Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
“Izany no filazantsarako”—“Ity no fiangonako”
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2024


13:49

“Izany no filazantsarako”—“Ity no fiangonako”

Izany no filazantsaran’ny Mpamonjy, ary ity no Fiangonany (jereo ny 3 Nefia 27:21; Môzià 26:22; 27:13). Ny fitambaran’izy roa dia mahery vaika sy manova zavatra be.

Nandritra ny taonjato maro dia ny vovoka mainty no akora fanapoahana matanjaka indrindra nisy. Afaka nampandeha ny balan-tafondro izany saingy tsy nety raha ho an’ny ankamaroan’ireo tetik’asa fitrandrahana sy fanamboaran-dalana. Tena nalemy loatra izany ka tsy nahavaky vato akory.

Tamin’ny taona 1846 dia nisy mpahay simia italiana iray antsoina hoe Ascanio Sobrero nanamboatra akora fanapoahana vaovao, dia ny nitroglycérine. Io tsiranoka menaka io dia natanjaka arivo heny mihoatra ny vovoka mainty. Mora dia mora aminy ny mamotika vatolampy. Indrisy anefa fa tsy azo antoka tsara ny nitroglycérine tamin’izany. Raha latsaka avy eo amin’ny toerana iray iva izany dia nipoaka. Raha nafana loatra izany dia nipoaka. Raha nangatsiaka loatra izany dia nipoaka. Na dia apetraka irery tao amin’ny efitra iray mangatsiatsiaka sy maizina aza izany dia hipoaka ihany. Ny ankamaroan’ny firenena dia nandrara ny fitaterana azy io, ary maro no nandrara ny fanamboarana azy.

Tamin’ny taona 1860 dia nisy mpahay simia soedoà iray antsoina hoe Alfred Nobel nanomboka nanandrana nanao izay hirindran’ny nitroglycérine. Taorian’ny fito taona nanaovana andrana dia tratrany ny tanjony tamin’ny fitrohana ny nitroglycérine tamin’ny alalan’ny singa iray tsy lafo vidy fantatra amin’ny hoe terre de diatomée na kieselguhr. Ny kieselguhr dia vato loadoaka izay azo totoina ho lasa vovoka madinika. Rehefa afangaro amin’ny nitroglycérine ny kieselguhr dia trohany ilay nitroglycérine ary ny paty vokatr’izany dia azo volavolaina ho lasa endrika tapa-kazo. Azo antoka kokoa ny nitroglycérine rehefa amin’io endrika io. Azo notahirizina sy notaterina ary nampiasaina soa aman-tsara izany nefa tsy mihena ny hery fipoahany. Nantsoin’i Nobel hoe “dinamita” ilay fangarona nitroglycérine sy kieselguhr.

Nitondra fiovana teo amin’izao tontolo izao ny dinamita. Nampanan-karena an’i Nobel ihany koa izy io. Raha tsy nisy an’ilay mpampitombina dia tena ho nampidi-doza ny hivarotana ny nitroglycérine ka tsy ho nisy lanjany, araka ny hitan’i Ascanio Sobrero. Raha nandeha irery, araka ny nambarako, ilay kieselguhr dia tsy nisy vidiny loatra. Fa ny fitambaran’ireo akora roa ireo no nahatonga ny dinamita hitondra fanovana sy naha sarobidy azy.

Mitovitovy amin’izany ihany koa, ny fitambaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manolotra tombontsoa mahery vaika sy mitondra fiovana ho antsika. Ny filazantsara dia tonga lafatra saingy takina ny fiangonana voatendrin’ Andriamanitra mba hitory izany sy hihazona izany ho masina ary hanatanteraka ireo ôrdônansy masin’izany miaraka amin’ny hery sy ny fahefan’ny Mpamonjy.

Diniho ny fitambaran’ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany izay naorin’i Almà mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny Fiangonana dia tsy niandraikitra ny fitoriana “afa-tsy ny fibebahana sy ny finoana ny Tompo izay [h]anavotra ny olony.” Tamin’ny fampiasana ny fahefan’ Andriamanitra ny Fiangonana dia niandraikitra ny fanatanterahana ny ôrdônansin’ny batisa “amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona [fa niditra tao amin’ny] fanekempihavanana Taminy [mba] hanompo Azy sy hitandrina ny didiny.” Ny olona izay natao batisa dia nitondra teo aminy ny anaran’i Jesoa Kristy, sy niditra ho mpikamban’ny Fiangonany, ary nampanantenaina hery lehibe tamin’ny alalan’ny firotsahan’ny Fanahy.

Nirohotra nankany amin’ny Ranon’i Môrmôna ny olona mba hihaino an’i Almà mitory ny filazantsara. Na dia najain’izy ireo fatratra aza ireo rano ireo sy ny ala nanodidina teo dia tsy toerana na trano iray ny Fiangonan’ny Tompo. Na ankehitriny koa aza dia tsy izany. Ny Fiangonana dia olona tsotra fotsiny ihany, mpanara-dia an’i Jesoa Kristy, izay miangona sy voalamina ho rafitra voatendrin’ Andriamanitra izay manampy ny Tompo hanatanteraka ny faniriany. Ny Fiangonana no fitaovana ianarantsika ny andraikitra fotor’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ny Fiangonana dia manolotra ny fomba nahazoana fahefana hahafahan’ny olona mandray anjara amin’ireo ôrdônansy sy manao fanekempihavanana mandrakizay amin’ Andriamanitra. Ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo dia mampanatona antsika ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra, sy manome fahafahana antsika hahazo ny heriny, ary manova antsika ho ilay olona tiany hahatongavantsika.

Tahaka ny dinamita izay tsy hiavaka raha tsy misy nitroglycérine, dia rehefa miorina eo amin’ny filazantsarany ihany ny Fiangonan’ny Tompo vao miavaka. Raha tsy misy ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny fahefana hanatanterahana ireo ôrdônansiny, dia tsy nisy nampiavaka ny Fiangonana.

Raha tsy misy an’ilay fanamafisana entin’ny kieselguhr dia ho zava-mipoaka tsy misy lanjany ny nitroglycérine. Araka ny nasehon’ny tantara, raha tsy nisy ny Fiangonan’ny Tompo, dia tsy ho azo antoka toy izany koa ny fahatakaran’ny olombelona ny filazantsarany, mirona mankany amin’ny fiovan’ny fotopampianarana sy voataonan’ireo fivavahana sy kolontsaina ary filôzôfia isan-karazany. Hita tao amin’ny fotoampitantanana tsirairay ny fitambaran’ireo fitaomana ireo izay nitarika ho amin’ity fotoampitantanana farany ity. Na dia nadio aza ny nanambaràna ny filazantsara tamin’ny voalohany dia lasa niova tsikelikely ho manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra nefa mandà ny heriny ny fandraisana sy fampiharana izany filazantsara izany satria tsy teo ilay rafitra nahazo fahefana avy amin’ Andriamanitra.

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no ahafahana manana ny herin’ Andriamanitra satria nomeny fahefana izany mba hampianatra ny fotopampianaran’i Kristy sy hanolotra ireo ôrdônansin’ny filazantsara ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Maniry mafy ny hamela ny fahotantsika sy hanampy antsika hanana ny heriny ary hanova antsika ny Mpamonjy. Nijaly noho ny fahotantsika Izy ary maniry mafy ny hamela antsika amin’ny famaizana izay mendrika antsika. Tiany ho lasa masina sy ho tanteraka ao Aminy isika.

Manana ny hery hanaovana izany i Jesoa Kristy. Tsy hoe niombon’alahelo tamin’ny tsy fahatomombanantsika fotsiny Izy sy nitomany ny fanamelohana antsika mandrakizay vokatry ny fahotana. Tsia, nihoatra an’izany no nataony, nihoatra lavitra noho izany, ary namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany mba hahafahana mahazo ny heriny.

Ny fototry ny filazantsara izay ampianarin’ny Fiangonana dia hoe i Jesoa Kristy dia nitondra “ny aretintsika … sady nivesatra ny fahoriantsika.” “Nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.” “Niaritra ny hazo fijaliana” Izy, nanapatapaka ny famatoran’ny fahafatesana,” “niakatra any an-danitra [ary] mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra mba hitaky amin’ny Ray ny zon’ny famindram-po izay ananany.” Nataon’ny Mpamonjy izany rehetra izany satria tiany ny Rainy ary tiany isika. Efa nanefa ny sarany tsy manam-piafarana mba hahafahany “[mitaky] ireo rehetra izay manam-pinoana Azy Izy [ary misolo vava]” azy ireo—antsika. Tsy misy zavatra irian’i Jesoa Kristy afa-tsy ny hibebahantsika sy ny hanarahantsika Azy mba hahafahany manamarina sy manamasina antsika. Amin’izany faniriana izany Izy dia tsy mitsahatra ary tsy azo hozongozonina.

Ny fahazoana ny herin’ Andriamanitra izay ao amin’ny fanekempihavanana sy ny fitiavany ao amin’ny fanekempihavanana dia amin’ny alalan’ny Fiangonany. Ny fitambaranan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny Fiangonanany dia manova ny fiainantsika. Nanova ny fiainan’ireo ray aman-drenibeko avy amin-dreniko izany. Ny raibeko, i Oskar Andersson, dia niasa tao amin’ny tobin-tsambo iray tao Högmarsö, nosy iray ao amin’ny vondronosin’i Stockholm. I Albertina vadiny sy ny zanany dia nipetraka tamin’ny nosy lehibe kokoa, tao Soeda. Indray mandeha isaky ny roa herinandro, amin’ny asabotsy, dia voizin’i Oskar mody ny sambony mandritra ny faran’ny herinandro mialoha ny hiverenany any Högmarsö ny alahady hariva. Indray andro, raha tao Högmarsö, dia nahare misiônera amerikana roa izy nitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Nahatsapa i Oskar fa ny zavatra reny dia fahamarinana madio ary heniky ny hafaliana tsy hay lazaina izy.

Rehefa nody izy taorian’izay dia tsy andriny ny hilazana amin’i Albertina momba ireo misiônera. Nanazava izy fa ninoany ny zavatra nampianarin’izy ireo. Nasainy novakian’ny vadiny ireo bokikely nomen’izy ireo azy, ary nolazainy izy fa tsy nieritreritra izy hoe tokony hatao batisa ireo izay ho zanany raha mbola zaza. Tezitra i Albertina ary nariany teo amin’ny fako ireo bokikely. Tsy dia nifampiresaka firy izy ireo mandra-piverin’i Oskar hiasa ny alahady hariva.

Raha vantany vao lasa izy dia nalain’i Albertina ireo bokikely ireo. Nampitahainy tsara tamin’ireo fampianarana tao amin’ny Baiboliny efa tontantonta ny fotopampianarana tao. Gaga izy raha nahatsapa fa marina ny zavatra novakiany. Rehefa nody i Oskar taorian’izay dia nahazo fandraisana tsara, toy izany koa ilay tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna izay nentiny. Dodona ery i Albertina namaky, sady nampitaha indray ny fotopampianarana tao sy ny tao amin’ny Baiboliny. Toa an’i Oskar dia fantany fa fahamarinana madio izany ary heniky ny hafaliana tsy hay nolazaina izy.

Nifindra tao Högmarsö i Oskar sy Albertina ary ny zanak’izy ireo mba hanakaiky ireo mpikamban’ny Fiangonana vitsivitsy tao. Herinandro taorian’ny nanaovana batisa an’i Oskar sy i Albertina ny taona 1916 dia nantsoina ho mpitarika ny vondrona tao Högmarsö i Oskar. Tahaka ny maro izay niova fo dia niatrika fitsikerana i Oskar sy i Albertina noho ny finoana vaovao nananan’izy ireo. Nandà ny hivarotra ronono tamin’izy ireo ny tantsaha teo an-toerana, ka lasa nivoy namakivaky ny fjord izy isan’andro mba hividy ronono amin’ny tantsaha iray izay nilefitra kokoa.

Tsy nitsaha-nitombo anefa ny mpikamban’ny Fiangonana tao Högmarsö nandritra ireo taona nanaraka izany, noho ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika nananan’i Albertina sy ny hafanam-po lehibe nananan’ireo misiônera. Rehefa lasa sampana ilay vondrona dia nantsoina ho filohan’ny sampana i Oskar.

Nanaja fatratra izany nosy izany ireo mpikamban’ny fiangonana tao amin’izany sampana Högmarsö izany. Tao no Ranon’i Môrmônan’izy ireo. Tao no nahafantaran’izy ireo ny Mpanavotra azy ireo.

Tao anatin’ireo taona maro, raha nitandrina ny fanekempihavanan’ny batisan’izy ireo i Oskar sy i Albertina dia novain’ny herin’i Jesoa Kristy. Naniry ny hanao fanekempihavanana fanampiny sy handray ny fitahian’ny tempoly ho azy izy ireo. Mba hahazoana ireo fitahiana ireo dia niala tanteraka ny tranon’izy ireo tao Soeda izy ireo ary nifindra tao Salt Lake City ny taona 1949. Nanompo ho mpitarika ireo mpikambana tao Högmarsö nandritra ny 33 taona i Oskar.

Ny fitambaran’ny nitroglycérine sy ny kieselguhr dia mahatonga ny dinamita ho lafo vidy, ny fitambaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany dia tsy hay sandaina. Nahare momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny i Oskar sy i Albertina satria niantso sy nanendry ary nandefa misiônera tany Soeda ny mpaminanin’ Andriamanitra. Teo ambany fanendren’ Andriamanitra ireo misiônera no nampianatra ny fotopampianaran’i Kristy ary tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana no nanaovan’izy ireo batisa an’i Oskar sy i Albertina. Amin’ny maha mpikambana azy ireo dia nanohy nianatra sy nivoatra ary nanompo ny hafa i Oskar sy i Albertina. Lasa Olomasin’ny Andro Farany izy ireo satria nitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo.

Antsoin’ny Mpamonjy hoe “ny fiangonako” Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany satria notendreny izany mba hanatanteraka ny tanjony,—dia ny hitory ny filazantsarany, sy hanolotra ireo ôrdônansy sy fanekempihavanany, ary ny hanao izay ahafahan’ny heriny manamarina sy manamasina antsika. Raha tsy misy ny Fiangonany dia tsy misy fahefana, tsy misy fitoriana ireo fahamarinana nambara amin’ny anarany, na ôrdônansy na fanekempihavanana, na fanehoana ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra, tsy misy fiovana ho amin’izay tian’ Andriamanitra hahatongavantsika, ary ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny zanany dia lasa tsinontsinona. Ampahany manan-danja amin’ny drafiny ny Fiangonana amin’izao fotoampitantanana izao.

Manasa anareo aho mba hanolo-tena feno bebe kokoa ho an’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ary ny Fiangonany. Rehefa manao izany ianareo dia ho hitanareo fa hitondra hery eo amin’ny fiainanareo ny fitambaran’ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany. Mahery vaika lavitra noho ny dinamita izany hery izany. Hamaky ireo vato amin’ny lalanao izany, sy hanova anao ho lasa mpandova ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra Ary ianao dia “[hofenoina amin’izato] fifaliana izay tsy hay tenenina ary heniky ny voninahitra.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ny vovoka mainty dia fangarona nitrate de potassium (salpêtre), sy solifara ary àrina. Sokajiana ho zava-mipoaka ambany na zava-mipoaka malemy izy noho ny tahan’ny fahapotehany izay ambany sy ny firehetany izay haingana dia haingana. Ny zava-mipoaka ambony na zava-mipoaka mahery dia mipoaka fa tsy mirehitra, ka mamokatra dona mandeha haingana.

  2. Ny dinamita dia “nampirongatra tsy nisy toa azy ny famoronana ireo tonelin-dalamby, sy rafitra fanarian-drano ary metro eran’izao tontolo izao—ireo tetik’asa injeniera lehibe izay tsy ho [vita] raha tsy nisy ny fipoahana voafehy [izay namela] izany. Saika ireo zava-bita malaza rehetra tamin’ny [fiafaran’ny taonjato faha-19 sy ny fiantombohan’ny taonjato faha-20], ny métro ao Londres, ny tetezan’i Brooklyn, ny lalamby mamakivaky kaontinanta, [ary] ny lakandranon’i Panama, dia niankina be tamin’ilay zava-mipoaka vaovao”(Steven Johnson, The Infernal Machine: A True Story of Dynamite, Terror, and the Rise of the Modern Detective [2024], 24).

  3. Satria tsy nety namidy irery ny nitroglycérine dia tsy lasa nanan-karena noho ny zavatra noforoniny i Ascanio Sobrero. Na izany aza anefa, rehefa nanorina orinasa fanamboarana dinamita i Alfred Nobel tany Avigliana, Italia, tamin’ny 1873, dia notendrena ho mpanolo-tsaina tsara karama i Sobrero, mba ho fankasitrahana ny nahitany ny nitroglycérine. Nihazona izany fanendrena azy izany i Sobrero mandrapahafatiny tamin’ny 1888. (Jereo ny G. I. Brown, The Big Bang: A History of Explosives [1998], 106.)

  4. Ho an’ny tantaran’ny vovoka mainty sy ny nitroglycérine ary ny dinamita dia jereo Brown, The Big Bang, 1–121.

  5. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mitovy dika amin’ny fotopampianaran’i Kristy.

  6. Jereo ny Môzià 18:7, 20; 25:15, 22.

  7. Môzià 18:10.

  8. Jereo ny 2 Nefia 31:13.

  9. Jereo ny Môzià 18:17; 25:18, 23; Almà 4:4–5; Helamàna 3:24–26; 3 Nefia 28:18, 23.

  10. Jereo ny 2 Nefia 31:12–14; Môzià 18:10.

  11. Ny Fiangonana no fanalahidin’ny fanomezana ireo ôrdônansy masina an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra. Izany no mahatonga ny mpikambana manao fanekempihavanana ny hitandrina ny lalàn’ny fanokanana mandritra ny fanafiana masina ao amin’ny tempoly. Midika izany fa manokana “ny fotoan’izy ireo, ny talentany, ary ny zavatra rehetra izay nitahian’ny Tompo azy ireo mba hananganana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto an-tany” izy ireo (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 27.2, Médiathèque de l’Évangile).

  12. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 77.

  13. Jereo ny Môzià 18:22; Mosesy 6:68; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra,” Médiathèque de l’Évangile.

  14. Jereo ny 3 Nefia 27:13–21.

  15. Jereo ny Fanekem-pinoana 1:5.

  16. Jereo ny Russell M. Nelson, “Mifalia amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny fanalahidin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2024, 121; 3 Nefia 27:9–11.

  17. Ny Mpamonjy no “nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra” mba “[hahatonga antsika] ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra, … mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa rehetra, amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana” (Efesiana 4:11, 13–14).

  18. Syncrétisme no teny teknika ilazana ny fifangaroana fivavahana, na kolontsaina, na sekolin-kevitra samihafa.

  19. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:19.

  20. Jereo ny “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona,” Médiathèque de l’Evangile. Ilay fanambarana dia novakian’ny Filoha Russell M. Nelson ho anisan’ny hafatra nozarainy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-190, ny 5 aprily 2020, tao Salt Lake City, Utah (jereo ny, “Henoy Izy, ”Liahona, mey 2020, 91–92).

  21. Afaka mahazo ny herin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin’ny fahotantsika ary ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. tao amin’ireo ôrdônansy toy ny batisa sy ny fanafiana masina ary ny fanasan’ny Tompo.

  22. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Manamarina,” Médiathèque de l’Evangile.

  23. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanamasinana,” Médiathèque de l’Evangile.

  24. Jereo ny Môrônia 10:32–33.

  25. Jereo ny Hebreo 4:15; Fanamarihana eny amin’ny farany ambanin’ny pejy a.

  26. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–18.

  27. Jereo ny Isaia 53:4–12.

  28. Hebreo 12:2.

  29. Môzià 15:23.

  30. Môrônia 7:27–28; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5.

  31. Jereo ny Môzià 18:30.

  32. Jereo ny Inger Höglund and Caj-Aage Johansson, Steg i Tro: Jesu Kristi Kyrka av Sista Dagars Heliga i Sverige 1850–2000 (2000), 66–67.

  33. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4.

  34. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–21

  35. Raha mandray ny zavatra izay atolotry ny Fiangonan’ny Tompo ianao dia ho tanteraka ao amin’i Kristy alohan’ny maha-tanteraka Fiangonany, raha misy izany. Ny tanjony dia ny hahatanteraka anao fa tsy ny Fiangonany. Ny tanjony raha atao fanoharana dia tsy ny hanova ny kieselguhr ho diamondra mihitsy; ny tanjony dia ny hanadio anao ho lasa volamena madio, ny hamonjy sy hanandratra anao ho mpiara-mandova Aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raintsika any An-danitra. Saingy tokony ho lasa tanjonao koa izany. Safidinao izany.

  36. Helamàna 5:44.