Ny tanany izay vonona ny hanampy antsika
Rehefa mangataka fanampiana amin’i Jesoa Kristy amim-pinoana isika dia ho eo foana Izy.
Fony aho mbola zaza dia nandeha niala sasatra teny amoron-dranomasina niaraka tamin’ny fianakaviako aho teny amin’ny moron-tsirak’i Chili izay firenena niaviako. Nampientanentana ahy ny hiaraka amin’ny fianakaviako nandritra ny andro vitsivitsy ka nankafy ny fotoam-pahavaratra. Nangitakitaka ihany koa aho satria nieritreritra fa nony farany dia afaka miaraka amin’ireo zokiko roalahy aho ary manao ny fanaon’izy ireo matetika eny ambony rano.
Indray andro dia nandeha nilalao teo amin’ny toerana niantefan’ireo onjan-dranomasina ireo rahalahiko ary nahatsapa ho efa mba lehibe aho no matotra ka nanaraka azy ireo. Rehefa nandroso nankeny amin’ilay faritra aho dia lehibe kokoa noho ny fahitana azy ireo avy teny amoron-dranomasina ireo onjan-dranomasina. Tampoka teo dia nisy onjan-dranomasina nanatona ahy haingana ka tsy nampoiziko. Nahatsapa ho toy ny rakotry ny herin’ny natiora aho ary voasintona tao amin’ny halalin’ny ranomasina. Tsy nahita na nahatsapa toerana na zavatra fantatro aho rehefa natopatopan’ny rano. Raha iny mbola nieritreritra iny aho fa mety hifarana ny andro sisa iainako teto ambonin’ny tany dia nahatsapa tanana nisintona ahy hivoaka ny rano aho. Nony farany dia nahita ny masoandro sy naka aina aho.
I Claudio, rahalahiko dia nahita ireo ezaka nataoko hanehoako fa efa lehibe aho ka tonga nanavotra ahy. Tsy lavitra ny moron-dranomasina no nisy ahy. Na dia marivo aza ny rano dia very hevitra aho ka tsy tonga saina fa afaka nanavotra ny tenako ihany. Nilaza tamiko i Claudio fa tokony hitandrina aho ary raha sitrako dia azony ampianarina aho. Na dia betsaka aza ny rano voateliko dia nihanatanjaka ny hambom-poko sy ny faniriako ho lehilahy lehibe ka namaly aho hoe: “Eny ary.”
Nilaza i Claudio fa tokony haneho fahasahiana ho eny amin’ireo onjan-dranomasina aho. Niteny irery aho hoe azo antoka tokoa fa ho resy aho amin’io ady atao amin’ny ranobe io.
Raha iny nisy onjan-dranomasina lehibe nanatona iny dia niteny haingana i Claudio hoe: “Jereo aho, izao no fomba hanaovana azy.” Nihazakazaka nankeny amin’ilay onjan-dranomasina i Claudio ka nitsoraka tao anatin’ilay izy mialohan’ny nanjavonan’izany. Tena variana loatra tamin’ny fomba nitsorahany tanaty rano aho hany ka tsy hitako intsony ny fiavian’ilay onjan-dranomasina manaraka. Koa lasa tany amin’ny halalin’ny ranomasina indray aho ary natopatopan’ny herin’ny natiora. Segondra vitsivitsy taty aoriana dia nisy tanana nisambotra ny tanako ka nosintonina hivoaka ny rano sy hahazo rivotra aho. Maty tanteraka ny afon’ny hambom-poko.
Nanasa ahy hiara-hitsoraka aminy anaty rano ny rahalahiko tamin’io fotoana io. Naaiky ilay fanasany aho ka nanaraka azy ary dia niara-nitsoraka izahay. Nahatsapa ho nandresy ny fanamby lehibe indrindra teo amin’ny fiainako aho. Marina fa tsy tena mora ny nanao izany kanefa vitako ary feno fankasitrahana aho noho ny fanampiana sy ny ohatra nasehon’ilay rahalahiko. Nanavotra ahy indroa ilay tanany. Naneho tamiko ny fomba tokony hiatrehako ilay fanambiko sy handreseko izany izy tamin’io andro io.
Nanasa antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba hisaina amin’ny fomba selestialy ka te hanaraka ilay torohevitra nomeny sy hampihatra izany amin’ilay tantarako nandritra io fahavaratra io aho.
Ny herin’ny Mpamonjy manoloana ny fahavalo
Raha misaina amin’ny fomba selestialy isika dia ho takatsika fa eo amin’ny fiainantsika isika dia hiatrika fanamby izay toa lehibe kokoa noho ny fahaizantsika mandresy izany. Mandritra ny fiainantsika eto an-tany dia iharan’ireo fanafihan’ilay fahavalo isika. Tahaka ireo onjan-dranomasina izay nanana fahefana tamiko tamin’iny fotoam-pahavatra iny dia mety hahatsapa ho tsy manana hery sy hilefitra amin’ny loza goavana kokoa isika. Afaka nanetsika anay tetsy sy teroa ireo “onjan-dranomasina feno hasomparana” ireo. Saingy aza hadinoina hoe iza no manana fahefahana hifehy ireo onjan-dranomasina ireo, hifehy ny zava-drehetra mihitsy aza raha ny marina. I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika izany. Manana ny hery hanampiana antsika anatin’ny toe-javatra mampahory rehetra sy ny toe-javatra mampijaly Izy. Na manao ahoana na manao ahoana ny fahatsapantsika ho akaiky Azy dia afaka manatona antsika eo amin’izay misy antsika Izy.
Rehefa manatona Azy amim-pinoana isika dia ho eo mandrakariva Izy, ary araka ny fandaharam-potoany dia ho vonona sy hanaiky ny handray ny tanantsika ary hisintona antsika hankeo amin’ny toerana azo antoka Izy.
Ny Mpamonjy sy ny ohatra nasehoany mikasika ny fanompoana
Raha misaina amin’ny fomba selestialy isika dia hanaiky an’i Jesoa Kristy ho ohatra tonga lafatra amin’ny fanompoana. Misy maodely azontsika arahina ao anatin’ny soratra masina isaky ny manatona olona iray mila fanampiana sy fanavotana ary fitahiana Izy na ireo mpianany rehefa manolotra ny tanany izy ireo. Tahaka ny zava-nitranga tao anatin’ilay tantarako dia fantatro fa teo ilay rahalahiko, saingy tsy ampy ny hoe teo ho ahy fotsiny. Fantatr’i Claudio fa nanana olona aho ka nandroso izy ary nisintona ahy hivoaka ny rano.
Indraindray isika mieritreritra fa mila eo fotsiny isika ho an’olona iray izay mila fanampiana ary amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia mbola betsaka ny zavatra azontsika atao. Ny fananana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay dia manampy antsika handray fanambarana mba hanolorantsika fanampiana ho an’ny hafa izay mila izany. Afaka miantehitra amin’ny fitarihana sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina isika mba hamantarana ny karazana fanampiana ilaina, na izany fanampiana ara-batana toy ny fampiononana ara-pihetseham-po, na sakafo, na fanampiana amin’ireo asa fanao andavan-andro, na fitarihana ara-panahy mba hanampiana ny hafa amin’ny fiainan’izy ireo mba hiomana sy hanao ary hitandrina fanekempihavanana masina.
Vonona ny hanavotra antsika ny Mpamonjy
Rehefa “nandeha tambonin’ny rano hanatona an’i Jesosy” i Petera, ilay Apôstôly zokiny indrindra … “dia natahotra, ary raha vao nilentika Izy”, dia “niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!” Nahafantatra ny finoana nampiharin’i Petera mba hanatonana Azy teny ambony rano i Jesoa. Fantany ihany koa ny tahotra tsapan’i Petera. Araka ilay tantara dia “naninjitra ny tanany niaraka tamin’izay Jesoa, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?” Tsy hibedesana an’i Petera akory no nitenenany ireo teny ireo fa hampahatsiahivana azy fa Izy, ilay Mesia, dia niaraka taminy sy ireo mpianatra.
Raha misaina amin’ny fomba selestialy isika dia handray ny fanamafisana ao am-pontsika fa i Jesoa Kristy tokoa no ilay Mpamonjy antsika, ilay mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray ary ilay Mpanavotra antsika. Rehefa mampihatra finoana Azy isika dia hamonjy antsika amin’ny toetry ny fahalavoantsika Izy, hihoatra ireo fanamby sy rofy ary ireo zavatra ilaintsika eto amin’ity fiainana ara-nofo ity ary hanome antsika ilay fanomezana lehibe indrindra amin’ireo fanomezana rehetra dia ny fiainana mandrakizay izany.
Tsy milavo lefona ny amintsika ny Mpamonjy
Tsy nilavo lefona ny amiko ilay rahalahiko tamin’io andro io fa nikiry kosa mba hahafahako nianatra ho an’ny tenako manokana. Nikiry izy na dia nidika aza izany fa nila nanavotra ahy indroa izy. Nikiry izy na dia tsy haiko aza ny nanao izany tamin’ny voalohany. Nikiry izy ka nahafahako nandresy izany fanamby izany ary nahomby. Raha misaina amin’ny fomba selestialy isika dia ho tsapantsika fa ho eo foana ny Mpamonjintsika isak’izay ilaina mba hanome fanampiana raha te hianatra, hiova, handresy ary hiatrika ireo sedra isika na hahomby amin’izay zava-drehetra mitondra fahasambarana marina sy maharitra mandrakizay eo amin’ny fiainantsika.
Ny tanan’ny Mpamonjy
Tsy avelan’ny soratra masina ho lefy mandrakizay ny tandindona sy ny lanjan’ireo tanan’ny Mpamonjy. Noloahana tamin’ny fantsika ireo tanany mba hihazonana Azy teo amin’ny hazofijaliana nandritra ilay sorompanavotana nataony. Taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty dia niseho tamin’ireo mpianany niaraka tamin’ny vatana tonga lafatra Izy saingy nijanona teo ireo diam-pantsika teo amin’ ny tanany ho fampahatsiahivana ilay sorompanavotana tsy manam-petra. Ho eo ho antsika mandrakariva ny tanany na dia tsy mahita na tsy mahatsapa izany aza isika amin’ny voalohany satria nofidian’ny Raintsika any An-danitra Izy ho Mpamonjy sy Mpanavotra ny olombelona rehetra.
Raha misaina amin’ny fomba selestialy aho dia fantatro fa tsy ho irery isika eto amin’ity fiainana ity. Na dia tsy maintsy miatrika ireo fanamby sy fitsapana aza isika dia fantatry ny Raintsika any An-danitra ireo fahaiza-manao ananantsika ary fantany fa afaka mizaka sy mandresy ireo fahasarotan’ny fiainana isika. Mila manao ny anjarantsika isika ary mametraka am-pinoana ny fitokiantsika Aminy. Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy, ilay Zanakalahy Malalany ary ho eo mandrakariva Izy. Amin’ny anarany, dia ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.