Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ry zatovo manana fizokiana ambony
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2024


12:33

Ry zatovo manana fizokiana ambony

Ianareo zanaky ny fanekempihavanana no atokisan’ Andriamanitra mba hanampy amin’ny asany hitondra ny zanany rehetra hody soa aman-tsara any Aminy.

Ry Loholona Stevenson, fihaonambe tsy hohadinoina na oviana na oviana ity.

Nankafizin’ny fianakaviako foana ny boky iray antsoina hoe Children’s Letters to God (Taratasy nosoratan’ny ankizy ho an’ Andriamanitra). Ireto misy vitsivitsy:

“Ry Andriamanitra malala, tsy aleonao ve avela ho velona fotsiny ireo olona efa eto amin’izao toy izay avela ho faty dia asiana hafa vao teraka indray?”

“Fa maninona no folo fotsiny ny lalàna apetrakao, kanefa an-tapitrisany ny ao amin’ny sekolinay?”

“Fa maninona no nasianao ny kambon-tenda raha hoesorina indray izany avy eo?”

Tsy misy fotoana hamaliana ireo fanontaniana rehetra ireo androany, saingy misy fanontaniana iray hafa henoko matetika avy amin’ny zatovo izay tiako horesahina androany. Hatrany Oulan-Bator, Mongolie, ka hatrany Thomas, Idaho, dia mitovy ihany ilay fanontaniana hoe: “Nahoana? Nahoana ny Olomasin’ny Andro Farany no tsy maintsy miaina amin’ny fomba tena tsy mitovy amin’ny an’ny hafa?

Fantatro fa sarotra izany hoe tsy mitovy amin’ny hafa izany, indrindra fa rehefa tanora ianao ary maniry mafy ny ho tian’ny zatovo hafa mitovy aminao. Te hanan-toerana ny rehetra, ary mitombo izaitsizy izany faniriana izany ka lasa tsy mahasoa ao anatin’ny tontolon’ny nomerika amin’izao fotoana izao izay feno tambajotran-tserasera sy fampijaliana amin’ny alalan’ny internet.

Koa noho izany, ao anatin’ireo tsindry rehetra ireo, dia nahoana ny Olomasin’ny Andro Farany no manana fomba fiaina hafa be toy izany? Misy valiny maro mahavaly tsara izany: Satria zanak’ Andriamanitra ianao. Satria notehirizina ho amin’izao andro farany izao ianao. Satria mpianatr’i Jesoa Kristy ianao.

Saingy tsy mbola mampiavaka anao amin’ny hafa ihany ireo valiny ireo. Zanak’ Andriamanitra daholo ny rehetra. Samy nalefa ety amin’izao andro farany izao ny olona rehetra ety an-tany amin’izao fotoana izao. Kanefa tsy ny olona rehetra no miaina ny Tenin’ny Fahendrena na ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena amin’ny fomba iezahanao miaina izany. Maro ireo mpianatr’i Kristy maherifo izay tsy mpikambana ato amin’ity Fiangonana ity. Kanefa tsy manao asa fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno ary tsy manatanteraka ôrdônansy ao amin’ny tranon’ny Tompo ho an’ireo razambe tahaka izay ataonareo izy ireo. Tsy maintsy hoe misy valiny hafa ankoatra ireo. Ary tena misy tokoa.

Anio aho dia te hifantoka amin’ny antony iray fanampiny izay nanan-danja tokoa teo amin’ny fiainako. Tamin’ny 1988 ny Apôstôly vao herotrerony iray antsoina hoe Russell M. Nelson dia nanao lahateny tao amin’ny Oniversite Brigham Young izay mitondra ny lohateny hoe “Thanks for the Covenant (Misaotra noho ny fanekempihavanana).” Nanazava ny Loholona Nelson tamin’izany tao anatin’izany fa rehefa mampiasa ny safidim-pitondrantenantsika hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika dia lasa mpandova ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay izay nataon’ Andriamanitra tamin’ireo razambentsika nandritra ny fotoampitantanana rehetra. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia lasa “zanaky ny fanekempihavanana” isika. Mampiavaka antsika amin’ny hafa izany. Ahafahantsika mahazo ireo fitahiana noraisin’ireo ray aman-dreny razambentsika izany, isan’izany ny fizokiana.

Fizokiana! Mety efa nahare io teny io ianareo. Mihira hira ao amin’ny fihirana momba izany mihitsy aza isika hoe: “Ry zatovo manana fizokiana ambony, mandrosoa! Mandrosoa! Mandrosoa!” Teny mahalasa saina izany. Fa inona anefa no dikan’izany?

Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha raha nodimandry ny raim-pianakaviana iray, dia ny zanany lahimatoa no tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ny reniny sy ireo anabaviny. Nahazo ny lovany ireo rahalahiny dia nandeha nanao ny fiainany tany amin’izao tontolo izao, fa ny zanaka lahimatoa kosa dia tsy nandeha na taiza na taiza. Nanambady izy dia nanana ny fianakaviany manokana, saingy nijanona mandra-pahafatiny teo amin’ny toerana nahalehibe azy mba hitantana ny fananan-drainy. Noho io andraikitra fanampiny io dia nomena lova fanampiny izy. Diso tafahoatra ve ny zavatra nangatahina taminy mba hitarika sy hikarakara ny hafa? Tsia rehefa mieritreritra ny lova fanampiny nomena azy ianao.

Anio isika dia tsy miresaka momba ny filaharan’ny fahaterahanareo ao amin’ny fianakaviana eto an-tany na ny anjara asan’ny lahy sy ny vavy tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha. Miresaka momba ny lova raisinareo amin’ny maha-mpiara-mandova amin’i Kristy isika noho ny fifandraisana ara-panekempihavanana nosafidianareo hatao Taminy sy tamin’ny Rainareo any An-danitra. Diso tafahoatra ve raha toa ka miandrandra anareo hiaina amin’ny fomba hafa noho ny an’ireo zanany hafa ny Ray any An-danitra mba hahafahanareo mitarika sy manompo amin’ny fomba tsara kokoa? Tsia, rehefa mieritreritra ireo fitahiana na ara-batana na ara-panahy izay omena anareo ianareo.

Moa ve ny fizokiana anananao midika hoe tsara kokoa noho ny hafa ianao? Tsia, fa midika kosa izany hoe andrasana hanampy ny hafa ho lasa tsaratsara kokoa ianao. Moa ve ny fizokiana anananao midika hoe voafidy ianao? Eny, kanefa tsy voafidy hanjaka amin’ny hafa. Voafidy hanompo azy ireo ianao. Porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra ve ny fizokiana anananao? Eny, kanefa manan-danja kokoa noho izany, dia porofon’ny fatokiany izany.

Samy hafa tanteraka mihitsy ny hoe tiana sy atokisana. Vakintsika ao amin’ny boky torolalana Ho Zatovo Mahery! Ny hoe: “Matoky anao ny Rainao any An-danitra. Nomeny fitahiana lehibe ianao, anisan’izany ny fahafenoan’ny filazantsara sy ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina izay mamatotra anao Aminy ary mitondra ny heriny ho eo amin’ny fiainanao. Misy andraikitra fanampiny miaraka amin’ireo fitahiana ireo. Fantany fa afaka mitondra fiovana tsara eto amin’izao tontolo izao ianao, ary izany dia mitaky, amin’ny toe-javatra maro, ny tsy hitovianao amin’izao tontolo izao.”

Azo ampitahaina amin’ny sambo lehibe fitsangantsanganana izay nandefasan’ Andriamanitra ny zanany rehetra miala avy amin’ny moron-tsiraka iray miampita eny amin’ny iray hafa ny fiainantsika eto an-tany. Feno fahafahana hianatra, hivoatra, ho faly, ary handroso ao anatin’ilay dia, saingy feno loza ihany koa izany. Tia ny zanany rehetra Andriamanitra ary miraharaha izay mahasoa azy ireo. Tsy tiany hisy ho very amin’izy ireo, ka noho izany dia manasa ireo izay vonona ny ho lasa mpikambana ao amin’ny ekipany Izy, dia ianao izany. Noho ny safidinao hanao sy hitandrina fanekempihavanana, dia hametrahany ny fitokisany ianao. Matoky anao Izy mba tsy hitovy amin’ny hafa, ho voafidy, ary hiavaka noho ny asa manan-danja izay atokisany fa hataonao.

Eritrereto anie izany e! Amin’ireo olona rehetra eto an-tany, dia ianareo, zanaky ny fanekempihavanana, ireo mpikambana ao amin’ny ekipany, no atokisan’ Andriamanitra mba hanampy amin’ny asany hitondra ny zanany rehetra hody soa aman-tsara any Aminy. Tsy mahagaga raha nilaza ny Filoha Brigham Young indray mandeha hoe: “Mijery ity vondron’olona vitsy ity ny anjely rehetra any an-danitra.”

Rehefa mijery ny manodidina eto amin’ity sambo lehibe fitsangantsanganana antsoina hoe tany ity ianao, dia mety hahita olona hafa mipetraka eo amin’ny seza lava misotro zava-pisotro, miloka any amin’ny casino, manao fitafiana mampitanjaka be, mitety tsy an-kijanona ny votoatin-javatra ao amin’ny finday, na mandany fotoana be loatra milalao kilalao elektrônika. Kanefa ho solon’ny fanontanian-tena hoe “Fa maninona aho no tsy mahazo manao izany?” dia azonao atao ny mitadidy fa tsy mpandeha tsotra mitovy amin’ny rehetra ianao. Mpikambana ao amin’ny ekipan-tsambony ianao. Manana andraikitra tsy ananan’ireo mpandeha ianao. Hoy Rahavavy Ardeth Kapp indray mandeha hoe: “Tsy afaka ny ho [mpanavotra ain’olona] ianao raha mitovy amin’ireo mpilomano rehetra eny amoron-dranomasina.”

Ary alohan’ny maha lasa kivy anao noho ireo adidy fanampiny rehetra, dia miangavy anao aho hitadidy fa mahazo zavatra izay tsy azon’ireo mpandeha rehetra ireo mpikambana ao amin’ny ekipan-tsambo: mahazo karama. Hoy ny Loholona Neil L. Andersen hoe: “Misy hery ara-panahy mifono valisoa ho an’ireo olo-marina,” isan’izany “ireo toky lehibe kokoa sy fanamafisana bebe kokoa ary fahatokian-tena bebe kokoa.” Tahaka an’i Abrahama fahiny, ianao dia mahazo fifaliana sy fiadanana lehibe kokoa, fahamarinana lehibe kokoa, ary fahalalana lehibe kokoa. Tsy fonenana any an-danitra sy lalana vita amin’ny volamena fotsiny no valisoanao. Ho mora amin’ny Ray any An-danitra ny hanome anao fotsiny izay rehetra ananany. Ny hanampy anao ho lasa tahaka ny maha-Izy Azy manontolo no faniriany. Noho izany dia mitaky misimisy kokoa aminao ny fanoloran-tenana apetraka aminao satria izany no fomba hanampian’ Andriamanitra anao ho tonga amin’izay tena tokony hahatongavanao feno.

“Be loatra izany na iza na iza angatahana izany, saingy tsy na iza na iza fotsiny ianareo”! Zatovo manana fizokiana ambony ianareo. Fifandraisana ombam-pitokiana ny fifandraisana ara-panekempihavanana nataonareo tamin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy izay ahafahanareo mahazo betsaka kokoa amin’ny fahasoavan’ Izy Ireo, dia ny fanampiana masina sy ny fanomezana tanjaka ary ny fanomezana hery hahavitan-javatra avy amin’ Izy Ireo. Izany hery izany dia tsy finoanoam-poana fotsiny, na resaka vintana, na faminaniana ho tanteraka ho azy . Tena misy ilay izy.

Tsy irery na oviana na oviana ianareo rehefa manatanteraka ny andraikitrareo noho ny fizokiana anananareo. Miara-miasa aminareo ny Tompon’ny tanimboaloboka. Miara-miasa akaiky amin’i Jesoa Kristy ianareo. Isaky ny manao fanekempihavanana vaovao, sy rehefa mihalalina ny fifandraisanareo Aminy, dia mifamikitra ianareo mandra-pifamihinanareo mafy. Ao anatin’izany tandindona masin’ny fahasoavany izany dia ho azonao ny faniriana sy ny tanjaka hiaina tahaka izay niainan’ny Mpamonjy mihitsy—tsy mitovy amin’ny an’izao tontolo izao. Ho vitanao izany satria manohana anao i Jesoa Kristy!

Vakintsika ao amin’ny 2 Nefia 2:6 ny hoe: “Noho izany, ny fanavotana dia tonga amin’ny alalan’ny Mesia Masina sy ao Aminy; satria feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.” Satria feno fahamarinana Izy dia amin’ny tena maha-ianao anao no ahitany anao, ny tsy fahatomombanana, ny fahalemena, ny nenina, sy ny zavatra rehetra. Satria feno fahasoavana Izy, dia mahita anao araka izay tena azonao hahatongavana Izy. Manolo-tanana anao amin’ilay ianao amin’izao fotoana izao Izy ary manampy anao hibebaka sy hihatsara, handresy sy ho lasa izay tokony hahatongavanao.

“Ry zatovo manana fizokiana ambony, mandrosoa, mandrosoa, mandrosoa!” Mijoro ho vavolombelona aho fa tiana ianareo, ary atokisana ianareo, amin’izao fotoana izao, afaka 20 taona ary mandrakizay. Aza amidy hahazoana hanina tsy misy dikany ny fizokianao. Aza amidy amin’ny tsinontsinona ny rehetra anananao. Aza avela hanova anao izao tontolo izao satria ny hanova izao tontolo izao no antony nahaterahanao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.