.

Rehefa mandinika ny fifandraisana misy eo amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna amin’ny maha-fitaovana vimbinina azy ireo isika, dia mety hipetraka ny fanontaniana anankiray. Mety hahasoa sy hifameno toy ny ahoana hoy ianao ny boky roa raha toa ny Tompo ka nanambara fa hampifanatonina izy roa” ary “ho iray eny an-tananao”? Izany no nambaran’ny Tompo momba ny “tapa-kazon’i Joda”, ny Baiboly, sy ny “tapa-kazon’i Josefa”, ny Bokin’i Môrmôna.

Amin’ny lafiny maro ny Bokin’i Môrmôna no manome fotopampianarana fototra izay manamafy sy miorina eo ambonin’ny Baiboly. Ohatra lehibe amin’izany ny fotopampianaran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ny Baiboly dia manolotra ny tantara marina momba ny asa fanompon’i Jesoa Kristy teto an-tany, anisan’izany ny fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Ny Bokin’i Môrmôna dia manazava kokoa momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, zavatra izay nohazavain’ireo mpaminany tamin’ny antsipiriany talohan’ny nahafatesany.

Mamelabelatra ny lanja ara-potopampianaran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny lohateny fanolorana ny Almà toko 42.

Mivaky toy izao izany: “Ny fiainana mety maty dia fotoana fizahan-toetra mba hahafahan’ny olona mibebaka sy manompo an’ Andriamanitra—Nitondra ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy tamin’ny olombelona rehetra ny Fahalavoana—Tonga tamin’ny alalan’ny fibebahana ny fanavotana—Izy Andriamanitra tenany no nanonitra ny fahotan’izao tontolo izao—Ho an’ireo izay mibebaka ny famindram-po—Ny hafa rehetra dia fehezin’ny fitsaran’ Andriamanitra—Tonga noho ny Sorompanavotana ny famindram-po—Ny tena mivalo ihany no voavonjy.”

Hoy ny Filoha Russell M. Nelson: “Mampanantena anareo aho fa rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo, isan’andro”. Nampanantena ihany koa izy fa “rehefa mandalina lalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia ho voaro amin’ireo zavatra ratsy amin’izao vaninandro izao.”

Araka ny efa voalazako teo, dia talanjona aho tamin’ilay hevitra hoe ny maodelina finday nisy voalohany—dia ny boky izany. Na izany aza dia ekeko ny lanja lehiben’ny internet eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ny fitaovana finday maoderina iray dia afaka manome fampahalalana izay raha ny tantara no jerena dia ho nameno tranomboky lehibe iray. Feno fankasitrahana isika fa miaina amin’ny andro toy izao mihitsy. Feno fankasitrahana manokana aho fa manome fahafahana ireo boky masina sy lahatsoratry ny Fiangonana ho azo jerena amin’ny endriny nomerika izany. Fitaovana mahery vaika ho an’ny fandalinana ny filazantsara ny internet. Ankehitriny dia olona marobe no mizara ny soratra masina amin’ireo namana amin’ny fampiasana ny teknôlôjia. Ilay application Le Livre de Mormon ohatra, dia fomba iray mahafinaritra hampahafantarana ireo namana ny Bokin’i Môrmôna ary azo zaraina mora foana amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy na aiza na aiza mety misy antsika.

Appli Le Livre de Mormon

Na dia manome fitahiana maro aza ny internet dia indrisy fa ampiasaina ihany koa izany mba hampitsiry ahiahy sy hanamaivana ny finoana ireo fitsipiky ny filazantsara sarobidy, tahaka ireo boky kely an-tsoratra mitsikera ny Fiangonana izay voalazalazako teo. Afaka ny ho isan’ “ireo zavatra ratsy amin’izao vaninandro izao” araka ny voalazan’ny Filoha Nelson izany.

Ny fahavalo sy ireo izay manampy azy dia ninia namorona, na namorona tsy nahy, zavatra izay mitovy lenta amin’ilay baoritra feno lahatsoratra mitsikera ny Fiangonana araka ny nofariparitako teo aloha, nokasaina hanalavirana anao amin’ny fahamarinan’ Andriamanitra.

Mahatalanjona ny fitovian’ireo olana napetraka mba hampitsiry ahiahy tao anatin’izay taona maro izay. Miharihary ny fahamarinan’izany rehefa mampitaha ny androntsika amin’ny vanim-potoanan’ny 1960-1970 isika, fony aho nanodidina ny faha 20 taonako.

Mampianatra antsika hampiasa fandanjalanjana sy ho hendry amin’ny zava-drehetra ny soratra masina. Azo ampiasaina amin’ny fomba tsara na amin’ny fomba izay manimba ny internet.

Ireo mpikambana efa tranainy sy ireo izay vao manomboka mandalina ny filazantsara dia mila malina amin’ny zavatra jeren’izy ireo. Aza mieritreritra ny hampiasa zavatra feno fahavetavetana na tsy marin-toetra na tsy marina. Raha manao izany ianao, dia mety hitarika anao hidina makany amin’ny lalana izay mamotika ny finoanao na mampihemotra ny fivoaranao mandrakizay ireo algorithmes. Azo hetsehina ho amin’ny tsara ianao na ho amin’ny ratsy. Katsaho ny fahamarinana ary alaviro ny filofosana diso tafahoatra sy mandoza sy ny fizaham-baovao ratsy sesilany an-jotra. Fenoy foto-kevitra tsara sy marina ny fiainanao, aoka ho feno fifaliana, ankafizo ny fiainana kanefa ialao ny adalana. Misy fahasamihafana. Ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo dia torolalana mahatalanjona. Ambonin’izany rehetra izany, milofosa amin’ny fandalinana matetika tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna, izay hitondra ny Fanahy ho eo amin’ny fiainanao ary hanampy anao hanavaka ny fahamarinana amin’ny hadisoana.

Ny torohevitro ho an’ireo izay mety ho nivily niala tamin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia ny miverina mitodika amin’ny soratra masina, ny fitarihan’ireo mpaminany, ny fiainana ny filazantsara ao an-tokatrano, ary ny hiran’ny finoana. Sarobidy amin’ Andriamanitra ny fanahy tsirairay. Mila anao izahay! Mila anao ny Tompo, ary mila Azy ianao! Ho raisina amim-pitiavana hatrany ianao. Nandritra ny taona maro nanompoako tato amin’ny Fiangonana dia nankamamy ireo fotoana izay niverenan’ireo olona teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ary avy eo nanompo sy nitahy ireo rehetra izay tiany sy nifanojo taminy aho.

Ny soratra masina sy ny mpaminany velona dia fitaovana lehibe iray ahafahan’ny Ray any An-danitra be fitiavana manolotra ny drafitry ny fahasambarana ho azo sitrahan’ny zanany rehetra.

Mizara ny fijoroako ho vavolombelona azo antoka ny amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny amin’ny tena fisian’ny Sorompanavotany aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny 2 Timoty 3:16.

  2. Jereo ny Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023), 28; jereo koa ny 2 Nefia 2:7; 3 Nefia 12:19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37; Ezra Taft Benson, “A Mighty Change of Heart,” Ensign, Oct. 1989, 2–5.

  3. Ranabavy isany Beverly Bridge sy i Cheryl Morgan ireo rahavavy misiônera.

  4. Nahazo mari-pahaizana license tao Stanford ilay zanakalahy, i William E. Mussman III, dia nanohy ny fianarana momba ny lalàna tao amin’ny University of California, tao San Francisco izy. Nianatra tao Stanford University ny anabaviny, i Ann C. Mussman.

  5. Ranabavy Eleanor Mehr sy i Ranabavy Louise Johnson ireo misiôneran’ny tsatoka.

  6. Nanome voninahitra an’i Réverend A. R. Bernard sy ny Coach Andrew “Andy” W. Reid ny New York Latter-day Saint Professional Association (NYLDSPA) tamin’ny fivoriana manan-tantara nivondronan’ny finoana samy hafa tao Riverside Church tao Manhattan. Teo ihany koa ny mpitarika ny Fiangonana avy ao amin’ny finoantsika sy ny finoana hafa, anisan’izany ny Lauréat Rabbin Joseph Potasnik.

  7. Jereo ny Tad Walch, “How Andy Reid’s Beliefs in Jesus Christ and a Second Chance for Michael Vick Guide the Kansas City Chiefs,” Deseret News, July 3, 2024, deseret.com.

  8. Mpikambana vao niova fo mihoatra ny 198.000 no natao batisa teo anelanelan’ny 1 janoary 2024 hatramin’ny 30 aogositra 2024 (fampahalalana avy tamin’ny Departemanta misahana ny Misiônera).

  9. Ny Torio ny filazantsarako toko 5 dia manoritsoritra hoe nahoana ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fivavahantsika.

  10. Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.

  11. Nijoro ho vavolombelona ny Mpaminany Joseph Smith fa hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna toy izay ny ao anatin’ny boky hafa (jereo ny Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna).

  12. Jereo ny Môrônia 10:4.

  13. Jereo ny Ezekiela 37:15–17; jereo koa ny 2 Nefia 3:12.

  14. Ny teny hoe: Sorompanavotana, izay ilazana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia tsy voalaza afa-tsy indray mandeha ihany ao amin’ny Testamenta Vaovao (jereo ny Romana 5:11). Voateny in-24 kosa ny teny hoe: Sorompanavotana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny 2 Nefia 2:10 dia manoritsoritra ny “fahasambarana” izay voatovana amin’ny alalan’ny Sorompanavotana (jereo koa ny Fanoroana lohahevitra manaraka ny abidia ao amin’ny Bokin’ny Môrmôna, “Jesus Christ, Atonement through”).

  15. Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 62–63.

  16. Eritrereto ny halehiben’ny fitahiana raisintsika isan-kerinandro rehefa mandalina ny Avia, hanaraka Ahy an-jotra isika.

  17. Ireo olana sasany dia tsy marina tsotra izao. Ny sasantsasany dia mandray ireo tranga ara-tantara ivelan’ny sahan-kevitra misy azy. Ny sasantsasany dia manohana olana ara-tsôsialy izay sady tsy mifanaraka amin’ny Baiboly no tsy mifanaraka amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny sasany kosa dia mahakasika ireo olana izay tsy mbola nanomezan’ny Tompo fanambarana ny momba azy ireo.

  18. Ny hoe “Doomscrolling” dia ilay fihetsika mikaroka matetika sy amim-pahasahiranan-tsaina vaovao ratsy na mahaketraka ao amin’ny haino vaky jery na eny amin’ny riam-baovao (jereo ny Merriam-Webster.com Dictionary, “doomscroll”).

  19. Nahita fitomboana eo amin’isa sy ny fanatrehana ny Fiangonana tao anatin’ireo taona lasa faramparany. Ny tahan’ny olona mandao ny Fiangonana dia ambany raha oharina amin’ny teo aloha, kanefa mila ireo mpikambana rehetra isika.