Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Kolokoloy ireo faka dia hitombo ireo rantsana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2024


14:32

Kolokoloy ireo faka dia hitombo ireo rantsana

Hanovo hery avy amin’ny finoanao miorim-paka ao amin’ny Ray any An-danitra sy ny Zanakalahy Malalany ireo rantsan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Efitrano fivavahana tranainy iray ao Zwickau

Ny taona 2024 dia toa taona iray miavaka ho ahy. Izany dia manamarika ny faha-75 taona izay nahavitan’ny batisako sy nandraisana ahy ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tany Zwickau, Alemana.

Sarobidy amiko ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ahy. Iray amin’ireo voninahitra lehibe indrindra eo amin’ny fiainako ny voaisa ho isan’ireo vahoakan’ny fanekempihavan’Andriamanitra miaraka aminareo ry rahalahiko sy anabaviko.

Rehefa mieritreritra momba ny diako manokana amin’ny maha-mpianatr’i Kristy aho dia miverina any amin’ny trano lehibe iray any Zwickau ny eritreritro, izay ananako fahatsiarovana sarobidy tamin’ny fanatrehako ireo fivoriana fanasan’ny Tompo tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy fony aho mbola zaza. Tao no nandraisan’ny tsimoky ny fijoroako ho vavolombelona ny fikolokoloana natao taminy voalohany.

Nahitana ôrga efa tranainy izay mandeha amin’ny alalan’ny fantson-drivotra izany efitrano fivavahana izany. Isaky ny alahady dia misy zatovolahy iray izay asaina mampiakatra sy mampidina ilay fanoitra henjankenjana izay mibaiko ny tafoforana mba hampandehanana ilay ôrga. Nanana fahafahana lehibe aho indraindray hanampy tamin’izany asa lehibe izany.

Rehefa nihira ireo hira izay mamintsika ireo mpiangona dia manosika mafy amin’ny heriko rehetra aho mba ho ampy rivotra ilay ôrga. Nahitako tsara ny sasany amin’ireo varavarankely vita avy amin’ny takela-pitaratra miloko avy teo amin’ilay seza fibaikona ny tafoforana, ny iray maneho ny Mpamonjy Jesoa Kristy ary ny iray hafa maneho ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ilay Alakely Masina.

Tsaroako foana ny fahatsapana masina tao anatiko rehefa nijery ireo varavarankely notarafin’ny masoandro sy nihaino ireo fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo Olomasina sy nihira ireo hiran’i Ziona.

Nijoro ho vavolombelona tamin’ny saiko sy ny foko ny Fanahin’ Andriamanitra, tao amin’izany toerana masina izany, fa marina izany: Mpamonjy izao tontolo izao i Jesoa Kristy. Fiangonany ity. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy ary nandre ny feon’Izy Ireo.

Tany am-piandohan’ity taona ity raha namita iraka tany Eorôpa aho dia nanana fahafahana hiverina tany Zwickau. Mampalahelo fa tsy eo intsony ilay trano fivavahana tranainy. Narodana taona maro lasa izay ilay trano mba hanorenana trano fonenana lehibe.

Inona no mandrakizay sy tsy mandrakizay?

Tsoriko fa mampalahelo ny mieritreritra fa ilay trano izay nankamamiako tamin’ny fahazazako dia lasa fahatsiarovana fotsiny sisa ankehitriny. Trano masina izany tamiko. Kanefa trano fotsiny ihany izany.

Mifanohitra amin’izany kosa dia tsy maty tsy akory ilay tenivavolombelona ara-panahy izay azoko avy tamin’ny Fanahy Masina nandritra izay taona maro izay. Nihamatanjaka aza izany raha ny tena marina. Fototra mafy orina nijoroako nandritra ny androm-piainako ireo zavatra nianarako nandritra ny fahatanorako momba ireo fitsipika fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nitoetra niaraka tamiko ilay fifandraisako tamin’ny Raiko any An-danitra sy Ilay Zanakalahy Malalany—fotoana ela taorian’ny nandravana ilay trano fivavahana tao Zwickau sy ny nahavery ireo varavarankely vita avy amin’ny takela-pitaratra miloko.

“Ho levona ny lanitra sy ny tany,” hoy i Jesoa, “fa ny teniko tsy mba ho levona.”

“Fa hiainga ny tendrombohitra, ary hafindra ny havoana, fa tsy hiala aminao kosa ny hatsaram-poko, tsy hoesorina koa ny fanekempihavanan’ny fiadanako, hoy ny Tompo.”

Iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra azontsika ianarana eto amin’ity fiainana ity ny maha-samy hafa ny zavatra maharitra mandrakizay sy tsy maharitra mandrakizay. Rehefa takatsika izany dia miova ny zava-drehetra—ireo fifandraisantsika sy ny safidy ataontsika ary ny fomba hitondrantsika ny hafa.

Ny fahafantarana ny zavatra maharitra mandrakizay sy ny tsy maharitra mandrakizay dia manan-danja amin’ny fampitomboana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany.

Aza afangaro amin’ireo rantsana ny faka

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, araka ny nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith dia “mahafaoka ny zava-drehetra sy ny singa rehetra anatin’ny fahamarinana.” Tsy midika akory izany fa mitovy lanja daholo ny fahamarinana rehetra. Ny sasany amin’ireo fahamarinana dia fototra sy tena ilaina ary fakan’ny finoantsika. Ny hafa kosa dia fanampiny fotsiny na rantsana—Tsy sarobidy raha tsy mifandray amin’ireo singa fototra.

Hoy ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny fitsipika fototry ny finoantsika dia ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny Apôstôly sy ny Mpaminany mikasika an’i Jesoa Kristy, izay milaza fa maty sy nalevina Izy ary nitsangana tamin’ny maty ny andro fahatelo ary niakatra any an-danitra. Ireo zavatra hafa mikasika ny finoantsika dia fanampin’izany fotsiny ihany.”

Raha lazaina amin’ny teny hafa, i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotana nataony no fakan’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Ny zavatra hafa rehetra dia rantsana avokoa.

Tsy entina hilazana akory izany fa tsy manan-danja ireo rantsana. Mila rantsana ny hazo iray. Saingy araka ny nolazain’ny Mpamonjy tamin’ireo mpianany hoe: “Ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy.” Raha tsy misy ny fifandraisana amin’ny Mpamonjy, izay fikolokoloana hita ao anatin’ireo faka dia malazo ny rantsana ka maty.

Raha ny fikolokoloana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy no resahina dia manontany tena aho raha toa ka tsy afangarontsika amin’ireo faka ireo rantsana. Izany no fahadisoana izay tsikaritr’i Jesoa fa nataon’ireo Fariseo tamin’ny androny. Nifantoka loatra tamin’ireo antsipiriany madinika momba ny lalàna izy ireo ka lasa nanao tsinontsinona ireo zavatra nantsoin’ny Mpamonjy hoe “izay lehibe”—fitsipika fototra toy “ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana.”

Raha te hikolokolo hazo iray ianao dia tsy tobahanao rano ireo rantsany. Fa ny fakany kosa no tondrahanao. Torak’izany koa raha tianao hitombo sy hamokatra voa ireo rantsan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia kolokoloy ny fakany. Raha toa ka misalasala ianao momba ny fotopampianarana na fomba fanao na singa iray ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana dia mikatsaha hevitra sy fahatakarana amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Katsaho ny hahatakatra ny sorona nataony ho anao sy ny fitiavany anao ary ny sitrapony ho anao. Araho amim-panetren-tena Izy. Hanovo hery avy amin’ny finoanao miorim-paka ao amin’ny Ray any An-danitra sy ny Zanakalahy Malalany ireo rantsan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Ohatra, raha maniry ny hanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba ny Bokin’i Môrmôna ianao dia mifantoha amin’ny tenivavolombelona entin’izany momba an’i Jesoa Kristy. Diniho ny fomba hijoroan’ny Bokin’i Môrmôna ho vavolombelona momba Azy sy ny zavatra ampianarin’izany momba Azy sy ny fomba hanasàn’izany sy hitaoman’izany anao hanatona Azy.

Raha mikatsaka ny hiaina zavatra manan-danja kokoa ianao mandritra ireo fivoriana ao am-piangonana na any amin’ny tempoly dia andramo karohina ao amin’ireo ôrdônansy masina izay raisintsika ao ny Mpamonjy. Karohy ao amin’ny tranony masina ny Tompo.

Raha toa ianao ka mahatsapa ho valaketraka na rempotry ny antsonao ao amin’ny Fiangonana dia andramo ampifantohana amin’i Jesoa Kristy ny asa fanompoana ataonao. Ataovy fomba fanehoana ny fitiavanao Azy izany.

Kolokoloy ireo faka dia hitombo ireo rantsana. Ary hamokatra voa tsara izany rehefa mandeha ny fotoana.

Mamaka tsara sy miorina mafy ao Aminy

Tsy tonga moramora foana ny fananana finoana matanjaka an’i Jesoa Kristy. Tsia. Eto amin’ity tontolon’ny fiainana an-tany ity dia ny tsilo sy herin’ny ahiahy no mitombo tampoka. Ilay hazo mahasoa sy mahavanom-boan’ny finoana dia mitaky ezaka iniana atao. Ary ampahany manan-danja amin’izany ezaka izany ny manao izay mampiorim-paka tsara antsika ao amin’i Kristy.

Ohatra: Amin’ny voalohany isika dia mety ho voataona ho amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany satria mahavariana antsika ireo mpikambana mora alain-ko namana na ilay eveka tsara fanahy na koa ny fahadiovan’ny trano fivavahana. Marina fa manan-danja tokoa ireo toe-javatra ireo mba hampitomboana ny Fiangonana.

Na izany aza anefa, raha toa ka tsy miorim-paka lalina kokoa noho izany ireo fakan’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika dia inona no hitranga rehefa hifindra amin’ny paroasy iray izay mivory anaty trano fiangonana tsy dia tena manaitra sy ahitana mpikambana izay tsy mora alain-ko namana ao aminy ary eveka milaza zavatra manafintohina antsika isika?

Ohatra iray hafa: Moa ve tsy toy ny hoe rariny ny manantena fa rehefa mitandrina ireo didy ary fehezina any amin’ny tempoly isika dia hotahiana mba hanana fianakaviana sambatra sy zanaka marani-tsaina sy mpankatò izay hitoetra ho mazoto ao amin’ny Fiangonana, handeha hitory ny filazantsara, hihira ao amin’ny amboaram-peon’ny paroasy ary hanolo-tena mba hanampy amin’ny fanadiovana ny trano fiangonana isaky ny sabotsy maraina?

Tena manantena tokoa aho fa isika rehetra dia hahita izany eo amin’ny fiainantsika. Saingy ahoana raha toa ka tsy mitranga izany? Moa ve hanohy hifamatotra amin’ny Mpamonjy isika na inona na inona toe-javatra misy—hatoky Azy sy ny fandaharam-potoanany?

Tokony mametra-panontaniana amin’ny tenantsika isika hoe: Moa ve mifototra amin’ny zavatra antenaiko fa hitranga eo amin’ny fiainako ny fijoroana ho vavolombelona ananako? Moa ve miankina amin’ny ataon’ny hafa sy ny toetran’izy ireo izany? Sa miorina mafy eo amin’i Jesoa Kristy, “mamaka tsara sy miorina mafy ao Aminy,” na inona na inona toe-javatra miovaova eo amin’ny fiainana?

Fomban-drazana sy Fahazarana ary Finoana

Ny Bokin’i Môrmôna dia mitantara momba ny vahoaka iray izay “[sarotiny tamin’ny] fanarahana ny ôrdônansin’ Andriamanitra.” Kanefa avy eo nisy lehilahy tsy nanam-pinoana iray, izay antsoina hoe Kôrihôra, izay tonga nanesoeso ny filazantsaran’ny Mpamonjy ka nantsoiny hoe “adaladala” sy “fomba adaladalan’ireo razany.” Nampaniasia “ny fon’ny maro, nanao izay hanatrakany ny lohany tao amin’ny faharatsiany” i Kôrihôra. Saingy ny hafa kosa dia tsy azony nofitahina satria mihoatra lavitra noho ny fomban-drazana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho azy ireo.

Matanjaka ny finoana rehefa miorim-paka lalina amin’ny zavatra iainana sy ny fanoloran-tena manokana amin’i Jesoa Kristy fa tsy miankina amin’ireo fomban-drazana na ny zavatra mety holazain’ny hafa na hataon’izy ireo.

Hozahan-toetra sy hotsapaina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Tsy finoana ny finoana raha tsy mbola voazaha-toetra mihitsy. Tsy matanjaka ny finoana raha tsy mbola notoherina mihitsy. Ka noho izany aza kivy raha toa ka mandalo fitsapa-pinoana na manana fanontaniana tsy voavaly ianao.

Tsy tokony hanantena ny hahatakatra ny zava-drehetra isika alohan’ny hanaovantsika zavatra. Tsy finoana velively izany. Araka ny nampianarin’i Almà hoe: “Ny finoana dia tsy fananana fahalalana tomombana ny zavatra.” Raha toa isika miandry ka tsy mihetsika mandrapahatongan’ny fotoana hamaliana ireo fanontaniana rehetra ananantsika dia tena mametra ny zava-tsoa azontsika tanterahina isika ary mametra ny herin’ny finoana.

Tsara ny finoana satria mitoetra maharitra izany na dia tsy tonga araka ny nantenaina aza ireo fitahiana. Tsy hitantsika ny hoavy ary tsy fantatsika ny valin’ny zavatra rehetra saingy afaka matoky an’i Jesoa Kristy isika rehefa sady mandroso no miakatra hatrany satria Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Izy.

Miaritra ireo fitsapana sy ireo ahiahin’ny fiainana ny finoana satria miorina mafy eo amin’i Kristy sy ny fotopampianarany izany. I Jesoa Kristy miaraka amin’ny Raintsika any an-danitra izay naniraka Azy, no tanjona tsy miovaova sy azo antoka tanteraka iorenan’ny fitokisantsika.

Tsy zavatra aorinao indray mandeha ny finoana dia mijanona eo foana mandrakizay. Mitovy kokoa amin’ny hazo iray izay kolokoloinao tsy tapaka izany. Ny fambolena ny tenin’ Andriamanitra ao am-ponao dia vao ilay dingana voalohany fotsiny ihany. Rehefa manomboka mitsimoka ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia amin’izay fotoana izay vao tena manomboka ny tena asa! Amin’izay fotoana izay ianao no “[mamahana izany] amin’ny fanolokoloana be mba hahazoany miorim-paka, mba hahazoany mitombo sy mitondra voa.” Mitaky “fahazotoana be” sy “faharetana amin’ny teny” izany. Kanefa azo antoka ireo fampanantenana nomen’ny Tompo: “Hotazanareo ny lokan’ny finoanareo sy ny fahazotoanareo, ary ny faharetanareo sy ny fahariponareo amin’ny fiandrasana ny hazo hitondra voa ho anareo.”

Ry rahalahy sy anabaviko malala, ry namako malala, misy ampahany ao amiko izay malahelo ilay trano fivavahana tranainy any Zwickau sy ireo varavarankely vita avy amin’ny takela-pitaratra miloko. Kanefa tao anatin’izay 75 taona lasa izay dia nitarika ahy mba hamakivaky dia iray teo amin’ny fiainako izay mampientanentana lavitra noho izay azoko noeritreretina i Jesoa Kristy. Nampionona ahy tao amin’ireo fahoriako, nanampy ahy hamantatra ireo fahalemeko, nanasitrana ireo ratra ara-panahiko ary nikololoko ahy tamin’ny finoako izay an-dalam-pitomboana Izy.

Ny vavaka sy tsodrano amin-kitsim-po ataoko dia ny mba hikolokoloantsika tsy tapaka ny fakan’ny finoantsika ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany ary ny Fiangonany. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ary ny Tompontsika—amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ny taona 2024 dia nanamarika ihany koa ny faha-30 taona niantsoana ahy ho Manampahefana Ambony ary 20 taona nifindran’ny fianakaviako monina taty Etazonia avy tany Alemana noho izany antso noraisiko izany. Ary efa saika ho 20 taona katroka, tamin’ny 2 Ôktôbra 2004, hatramin’ny nanohanana ahy ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ho vavolombelona manokan’ny “anaran’i Kristy manerana an’izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23).

  2. Amin’ny lafiny sasany dia tahaka ny zavatra tsapan’ny vahoakan’i Almà momba ny Ranon’i Môrmôna ny fahatsapako momba io trano io—toerana kanto izany ho azy ireo satria teo [izy ireo] no tonga tamin’ny fahalalana ny Mpanavotra azy” (Môzià 18:30).

  3. Matio 24:35; jereo ihany koa ny Joseph Smith—Matio 1:35.

  4. Isaia 54:10; jereo ihany koa ny 3 Nefia 22:10.

  5. Nampianatra izany fahamarinana izany ihany koa ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Mino aho fa ao anatin’ireo lesona lehibe indrindra izay ianarantsika ao anatin’ity fotoana fohy eto an-tany ity dia misy lesona izay manampy antsika hanavaka izay zavatra manan-danja sy izay tsy manan-danja. Mitalaho aminareo aho mba tsy hamela ireo zavatra tena manan-danja indrindra ireo handalo fotsiny” (“Mitady hafaliana ao amin’ilay dia,” Liahona, nôv. 2008, 85). Torak’izany ihany koa rehefa namporisika antsika ny Filoha Russell M. Nelson vao haingana mba “hisaina amin’ny fomba selestialy,” dia hoy izy hoe: “Ny fiainana an-tany dia taranja lehibe entina mianatra misafidy ireo zavatra manan-danja mandrakizay lehibe indrindra” (“Saino amin’ny fomba selestialy!,” Liahona, nôv. 2023, 118).

  6. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 264; jereo koa ny Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young (1997), 16–18.

  7. Teachings: Joseph Smith, 49.

  8. Jaona 15:4.

  9. Matio 23:23, New Revised Standard Version.

  10. Mahaliana ve ny mahatsikaritra fa misy fitoviana eo amin’ireo kolontsaina Amerikanina sy ireo vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna? Mety ho izay tokoa. Manampy ve ny mianatra avy amin’ny tantaran’ireo mpitantsoratra sy ny olona hafa momba ny antsipirian’ny fomba nandikan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna? Mety ho izay ho an’ny sasany. Kanefa tsy misy mandrafitra fijoroana ho vavolombelona maharitra amin’ireo izay milaza fa ny Bokin’i Môrmôna dia tenin’ Andriamanitra. Mba hitrangan’izay dia mila mahita ny Mpamonjy ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna ianao ary mila maheno ny feony miresaka aminao. Rehefa mitranga izany dia tsy hanan-danja aminao hoe taiza ho aiza no nisy ny tanànan’i Zarahemlà na hoe tahaka ny inona ny endriky ny Orima sy Tomima. Mety ho rantsana izay azo rantsanana amin’ilay hazo izany rehetra izany kanefa ilay hazo kosa dia hitoetra.

  11. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–20.

  12. Jereo ny Joy D. Jones, “Ho Azy,” Liahona, nôv. 2018, 50–52.

  13. Jereo ny Genesisy 3:18.

  14. Ny Filoha Nelson dia nanasa antsika rehetra mba “handray an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona [ananantsika] momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Miasà ho an’izany. “Kolokoloy izany mba hitomboany” (“Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Liahona, nôv. 2022, 97).

  15. Kolosiana 2:7.

  16. Almà 30:3.

  17. Jereo ny Almà 30:12–16, 31.

  18. Almà 30:18.

  19. Mahaliana fa ireo hevitra naroson’i Kôrihôra dia tena tsy nandresy lahatra mihitsy ireo Lamanita izay vao avy niova fo, ny vahoakan’i Amôna (jereo ny Almà 30:19–20), izay nanara-dia an’i Kristy tsy noho ireo fomban-drazan’izy ireo.

    Ny Bokin’i Môrmôna kosa nefa dia mitantara momba ny tanora izay nanasaraka ny tenany tamin’ny Fiangonan’ny Tompo satria “tsy nino ny fomban-drazany izy” (jereo ny Môzià 26:1–4). Zava-dehibe ny tokony hametrahan’ny fianakaviana fomba amam-panao marina. Kanefa manan-danja tahaka izany ihany koa ny hahatakaran’ny fianakaviana mazava tsara ny antony tokony isian’ireo fomba amam-panao ireo. Nahoana isika no mivavaka isa-maraina sy isak’alina? Nahoana isika no mandalina ny soratra masina miaraka amin’ny fianakaviana? Nahoana isika no manao takarivan’ny mpianakavy sy fiaraha-mientana ary asa fanompoana iarahan’ny fianakaviana sy ny sisa? Raha takatr’ireo zanatsika ny fomba hanampian’ireo fomba amam-panao ireo antsika hanatona kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia ho mora kokoa amin’izy ireo ny manohy izany, ary manatsara ny tenan’izy ireo amin’ny fanaovana izany ao amin’ny fianakaviany avy.

  20. Almà 32:21. Mahery vaika ny finoana, tsy noho ny fahalalana entiny fa noho ny zavatra vitany kosa.

  21. Jereo ny Hebreo 10:23.

  22. Almà 32:37, 41–43.